Ampanefena-Vohémar
Sekoly tsy miankina iray no nisy nandoro
mercredi 23 janvier 2008 |
| 328 visites
Tato ho ato dia nahazo vahana ny herisetra tao amin’ny kaominina Ampanefena, ao anati’nny distrikan’i Vohémar. Tamin’ny alin’ny sabotsy lasa teo dia sekoly iray tsy miankina amin’ny fanjakana no lasibatry ny olon-dratsy. Nisy nandoro mantsy ity sekoly fanabeazana fototra ity, tamin’ny 10 ora sy sasany alina tany ho any, tao amin’ny fokontanin’i Befandriana, 3 km miala ny tampon-tanànan’Ampanefena.
Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia vita amin’ny volotsangana ity sekoly tsy miankina « Meva » (...)