Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Mihena an-toerana

    samedi 26 juillet 2008 | Naivo kely |  866 visites
    Mpanao politika roa no indray namoy ny ainy tao anatin'ny iray andro monja. Gaston Ramaroson, sy Herizo Razafimahaleo. Samy narendriky ny fahafatesana ny alakamisy teo. Tsy zoviana amin'ny rehetra intsony izy roa lahy ireto teo amin'ny sehatry ny fanoherana teto Madagasikara. Hihena avy hatrany ny fanehoan-kevitra eto amin'ny tanàna. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny tsy fahafahan'ny maro miteny. Izay mbola nisisika nanao izany, dia nalefa nialokaloka teny am-ponja. Izay mba sahy (...)
  • Herizo Razafimahaleo

    Very andrarezina ny mpanohitra

    samedi 26 juillet 2008 | Naivo kely |  903 visites
    Nodimandry i Herizo Razafimaleo. Ny alakamisy alina teo no nandaozany ny fianakaviany sy ny tany, rehefa nolazoin'ny aretina nandritra ny andro maro teny amin'ny Hopitaly tetsy Ilafy. Aretin'ny voa no nahazo azy. Lehilahy tsy zoviana amin'ny maro raha teo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny raharaha politika maro isan-karazany. Nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena hatrany izy nandritra ny fifidianana izay natao teto. Nanana ny fomba fijeriny ny tenany, ary tsy mba nivadibadika teo (...)
  • Ifandroritana

    vendredi 25 juillet 2008 | Naivo kely |  563 visites
    Raikitra ny fanehoan-kevitra eo amin'ny sehatry ny fampianarana. Naneho ny heviny avokoa ny mpanao politika sy ny hery rehetra eto amin'ny firenena. Tsy ho gaga isika raha samy miteny avokoa ny rehetra, satria miankina amin'io ny hoavin'ny taranaka aty afara. Ahiahy tsy hiavanana. Hiova ho amin'ny teny Malagasy ny ho enti-mampianatra. Misy ny tsy mankato izany, satria mety ho bado angaha ny zanany, raha vao miteny gasy ka hilaozan'ny zanaky ny mpanana eo amin'ny fahaizana fiteny vahiny? (...)
  • Caisse d’Epargne

    Tompony makataka ny atiny ny mpanjifa

    vendredi 25 juillet 2008 | Naivo kely |  330 visites
    Kivy ny mpametraka vola ao amin'ny caisse d'epargne omaly raha nahita ny fitokonana nataon'ny mpiasa. Fitokonana izao tao anatin'ny fotoana fohy ny nilazana izany. Tsy hidiran'ny mpametra-bola ao izay olana anatin'izy mianankavy, fa maro ireo saika haka vola no tsy afaka nanao izany. Vehivahy saika haka ny vola noho ny aretin-janany izay ilaina vola hividianana fanafody no nitaraina, sy latsa-dranomaso omaly, fa tsy hametraka ny volany any amin'itony sehatra itony intsony izy. Natao (...)
  • Mamono antoka ny omby masiaka

    mercredi 23 juillet 2008 | Naivo kely |  544 visites
    Tsy lasa intsony e. Na dia nokolokoloina nomena ny vilona isan-karazany aza ny omby masiaka avy eto Madagasikara, dia tsy nahatrongy intsony. Io no andeha entina hilazana ny vokatry ny lalao ataon'ny Barean'i Madagasikara atsy Afrika atsimo. Tsy mety mandresy, fa na resy, na manao ady sahala. Ny mpilalao mihitsy ve no tsy mahomby sa ny mpanazatra no tsy alehany ? Natao daholo ny tetika isan-karazany, niainga tamin'ny fandravana ny federasiona, ka nampihatoana antsika nandritra ny volana (...)
  • Fanambaran’ny filoha Ravalomanana

    Matanjaka izahay mpanohitra, hoy Vaovao Benjamin

    mercredi 23 juillet 2008 | Naivo kely |  804 visites
    "Io indray ny fanjakana. Fanosoram-potaka ny mpanohitra no ataony. Aiza no ahitanay mpanohitra fitaovam-piadiana ampidirina eto? Raha izany no izy matanjaka anie izany izahay e". Io no nambaran'ny loholona teo aloha Vaovao Benjamin, mpikambana ao anatin'ny antoko AREMA. "Tsapa fa misy olona mahazo tombotsoa betsaka amin'izany eto, ka ahilika aty aminay io. Toy izany koa ny mety hanarian'ny sasany fako simika aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara. Tranga efa nisy taloha io fony (...)
  • Jeneraly Razakarimanana

    Miverin-dàlana ny tolona

    mardi 22 juillet 2008 | Naivo kely |  915 visites
    "Ady amin'ny fahantrana. Ventesina isan'andro, saingy tsy mety resy fa mahazo vahana amin'ny fiainam-bahoaka isan'andro. Vokatry ny andrankandrana isan'andro mihiratra ataon'ny mpitondra io". Isan'ny nambaran'ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand tao amin'ny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny alahady teo. Isan'io ny nidirana tamin'ny MAP izay nasolo ny DSRP. Ny fanovana ny faritany mizaka tena, ka nivadihana tamin'ity rafitry ny faritra ity. Io mbola hiarahana mahita io ny (...)
  • Nahena ny fihinanan’ny minisitra

    mardi 22 juillet 2008 | Naivo kely |  829 visites
    Ny soa fianatra. Endrika iray hisoroana ny mety ho fahavoazan'ny vahoaka ao aminy no nataon'ny mpitondra tatsy Côte-d'Ivoire ny alahady teo. Làlana iray tsy azo hiodivirana ny sondrom-bidim-piainana manerana izao tontolo izao. Miditra an-tsehatra ny mpitondra any amin'io firenena io, ka ny fampihenana ny fandaniana ataon'ireo mpitondra isan'isany no natao voalohany. Ny fivoahana mitety faritra sy firenena, dia tsy azo natao intsony, raha tsy tena misy antony goavana. Ny karaman'ireo (...)
  • Aretin’i Pety Rakotoniaina

    Nisy fiantraikany ny famatorana rojo vy azy

    lundi 21 juillet 2008 | Naivo kely |  1182 visites
    Etsy Befelatanana i Pety. Mitsabo tena vokatry ny aretina mikiky azy. Ny zoma alina teo no nalefa haingana ao amin'io hopitaly lehibe eto andrenivohitra io ny lehilahy, satria mihombo ny aretina mahazo azy. Gaga izahay hoy ny mpikambana ao amin'ny Tambatra nandre, fa nanao Grevy tsy mihinan-kanina i Pety. Lehilahy be herim-po tahaka azy, izay hita fa sahy misedra ny mafy ve hanao izany? Raha ny fantatray hoy ihany ireto lohan'ny mpisorona ao amin'ny Tambatra mipetraka eto andrenivohitra (...)
  • Kaonty any Soisa

    Tsy afaka mametra-bola any intsony ny filoha

    samedi 19 juillet 2008 | Naivo kely |  1712 visites
    "Ho hentitra ny fanjakana amin'ny fanaraha-maso ny vola miditra eto Madagasikara. Tsy maintsy fantarina avokoa ny hampiasana azy, fa tsy ho avela ho gaboraraka, ka samy manao izay hitiavany azy ny rehetra. Tsy azon'ny filoha atao intsony ihany koa ny manokatra kaonty amin'ny banky ao Soisa hitahirizany ny volany". Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io omaly raha nitokana ilay sampandraharaha misahana ny ady amin'ny famotsiam-bola tetsy Faravohitra izy. Samy nanamafy ny (...)
  • Mitabe tsy lanin’ny mamba

    vendredi 18 juillet 2008 | Naivo kely |  628 visites
    Izay mangina volamena. Ny fahanginana tafahoatra ihany koa naman'ny manaiky. Mitsipaipaika ny fanehoan-kevitra politika eto Madagasikara. Maro amin'ny fianam-pirenena anefa no ilana hakana ny hevitry ny maro. Mandeha ila tanteraka ny raharaha. Mihevin-tena ho tompon'ny fahamarinana ny olona eo amin'ny fitondrana, ka izay mba manana ny hevitra kely tokony hivoaka, voatapina ny vavany. Ny ankilany ihany koa anefa, raha vao miteny, dia ny handrodana ny fitondrana no masaka ao antsainy. Tsy (...)
  • Matsilo

    Ampy izay hoy i Ranjivason

    vendredi 18 juillet 2008 | Naivo kely |  811 visites
    Aleo milaza ny marina halan'andriana, toy izay mamono ny rariny halam-bahoaka. Mitombo ny disadisa manenika ny fiainam-pirenena sy ny sokajin'olona. Ny lonilony mila tsy ho voatsindry intsony. Tsy zava-baovao izany, saingy mihamahazo vahana. Efa nisy ireo fanairana nataona fikambanana vaventy, iraisam-pirenena, na teratany eto an-toerana na any am-pielezana. Teo ny antso avo tamin'ny Pentekosta nataon'ny FFKM. Ny hafatry ny filankevitry ny Eveka, ny fanehoan-kevitra III, navoakan'ny (...)
  • Tsy vitan’ny JIRAMA ny asany

    jeudi 17 juillet 2008 | Naivo kely |  679 visites
    Ela ny ela tonga ihany ny faktioran'ny JIRAMA. Arahaba hafa kely anefa no natolony ny mpanjifa raha nitety tokantrano ry zalahy. Hanapaka ny jiro sy rano izahay, satria tsy mbola nahaloa ny faktiora volana Mey ianareo. Ny faktiora volana jona anefa no zarainy isan-tokantrano amin'io. Gaga anefa ny maro nahitana izany, satria ny grevy nataon-dry zalahy sy zavavy ireo no antony tsy nahavitany ny asany antsakany sy andavany. Alaivo any amin'ny masoivohon'ny Jirama ny faktioranareo, dia aloavy (...)
  • Rajaonah sy ny « Otrikafo »

    Malahelo ny zanaky i Lafrantsa

    jeudi 17 juillet 2008 | Naivo kely |  1513 visites
    Hitsakitsahin'ingahy masoivoho Frantsay ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Inona no antony hilazany fa tsy navelan'ny filoha Malagasy hanao ny asany izy nandritra ny kabary ho fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay? "Fifanarahana efa vita teo amin'ny fitondrana Malagasy ny Frantsay iny", hoy ity mpitarika ny fikambanana "Otrikafo" ity. Nohampatsiahivin'ingahy Rajaonah fa tsy maharaka tantara ity lehilahy ity. Ny taona 1947 dia Malagasy 90000 no naripaky ny Frantsay teo. Ny taona 1972 dia (...)
  • Samy nahazo ny anjarany

    mercredi 16 juillet 2008 | Naivo kely |  758 visites
    Hitsiry indray ve ny disadisa eo amin'ny Frantsa sy i Madagasikara? Resabe nandeha omaly teto andrenivohitra io, indrindra teo anivon'ny mpanao politika. Hiteraka olana eo amin'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta io, ka hisy fiantraikany eo amin'ny lafiny toe-karena. Ity firenena ity mantsy no isan'ny mpiara-miasa voalohany amin'i Madagsikara. Rehefa manova dia hatramin'ny farany. Teny fandre amin'ny mpitondra Malagasy io. Matoa nipetraka izay tsy fifampitokisana izay, dia ao raha. Mety (...)
  • Lany andro miofana

    mardi 15 juillet 2008 | Naivo kely |  557 visites
    Saika isan'andro no handrenesana ity resaka fiofana etsy sy eroa ity. Ny tena matetika ahitana azy io dia ny eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Miditra amin'io sehatry ny fiofanana io mpadraharaha sy ny mpitantanana asam-panjakana maro eto amin'ny nosy. Tsy misy maha-ratsy izany, saingy maro no mametram-panontaniana hoe, sao lany andro amin'ity fiofanana ity isika ? Roa andro na telo andro ve ahavitana ny tena asa fampandrosoana eny anivon'ny fiaraha-monina ? Aleo aloha misy toy izay tsy (...)
  • Kolonely Belone

    Nohafahan’ny fitsarana ny lehilahy

    mardi 15 juillet 2008 | Naivo kely |  833 visites
    Voarohirohy tamin'ny asan-jiolahy mitam-basy ny kolonely Belone. Fanafihana nitranga tany Soavinandriana Itasy ny alin'ny 27 septambra 2007 no niandohan'ny raharaha tany Mandevintena atsimon'i Soavinandriana. Fandrobàna olona mpanangom-bokatra tany an-toerana no niseho. Nikasa hividy fiara 4x4 ity farany no nokasain'izy ireo ho robaina ilay vola be. Diso anefa ny vaovao voarain'ireto mpandroba ka tsy nisy afa-tsy vola 1 hetsy sy firavaka monja no hita tao an-trano. Voasakan'ny zandary teny (...)
  • Tsy re tsaika

    lundi 14 juillet 2008 | Naivo kely |  480 visites
    Ho hamafisana ny sehatry ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Isan'ny nivoitra tao anatin'ilay atrik'asa teny Ivato ny herinandro teo izany, mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny firenena manontolo. Tsy hidirana hatramin'ny antsipirihiny izay tetika ho ataon'ireo sehatra telo, dia ny polisy, tafika ary zandary ho atao, fa ny maika aloha izao, dia ny fomba tsy hiparitahan'ny fitaovam-piadiana mahery vaika intsony. Hiarahana mahalala, fa ny andian-jiolahy sy dahalo no tena mahazo vahana eto. (...)
  • Politika

    Mametraka mpandimby ny goaika antitra

    lundi 14 juillet 2008 | Naivo kely |  1054 visites
    Anjaran'ny tanora indray izao. Ampy izay ny anay. Mpanao Politika isan'ny fanta-daza efatra teto amin'ny firenena no nilaza ireo ny faran'ny herinandro teo. Na dia niezaka ny handrafitra ny tetika entina hanatsarana ny fomba fanaovana Politika eto Madagasikara aza ny antoko sy ny mpikambana ao aminy, dia misy fotoanany ny zava-drehetra. Ho ampitaina ny fanilo, ka anjaran'ireo tanora mpikambana nomena andraikitra indray no manohy ny tolona. Tsapa ho an'ny antoko maro ity fanovan-drafitra tao (...)
  • Grevin’ny JIRAMA

    Misy mpanao politika ao ambadika ?

    samedi 12 juillet 2008 | Naivo kely |  538 visites
    Hatramin'izao, dia mbola tsy hita ny marimaritra iraisina eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpiasa sy ireo mpitantanana ao amin'ny JIRAMA io. Hitohy ny Grevy ataon'ireto mpiasa ireto. Raha ny heno, dia misy mpanao politika mikitikitika ny hitaran'ny izao fitokonana ataon'ny mpiasa izao. Ny fitakiana ny tombontsoa sy ny fandaminana anatiny no tena votoatin'ny Grevy. Hanerana an'i Madagasikara ny fanairana ataonay hoy ny solontenan'ny mpiasa, ary efa maro ireo sonia voahangona. Momba iry (...)

0 | ... | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS