Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Antso an’efitra

    vendredi 27 juin 2008 | Naivo kely |  657 visites
    Miasa izahay, hoy ny filoha Ravalomanana. Naderaderany ireo asa efa vita izay niainga tany amin'ny faritany, ary niampita teny amin'ny trano fandraisana fivoriana goavana teny Ivato. Ny alarobia teo indray, dia niazo ny tsena tetsy Ambohimanarina ny lehilahy, ary nitokana ilay tsena misy rihana eny an-toerana. Noporofoina fa tsy misy ny kobaka am-bava, fa miasa ho an'ny vahoaka izy sy ny fitondrana tarihany. Ankilany, dia mbola mitohy ny antso an'efitra ataon'ny mpanohitra. Antso izay (...)
  • Sehatry ny fanabeazana

    Aiza ny sekoly hianaran’ny mpianatra ?

    vendredi 27 juin 2008 | Naivo kely |  383 visites
    Izay fanapahan-kevitra tapaka tsy azo hiverenana intsony. Tsy maintsy miroso isika, satria làlana iray ahafahana manatsara ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara io. Fanambarana nataon'ny Praiministra lehiben'ny Governemanta io, raha nihaona tamin'ny andrim-panjakana roa tonta izy ny talata lasa teo. Mitohy hatrany amin'ny taona fahafito indray izany ny ankizy Malagasy vao manala fanadinana CEPE fa tsy toy ny teo aloha intsony. Izay eo amin'ny kilasy fahasivy dia efa miatrika izany. (...)
  • Indray milaza

    mercredi 25 juin 2008 | Naivo kely |  612 visites
    Tobin-dasantsy eto andrenivohitra : Afindrao ivelan'ny tanàna, hoy i Moxe Raha sanatria ka ho avy ny loza, dia eo isika mianakavy no raisina. Io no fangatahana mateti-pihavy ataon'ny loholona Moxe Ramandimbilahitra dia ny tokony hanamindrana ireo tobin-tsolika etsy Ankorondrano sy Soanierana. Tsy fahita firy eran-tany izany tombin-tsolika atao ampovoan-tanàna feno vahoaka mivezivezy izany. Eto amintsika ihany no ahitana io, nefa loza mitatao ho an'ny vahoaka ny fipetrahany ampovoan-tanàna toy (...)
  • Hetsiky ny tanora ao Fianarantsoa

    Nihemotra indray ireo mpitarika

    samedi 21 juin 2008 | Naivo kely |  487 visites
    Mbola mamy ny miaina. any « Nifitsaka » ny mpanohitra. Taorian'ny fampidirana am-ponja mpanohitra miisa roa tao Fianarantsoa tamin'ity herinadro ity, dia tsy raikitra ilay hetsika ho fidinana andalam-be saika ho atao any amin'io faritra io. Na dia hambara fa tsy fanonganam-panjakana aza ilay fidinana an-dalam-be saika ataon'ny tanora ao Fianarantsoa sy ny mpanohitra mialohan'ny datin'ny 26 Jiona ho avy izao, dia najanona tanteraka izy io. Ho fitakiana ny famoahana an'ingahy Pety Rakotoniaina (...)
  • Ady amin’ny mosary

    Ho ferana ny zaza ateraka

    vendredi 20 juin 2008 | Naivo kely |  611 visites
    Mahay mitsinjo lavitra. Io no hita fa ezaka ataon'ny fanjakana raha nandre fa ho maimaim-poana manomboka izao ny fanaovana « césarienne » eny amin'ny hopitaly. Ny minisitry ny Fahasalamana no nanambara izany. Voafetra ho telo ihany ny zaza ateraka raha miroso amin'io «césarienne» io isika. Iarahana mahita fa misy ny olona iray miteraka hatrany amin'ny 9 ny zanany. Raha samy hanao toy izany avokoa ny vahoaka 18 tapitrisa eto Madagasikara, dia mety ho firy ny isantsika afaka 10 taona ? Volabe no (...)
  • Fanabeazana ny tantsaha

    Tsy hijanona ho mpamboly, fa higoka harena

    vendredi 20 juin 2008 | Naivo kely |  321 visites
    Miparitaka any ambanivolo rehetra any ny teknisianina manoro hevitra ny tantsaha. Ny tontolon'ny fambolena no hamokatra avo roa heny noho ny teo aloha no hita fa ataon'izy ireo. Faly ny tantsaha fa mahazo fiofanana, mba hamokarany bebe kokoa. Ny hita anefa, dia mijanona ho mpamboly hatrany izy ireo fa tsy mba migoka ny harena. Ny antony dia tsy misy mampianatra ny fomba fitantanana izy ireny. Ny vidim-bokatra anio, azo avadika zavatra hafa ahazoana tombony betsaka rahampitso. Firy (...)
  • Zakan’ny hafa ve tsy ho zakantsika

    jeudi 19 juin 2008 | Naivo kely |  530 visites
    Tafakatra 140 dolara izao ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Mihoron-koditra izao tontolo izao, satria tsy ho voafehy ny fidangan'ny vidim-piainana. Misy ny fivoriana ataon'ireo firenena matanjaka mivondrona ao amin'ny G-8 izay handinihan'izy ireo izay hanampiana ny firenena mety ho saron'ny fahantrana amin'izao fidangan'ny vidin'ny solika izao. Nampetraka ny sora-bola entina hamatsiana haingana ireny firenena ireny, izay samy nanaiky ny hanaovana izany avokoa ireo (...)
  • Filaminam-bahoaka

    Voaroaka ny efi-trano ny mpanao gazety

    jeudi 19 juin 2008 | Naivo kely |  885 visites
    Nasaina nefa noroahina indray avy eo. Io no nahazo ny mpanao gazety saika hiatrika ny tatitra nataon'ny ministry ny Fiarovam-pirenena sy ny teo anivon'ny Polisim-pirenena misahana ny filaminam-bahoaka ny talata teo. Ny antony, dia voalaza fa saro-pady ity resaka filaminana ity, ka tsara raha hidina ho an'ny loholona sy ny ministera ihany ny varavaran'ny antenimieran-doholona io talata io. Maro ny tsiambara-telo tokony tsy hivoaka angazety, indrindra amin'izao fakana ambava manamboninahitra (...)
  • Mitaraina ingahy Ministra

    mercredi 18 juin 2008 | Naivo kely |  823 visites
    Toa mitombona ny ahiahian'ny maro. Miraraka toy ny havandra ny vola fanampiana avy amin'ny mpamatsy vola mahazatra. Mbola ara-taratasy io, ary efa misy ny ampahany azo. Toa tsy maharaka ny asa ataontsika anefa ny vola atosak'iretsy farany eto amintsika, ka mitarazoka ny asa tokony ho atao. Isan'ny nampitaraina ny ministry ny toe-karena io raha nanao tatitra tamin'ny loholona izy omaly. Toa misy mpanelanelana hatrany ny fahatongavan'ny vola eto amintsika. Toa tsy misy fifampitokisana izany. (...)
  • Olana ara-tsakafo

    Potika isika raha tsy mitandrina, hoy Rabetsitonta

    mercredi 18 juin 2008 | Naivo kely |  757 visites
    Tsy hatsiarovanay noana na fotoana very ny raharaham-pirenena. Io no nambaran'ny loholona Rabetsitonta omaly tetsy amin'ny lapan'Anosikely. Fanazavana ny tokony ahaizantsika mamaritra dien'izao ny isian'ny tahiry ara-tsakafo toy ny vary. 3 tapitrisa taonina ny vary ilain'ny malagasy. Tokony ho ampy io, raha toa ka misy ny fitehirizana ny vokatra. apetraka ireny trano natokana hitehirizana vokatra ho an'ny tantsaha ireny. Tsy tokony hanaraka ny vidin'ny vokatra eran-tany isika fa mitady (...)
  • Izay mahavangivangy tian-kavana

    mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  690 visites
    Nahazo izay niriany avokoa ny faritra izay nolalovan'ny filoha Ravalomanana. Tsapa io raha nanao fitsidihana tany amin'iny faritra atsimon'ny nosy iny ny tenany. Fangatahana nataon'ireo lehiben'ny faritra dimy tany an-toerana, izay tsy nisy nolaviny fa ho azony izay niriany hampandrosoana ny faritra. Raha mahita izany ny maro, dia mba maniry ny hitsidihan'ny filoha ny faritra misy azy ny rehetra. Hita taratra fa misy asa mivaingana vita vetivety isaky ny faritra lalovany. Midika ve izany fa (...)
  • Baolina kitra Malagasy

    Tery ny lalan-kizoran’ny omby masiaka

    mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  519 visites
    Vita ny lalao mandroso, ny miverina sisa fanantenana. Kivy tanteraka ny mpitia baolina kitra Malagasy mahita ny korontan-dava eo amin'ity kitra Malagasy ity. Ekena fa tsy mbola resy isika, fa ny ady sahala lava ity tsy midika ho fahombiazana. Hita taratra aloha hatreto, fa mbola navotan'ny mpitsara hatrany isika, na tany Botswana na tetsy Mahamasina. Toa tsy mahita ny lalan-kivoahana ny mpilalaontsika, ka dia nahilika any amin'ny mpanazatra ny tsy fahombiazana rehetra. Tompon'andraikitra (...)
  • Antoko Fitarikandro

    Tsy mandray ny andraikiny ny FFKM

    mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  423 visites
    Tsy misy hery mijoro ho elanelam-panahy eto, ka izay no hijoroan'ny Fitarikandro. Lalana iray tsy azo hialana anefa io, izay hisoroana ny mety hitrangan'ny disadisa lava eto, ka vonona amin'izany ny antokoko hoy ingahy Ramarokoto Jean Aimé. Tsy maintsy hirosoana haingana ny fametrahana ny fahamarinana sy ny fahamasinana fa tsy atao am-bava fotsiny. Io no lalana ahafahana miara-miasa miaraka fa tsy hanavahana mpanao politika na hery hafa. Raha mbola mitoetra io fanavahana io dia tsy handroso (...)
  • Mafy izany te-ho vazaha

    samedi 14 juin 2008 | Naivo kely |  2044 visites
    Gasy tsy ho vazaha nahoviana. Io no heson-teny ataon'ny maro an'ireo tanora sy antitra te ho vazaha eto amin'ny tanàna. Vao mahita vazaha dia roboka ny gasy. Tsy resa-bola ihany, fa mba mizesta miaraka amin'ny vahiny e ! Na fomba fitafy na fomba firesaka, dia mitomany randrana tsy manendrika ny tena. Lokoina ny volo mba ho mena tahaka ny azy, ary raikitra ny teny vahiny, fa sao mba lasa vozongo hoy ihany izy ireny. Tsy voahaja intsony ny maha-malagasy ny tena. Toa zary henatra ho an'ny hafa (...)
  • Resy indray i Voninahitsy

    Nampiakatra didy fandravana ny mpisolo-vava

    samedi 14 juin 2008 | Naivo kely |  455 visites
    Tsy mahita rirany i Voninahitsy. Resy teo anoloan'ny fitsarana ambony indray ny tenany omaly, ka hampiakatra ny raharaha eo anoloan'ny didy fandravana ny mpisolo vava azy. Didy efa nandrasan'ny rehetra ihany iny fanampahan-kevitry ny fitsarana iny, izay mitazona ilay sazy 4 taona antranomaizina. Firaisana tsikombakomba tamin'ny naha-vaky ny fonjan'Antanimora no niampangana azy. Nisy ny gadra afaka nandositra, ka voalaza fa ny basin'ingahy Voninahitsy no tratra tany aminy. Ny (...)
  • Mahajanga • Fanadinana BEPC 2008

    Misy laza adina miparitaka sahady

    jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  528 visites
    Inona indray ity? Io no fanontaniana mipetraka amin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpianatra ao Mahajanga, raha nahita karazana laza adina BEPC sahady nipariotaka tany antoerana ny alatsinainy sy talata lasa teo. Tsy hay mazava, na laza adiny avy aiza izy io na avy aiza, fa dia roboka nijery sy naka sopapa tamin'io ny ankamaroan'ny ankizy hanala fanadinana BEPC 2008. Dia ho sanatria ve hoy ny mpitazana, dia hisy mpamosavy malemy hamotika ny ho avin'ny ankizy toy ny hita taona vitsy (...)
  • Fizahan-tany eto Madagasikara

    Mahaliana ny vahiny ny vakoka Malagasy

    jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  1457 visites
    Kolokoloy, fa hampiditra vola vahiny betsaka ny vakoka Malagasy. Isan'ny toerana tsara, ary mahaliana ny maro na avy eto antoerana na ny vahiny ireo toerana manan-tantara eto Madagasikara. Raha tsy hiteny afa-tsy ny Rovan'Ambohimanga sy ny rovan'Ambohidratrimo isika. Maro ny vahiny no tonga mitsidika ireny. Mazana anefa dia tsy ampy ny fikolokoloana ireo vakoka malagasy mbola mijoro. Toy izany koa ireo toerana azo tsidihana na hialana voly toy ny eny Mantasoa sy Ampefy, raha ny manodidina (...)
  • Mihetsika ny CRN

    Any Vohemara i Zafy Albert sy ny tariny

    jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  701 visites
    Tsy mijanona hatreo ny tolona. Lasa nitsidika vahoaka any Vohemara indray ny Profesora Zafy Albert, miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny CRN. Fijerena ifony ny fahoriam-bahoaka no anton'izao fitetezam-paritra izao. Efa nandalo tany Sambava ihany koa ry zareo araky ny voalazan'ny mpikambana ao amin'ity CRN ity. Ankoatry io, dia mametraka amin'ny vahoaka izay lalovany izy ireo, ny tokony hirantsika ao anatin'ny fampihavanam-pirenena sy ny rafitra tetezamita. Heno hatrany ny filazan'izy (...)
  • Omeo fialamboly ny vahoaka

    mercredi 11 juin 2008 | Naivo kely |  650 visites
    Kivy ny ankamaroan'ny mpitia baolina kitra raha nandre fa ampahan-dalao valo no azontsika arahina eto Madagasikara eo amin'ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'ny Eoropa. Lalao izay heverina fa hifantohan'ny sain'ny betsaka izy io, ary fialamboly sy fakana lesona ho antsika. Indrisy anefa fa toa lasa anjorom-bala ihany ny fahazoana mivantana ity lalao ity, ka ireo manan-katao afaka manaraka amin'ny "Parabole" sy "Canalsat" ihany no mahazo fahafinaretana. Toa miverina tampoka ao (...)
  • Famoronana asa vaovao

    Vola be ny fako etsy Andralanitra

    mercredi 11 juin 2008 | Naivo kely |  883 visites
    Izay sahy mikaroka no ahita fahombiazana. Toerana iray tsy mahatamana ny mpandalo, fa kosa mamelona olona sahirana maro ny fako etsy Andralanitra. Mponina aman-jatony isan'andro no mivelona eo amin'ireo fako ariana eny an-toerana. 600 ka hatramin'ny 700 taonina no fako ariana isan'andro eny. Midadasika ny toerana, ary efa maro ireo nihevitra fa azo atao tsara ny manangana orinasa eny hanodina ny fako ho lasa zezika ka amidy eto an-toerana na ahondrana any amin'ireo nosy manodidina antsika. (...)

0 | ... | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS