Madagascar Tribune | Tsy vitan'ny JIRAMA ny asany
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Tsy vitan’ny JIRAMA ny asany

jeudi 17 juillet 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Ela ny ela tonga ihany ny faktioran’ny JIRAMA. Arahaba hafa kely anefa no natolony ny mpanjifa raha nitety tokantrano ry zalahy. Hanapaka ny jiro sy rano izahay, satria tsy mbola nahaloa ny faktiora volana Mey ianareo. Ny faktiora volana jona anefa no zarainy isan-tokantrano amin’io. Gaga anefa ny maro nahitana izany, satria ny grevy nataon-dry zalahy sy zavavy ireo no antony tsy nahavitany ny asany antsakany sy andavany. Alaivo any amin’ny masoivohon’ny Jirama ny faktioranareo, dia aloavy ny vola, fa raha tsy izany tapahanay io.

Tsy misy fifanajana intsony ataon’izy ireo ny mpanjifa, fa manao izay saim-patany ireto mpiasan’ny Jirama ireto. Ny vahoaka indray izany no tadiaviny hanao ny asany.

Izao fomba fiasa izao ve no hitoman’izy ireo ny tombontsoa maro amin’ny sehatra hiasany ?

Tsy ho diso angamaba ny maro raha hilaza, fa hanjakazakan’ny hafa ny fananam-bahoaka toy ity Jirama ity. Izao ve no fanomezana kalitao tsara ny mpanjifa. Mila fiheverana fa mampijaly ny mpiara-belona ny Jirama.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    juillet 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30 31      
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP