Tato ho ato dia nahazo vahana ny herisetra tao amin’ny kaominina Ampanefena, ao anati’nny distrikan’i Vohémar. Tamin’ny alin’ny sabotsy lasa teo dia sekoly iray tsy miankina amin’ny fanjakana no lasibatry ny olon-dratsy. Nisy nandoro mantsy ity sekoly fanabeazana fototra ity, tamin’ny 10 ora sy sasany alina tany ho any, tao amin’ny fokontanin’i Befandriana, 3 km miala ny tampon-tanànan’Ampanefena.
Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia vita amin’ny volotsangana ity sekoly tsy miankina « Meva » nisy nandoro ity. Soa fa nalady tsikaritry ny fokonolona ny afo. Nirefodrefotra toy ireny poa-basy ireny mantsy ireo volotsangana nony may ka izay no nanaitra ny fokonolona. Nirotsaka an-tsehatra tamin’ny famonoana ny afo ny fokonolona ka nalady maty ny afo. Efitra iray no kila tanteraka ary ireo efitra hafa kosa mba tsy voakasiky ny afo.
Andro vitsy talohan’ity doro sekoly ity dia nisy olona iray maty novonoin’ny jiolahy tao amin’ny tanànan’i Befandriana. Amin’izao fotoana izao dia mandry tsy lavo loha ny vahoaka noho izany toe-javatra izany. Efa manao ny fikarohana ireo heverina ho nahavanon-doza moa ny mpitandro filaminana any an-toerana.