Madagascar Tribune | Tsy re tsaika
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Tsy re tsaika

lundi 14 juillet 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=
Ho hamafisana ny sehatry ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Isan’ny nivoitra tao anatin’ilay atrik’asa teny Ivato ny herinandro teo izany, mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny firenena manontolo. Tsy hidirana hatramin’ny antsipirihiny izay tetika ho ataon’ireo sehatra telo, dia ny polisy, tafika ary zandary ho atao, fa ny maika aloha izao, dia ny fomba tsy hiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika intsony. Hiarahana mahalala, fa ny andian-jiolahy sy dahalo no tena mahazo vahana eto. Iza no tena mamatsy azy ireny ? Mazava ho azy fa tsy maintsy misy fiaviany avokoa itony fitaovam-piadiana miparitaka eran’ny tanana itony. Ny basy vita gasy hatrany no hambara fa nampiasain’ireny olon-dratsy ireny. Mazana dia voatifitra ka maty ilay olona ary tsy fantatra izay niavian’ny fitaovana. Hoa n’ireo fitaovana mahery vaika tratra kosa, dia efa voakosoka ny marika amin’ilay izy. Raha tena miainga ifotony anefa ny fanadihadiana momba io fitaovana io ho fantra ihany ny nivoahany. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy fanazavana marim-pototra nahalalana izay nivoahan’ireny basy fampihorohoroana ataon’ny jiolahy ireny. Tsy re tsaika nandritra ny fivoriana ihany koa ny tena mpamatsy ireo jiolahy. Tsy natao hanamelohana sehatra isan-karazany ny toy izao, fa kosa mbola mila ezaka goavana ny sehatry ny fandriam-pahalemana eto. Raha tsy tafita io tsy asa fampandrosoana ho vanona eto. Soa aloha fa efa mba maro ireo mpanafika sy ny mpiray tetika no tratra, ary antenaina fa ho fongotra hatramin’ny farany ireny ratsy ireny, taorian’iny dinika teny Ivato nandritra ny telo andro iny.
   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    juillet 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30 31      
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP