::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h03  :  15°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 2 septembre 2010
 

 > Malagasy

Kaonty any Soisa

Tsy afaka mametra-bola any intsony ny filoha

samedi 19 juillet 2008, par Naivo kely

« Ho hentitra ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny vola miditra eto Madagasikara. Tsy maintsy fantarina avokoa ny hampiasana azy, fa tsy ho avela ho gaboraraka, ka samy manao izay hitiavany azy ny rehetra. Tsy azon’ny filoha atao intsony ihany koa ny manokatra kaonty amin’ny banky ao Soisa hitahirizany ny volany ». Isan’ny nambaran’ny filoha Ravalomanana io omaly raha nitokana ilay sampandraharaha misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola tetsy Faravohitra izy.

Samy nanamafy ny maha-zava-dehibe ny hisian’ity sehatra iray ity ny filoha sy ny ministry ny Fitsarana, satria làlana iray hirosoana amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola maloto izy io.

Raha hiverenana ity fametrahan’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena kaonty any Soisa ity, dia niteraka olana lehibe izy io, raha tsy hiteny, afa-tsy ny fanagiazana ny volan’ny Praiministra Tantely Andrianarivo isika, saingy tsy nanaiky izany ny banky Soisa. Hatreto izany, dia fomba hisorohana ny mety ho fanodikodinam-bolam-panjakana ity fepetra noraisina ity.

Firy amin’ny mpitondra ankehitriny no manana kaonty any ivelany toy ny any Soisa ? Ataovy ny mangaraharaha e.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 292  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360