Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 octobre 2025
Antananarivo | 14h46
 

Répondre à un commentaire

4 octobre à 10:53 | Vohitra (#7654)

Mbola vory saina sy tomady ihany ve ?

Mbola tompon’ny tenany sy mahafehy ny teny aloaky ny lela ihany ve ?

Mipetraka sy mitoetra amim-paharetana ny fanontaniana manoloana ny zavamisy eto amin’ny Firenena ankehitriny, ny Firenena izay efa tena ambavahaona amin’ny kizo fara sy ny fahalavoana tanteraka.

Fa inona moa no tena olana mafy sy mangidy mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny e ? Mbola ilaina ho tsaihivina ihany ve ?

Hofintinina fohy ary izany :
Asa fihariana tsy misy na tsy zarizary, karama tsy hahafahana mihazona ny maha olona, filana fototra tsy voahaja sy tsy misy miantsoroka andraikitra (jiro, rano, filaminana, fanabeazana, fahasalamana), fahalalahana voahosy, demokrasia tandrametaka, ary... kolikoly sy halatra mihanaka indrindra ny lainga sy fanabadoana saimbahoaka.

Ireo no olana marary ny vahoaka sy miteraka krizy tsy ankiato io.

Dia inona no idiran’ny resaka hoe « robot » na koa « hery vahiny » amin’izao olana mianjady hita maso sy tsapa miharihary izao ?

Ny vahoaka anie no mijaly sy fadiranovana fa tsy izay « robot » na koa hoe « vahiny sy fikambanana vahiny » e !

Ary ny vahoaka ve raha mijaly sy maneho hevitra dia lazaina fa misy hery vahiny manosika ao afara ao ?

Hoy aho eto ampamaranana :
Ianareo tandapa tsy vanona sy tsy valahara ao anaty lapa ao aza mampidi-kizo ny Firenena ka manosika ity olona votsabe tsy sakaizan’ny penina sy ny fahalalana ity hiteny izay tsy voafehiny sy tsy zakan’ny lohany sy ny sainy akory !

Robot, cyber attaque, belladone, datura, ennemis étrangers...jet d’eau, fly over, palais de congrès...

Fa maninona no misangy sy manadroadro ity votsabe ity e ?

Ho anareo Gen Z indray :
Ny tanjona dia ny hamoahana ilay omby tondraka izay manimba ny volim-bahoaka eo amin’ny tanimboly Io. Mosary ny vahoaka raha avela eo io omby tondraka Io.

Tsy efan’irery ny mamoaka io omby io nefa...aza adino fa omby manoto io, masiaka sy tsy voafolaka. Mila miarahaba mientana ny mpiara-belona rehetra mandroaka io omby tondraka Io.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}