::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h55  :  14°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 2 septembre 2010
 

 > Teny zato, kabary arivo

Mafy izany te-ho vazaha

samedi 14 juin 2008, par Naivo kely

Gasy tsy ho vazaha nahoviana. Io no heson-teny ataon’ny maro an’ireo tanora sy antitra te ho vazaha eto amin’ny tanàna. Vao mahita vazaha dia roboka ny gasy. Tsy resa-bola ihany, fa mba mizesta miaraka amin’ny vahiny e ! Na fomba fitafy na fomba firesaka, dia mitomany randrana tsy manendrika ny tena. Lokoina ny volo mba ho mena tahaka ny azy, ary raikitra ny teny vahiny, fa sao mba lasa vozongo hoy ihany izy ireny. Tsy voahaja intsony ny maha-malagasy ny tena. Toa zary henatra ho an’ny hafa izay mampiasa ny tenindrazana izany, indrindra fa rehefa vory vahoaka. Hatramin’ny zaza vao miahanatra mibada, dia tsy ny tenim-pireneny no ampianarina azy fa ny an’ny razamben’ny hafa. Ny mahagaga anefa, dia faly ery isika rehefa mahita vahiny miteny gasy, na dia manao manahoana fotsiny aza. Tehaka tsy misy toy izany. Ny hafa aza manome vahana ny antsika, fa isika kosa mba ahoana ? Tsy midika io fa tsy tokony hianatra ny fomba amam-panaon’ny vahiny isika, fa ny soa-toavina Malagasy kosa hajao.

Ho gaga ve isika raha mahita lahiantitra mamiraviravy ny zazavavy malagasy kely, satria isika koa mazana no mila raharaha. Ny vahiny ve mba mitomany ho gasy. Samia mieritreritra fa tsy ho vazaha rahoviana ianao.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

mai 2008   juin 2008   juillet 2008
L Ma Me J V S D
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 254  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360