Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 9 décembre 2023
Antananarivo | 02h32
 

Malagasy

Raharaha CEG Ivohitra -Antsirabe

Fanovana ny biraon’ny FRAM no vahaolana

mercredi 23 janvier 2008 | Princia R.

Miteraka resa-be ankehitriny ny raharaha ao amin’ny CEG Ivohitra Antsirabe, raha ny marina dia ny olana ara-bola ao amin’ny fitantanan’ny FRAM ary tsy fantatra be ihany izay tena filoha. Manoloana ny zava-nitranga dia nanambara ny lehiben’ny farimpiadidim-pampianarana Antsirabe I (CISCO Abe I) Atoa Rakotobe Jeannot Eric fa ny fananganana birao vaovao ara-dalàna no Vahaolana haingana amin’ity raharaha ity, Nambarany ihany koa fa ny olona rehetra manana-janaka mianatra ao amina sekoly iray dia tokony- hiditra ho FRAM ary afaka malalaka ho fidiana birao fa izany rehetra izany dia tokony hanaraka ny ara-dalàna . Tsara ihany koa hoy ihany ny chef – CISCO ny manamarika fa tsy tokony hiditra amin’ny raharahan’ny FRAM na ny mpampianatra na ny mpandraharaha na ny tale ao an-tsekoly ; fa ny anjaran’ny tale dia manolotra ny vinavinan’asa tokony ho atao eo an-tsekoly amin’ny biraon’ny FRAM.

Hatramin’izay mantsy raha nitsangana ny biraon’ny FRAM dia tsy nisy ny ara-dalàna na ny famindram-pahefana aza tsy mbola nisy akory. Amin’izao fotoana izao ary dia olona roa no samy mitono-tena ho filoha : ny iray Ray aman-drenin’ny mpianatra sady mpampianatra ny iray kosa mpanara-maso ny vola ao amin’ny FRAM no mbola milaza ho filoha ihany koa. Sahiran-tsaina noho izany ny Ray aman-drenin’ny mpianatra noho ny volan’izy ireo ratsy tantana. Hatreto aloha dia mbola tsy dia hitan’ireo Ray aman-dreny ny nampiasana ny volan’ny FRAM ankoatran’ny karaman’ny Mpiambina ny vola anefa aloa ihany ny 5000 Ar isan-taona ary manodidina ny 1280 ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao an-tsekoly. Raha ny hita aloha dia ratsy dia ratsy ny sekoly tsy mba nisy ny fanamboarana.

Efa nisy ny fangatahana natao eny anivon’ny fahefana mahefa amin’ny fanaraha-maso ny fomba fitantanam-bola eo anivon’ny FRAM ary efa an-dalan’izany amin’izao fotoana izao. Ny mpampianatra ao an-tsekoly moa dia voakitikitika amin’izao raharaha izao, no izy ireo lazaina fa mitady hitantana ny volanny FRAM ka izay no anton’ny fanambarana.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS