Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 juin 2026
Antananarivo | 17h50
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Misaona ny asa fanaovan-gazety

    Maty i mompera Remi Ralibera

    samedi 22 novembre 2008 | Penjy R. |  3511 visites
    Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany omaly maraina tamin'ny 10 ny mompera Remi Ralibera. Tetsy amin'ny hopitaly Policlynique Ankadifotsy izy no nolazoin'ny aretina nandritra ny andro maro, ka izao namoizany ny ainy izao. Ny 15 Aogositra teo no nankalaza ny faha-50 taona naha-pretra azy ny tenany. Ny nahafatarana betsaka azy dia tao amin'ny lakroan'i Madagasikara. Efa filohan'ny holafitry ny mpanao gazety teto Madagasikara i mompera. Nanana ny andraikitra lehibe teo anivon'ny FFKM izy. Tsy (…)
  • Antenimieram-pirenena

    Hajaina ny zon’ny mpiasa

    vendredi 21 novembre 2008 | Penjy R. |  843 visites
    Mitohy ny fandroahana mpiasa etsy Tsimbazaza. Omena ny zo sahaza azy ireo mpiasa ireo. Tsy manaiky lembenana ny mpiasa etsy ankilany, satria famotehana ny mpiasa Mlagasy ny tahaka izao. Mbola mitazana ny sendika misy ireto mpiasa ireto hatramin'izao. Miitatra hatrany amin'ny fandroahana ireo lohandohan'ny mpiasa mitarika fitokonana ny raharaha. Sahiran-tsaina ny mpiasa eo anatrehan'izany. 200 mahery ireo mpiasa efa noesorina. Tsy izay tombontsoa fanome ny mpiasa esorina no olana hoy ny (…)
  • Milatsaka ny orana

    Dibo-drano ny tanàna

    jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R. |  1058 visites
    Io ary ilay efa nolazaina. Feno rano ny arabe sy lakan-drano maro isan-karazany. Miakatra ny loto, satria tsentsina ny tatatra. Miangona ny fako, ary maloto ny tanàna. Efa maro ny fanairana natao, saingy toa tsy naha-taitra ny hafa. Mitohana ny fifamoivoizana. Mety hisy hilaza fa izay foana anie no teto e. Marina izany, fa tsy mba misy fandrosoana ve fa ny oimaly tsy miova ihany no hita eto? Inona no mba fepetra noraisina manoloana ny loto ataon'ny vahoaka manentsina ny tatatra? Toa tsy mba (…)
  • Olan’ny lahy sy ny vavy

    Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana

    jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R. |  3861 visites
    zay tia adala. Toa tsy mitombina intsony io ankehitriny, fa ny hita dia ny vola no maha-tokantrano. Fiainana tsy misy vola izany tokoa inona no hiafarany ? Raha mahita ny fomba fiainan'ny Malagasy ankehitriny tokoa, dia manjaka io vola io, ka na tsy mifanahatsahana aza ny endrika amam-bika sy taona eo amin'ny lahy sy ny vavy dia lasa izao. Ny vola no mibaiko. Raha ny atotan-taratasy fisaraham-panambadiana eny amin'ny fitsarana, dia hita fa ny vavy no maro mangataka io fisarahana io. Ny (…)
  • Mpanohitra sy Ravalomanana

    Te-hiresaka fa matikena-maso

    mercredi 19 novembre 2008 | Penjy R. |  1128 visites
    Mbola miantso ny mpanohitra hatrany ny filoha Ravalomanana omaly teny Iavoloha. Henohy ny feon'izy ireo, ary aoka mba hifantoka tanteraka any amin'ny tena fampandrosoana ny resaka. Antso izay miantefa mivantana any amin'ny mpitondra ankehitriny, ny tsy hanavahana firehena amin'ny famoahan-kevitra mandritra ny loabary an-dasy eny Iavoloha io. Raha ny hita anefa, dia tsy nisy tonga teny amin'iny lapa io ny mpanohitra rehetra. Ny Otrikafo aza dia namaly fa tsy hanamafy ny fahefan'ny vahiny (…)
  • Dian’ny filoha Ravalomanana tany ivelany

    Homamiadana ny fery tsy sitrana 5 taona

    mardi 18 novembre 2008 | Penjy R. |  1651 visites
    Tonga avy any ivelany indrayny filoha Ravalomanana. Tsara ny diha hoy izy, ary maro ny firenena vahiny vonona hanampy an'i Madagasikara. Hiatrika ny loa-bary an-dasy etsy avoloha isika hoy ny filoha Ravalomanana, ka anjaran'ny rehetra ny mandinika sy mandritra ny asa tokony hanarenana ny firenena. Nomeny tsiny kosa ny fandrenesana ny tsy handraisan'ny mpanohitra anjara amin'ny laha-dinika manomboka anio eny Iavoloha. Toy izany koa ny momba ny lonilony misy eo amin'ny mpanohitra momba ny (…)
  • Mpanao politikan’Imerina

    Inona no nivorian’izy ireo teny Antsahadinta ?

    lundi 17 novembre 2008 | Penjy R. |  2643 visites
    Taitra ny Merina. Tsy ny Merina manontolo fa ireo mpanao politika eto amin'ny tanàna no tonga saina ka nanambatra ny heriny. Nahilik'izy ireo tamin'ity fikambanana ity kosa ireo mpanao politika tao amin'ny Arema teo aloha toa an-dry Harinaivo Rasamoelina sy ry Ange Andrianarisoa na dia samy avy eto afovoan-tany aza. Zanaka ben'ny tanàna teo aloha sy zanaka pasitera efa nitana andraikitra goavana tamin'ny fitondrana teo aloha, miampy vehivahy mpandraharaha tanora nilatsaka filoham-pirenena (…)
  • Raharaha 2002

    Ho avy ireo nitsoam-ponenana ?

    samedi 15 novembre 2008 | Penjy R. |  2554 visites
    Efa ela no naniry hiverina eto Madagasikara ireo nitsoam-ponenana any ivelany momba ny raharaha 2002. Tsy mbola nety anefa ny tetika, satria ingahy Pierrot Rajaonarivelo aza tsy tafiditra. Niraraka ny ivin'ny sasany any an-dafy raha nalalaka ny fidiran'i Rossy teto. Rossy izay noheverin'ny maro, fa ho raisim-potsiny raha vao migadona eto Madagasikara. Ny mifanohitra amin'izay anefa no hita, satria tsy mba isan'ireo nametraka herisetra tamin'ireny raharaha nafana teto Madagasikara farany (…)
  • Norbert Lala Ratsirahonana

    Mandinika vao mandray fepetra

    vendredi 14 novembre 2008 | Penjy R. |  1198 visites
    Tsy re firy ny tenako amin'ny fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena. Antony, dia mitazana ny fomba fiasan'ny fitondrana aho. Eo no hitsaranay ny asa vitany. Ilaina ny mangina, sao hambara fa mamingana ny fandaharan'asan'ny fanjakana. Aorian'ny fahitana ny asa nataon'ny mpitondra vao manapaka hevitra. Io no nambaran'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana omaly raha sendra ny mpanao gazety. Tsy mba fomban'ny antoko misy anay ny mitabataba mialoha, nefa ny ilay olona mbola eo an-dàlam-piasany. (…)
  • Asan-jiolahy etsy sy eroa

    Manjaka ny basy vita gasy

    jeudi 13 novembre 2008 | Penjy R. |  792 visites
    Mahazo vahana indray ankehitriny ny basy vita gasy ampiasain'ireo andian-jiolahy maro eto amintsika. Porofon'io ny fahitana ireo olon-dratsy voatifitry ny mpitandro ny filaminana ahiatana itony basy vita gasy itony. Mihorohoro ny mponina, satria ankoatry ny fitaovam-piadiana mahery vaika izay ampiasain'ireo olon-dratsy, dia ity fitaovana vita gasy ity indray no eny ambalahan'ireto olon-dratsy. Maro no efa tratra, saingy mbola misy ny mampiasa izany. Tambazotra goavana noho izany no fantatra (…)
  • Amboanjobe

    Lavitry ny rano fisotro madio

    jeudi 13 novembre 2008 | Penjy R. |  445 visites
    Tao anatin'ny andro maro izay, dia miaina amin'ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ny mponina eny Amboanjobe. "Masiso izahay vahoaka, satria na ny rano entina mba hidiovana aza tsy misy". Efa maro ny fitarainana nalefana eto amin'ny kaominina Amboanjobe nalefa any amin'ny JIRAMA, saingy toa tsy nisy valiny hatrany izany. Tao anatin'ny herinandro izay dia nandeha nandritra ny 24 ora ny rano, saingy mitsitaitaika ny fandehan'io. Zara raha nisy rano ho sotroina. Avy eo indray, dia tapaka (…)
  • Ady amin’ny kere

    Be ny tany, fa ny mpamboly no tsy ampy

    mardi 11 novembre 2008 | Penjy R. |  538 visites
    Midadasika i Madagasikara. Mbola ny 25% ny tany azo volena ihany anefa no misy mamboly. Antony maro no mahatonga izany, dia ny tsy fisian'ny fikarakarana manokana ireny tany ireny, toy ny fanamboarana ny lakan-drano hanondraka ny velaran-tany. Io trangan-javatra iray io no mahatonga ny tantsaha hitady fivelomana hafa, ka ny fiakarana antanàn-dehibe no masaka ao an-tsaina. Raha ireo mbola manajary ny tany kosa, dia tsy mitombo ny velaran'ny tany volena, fa ny fiheverana ny hampitombo ny (…)
  • Fiarovana ny omby gasy

    Ampidiro amin’ny rafim-panabeazana

    lundi 10 novembre 2008 | Penjy R. |  996 visites
    Telo andro no naharetan'ny fampirantiana momba ny tantaran'ny omby gasy tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Telo andro nampahafantarana ny olona nitsidika tao ny maha-harena ity omby gasy ity. Fikarohana manokana momba ny omby gasy no nataon'ny profesora Tsiavaliky Celestin manerana ny nosy. Isan'io ny momba ny volon'omby sy ny fomba fiteny isam-paritra entina hanononana ireny volon'omby ireny. Voalaza fa dimy fotsiny ireo renin'ny volon'omby gasy eto amintsika izay nahazoana (…)
  • Kaominina andrenivohitra

    Manomboka anio ny sazy

    lundi 10 novembre 2008 | Penjy R. |  878 visites
    Tsy andeferana intsony ireo miniha mandika ny fepetra napetraka. Io no nambaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny polisy kaominaly eto amin'ny tanana, satria ampy izay ny filazana ny tokony hanajana ny lalana isan-karazany. Momba ny fipetrahan'ireo mpivarotra fiara etsy Analakely sy ireo mpanamboatra finday io. Hanao be midina eny amin'io faritra Analakely io ny mpiasan'ny kaominina anio maraina. Ho raofina avy hatrany ireo fiara mbola mijanona eny amin'ireo fariotra natokana hanaovana (…)
  • Jeneraly Razakarimanana

    Omeo fanabeazana ny vahoaka

    samedi 8 novembre 2008 | Penjy R. |  695 visites
    "Aleo ho an'ny mpanao politika ny politika, ary ny mpandraharaha tokony hipetraka any amin'ny anjara asany. Raha io no tanteraka, dia vetivety dia ho tafavoaka ity firenena ity". Fanambaran'ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand io manoloana ny fifidianana niseho tany Etazonia farany teo. Ny demokraty sy ny repoblikana, dia nahay nijery ny tombontsoa iraisana ho an'ny fireneny. Nametraka ny adilahy politika, izay tsy fahita any. Tsy toy izay kosa anefa ny eto, satria tsy voapetraka amin'ny (…)
  • Ralison Roger sy ny PRM

    Misy manolo-bato mafana i Ravalomanana

    mardi 4 novembre 2008 | Penjy R. |  1186 visites
    Aoka ny tena marina no hambara amin'ny filoham-pirenena, fa tsy hotoroana vohana izy. Fanazavana nentin'ingahy Ralison Roger tao amin'ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo. Tsapa fa betsaka ny resaka azo hifandinihana nefa toa tsy ahitana izany firy ireo olona manodidina azy. Fotoana ilana ny fikaonan-doha izao, satria sao dia tara loatra. Ampetraho hanana ny toerany ireo manam-pahaizana Malagasy. Tsy ho voatery ny vahiny hatrany no hanana ny anjara-toerana amin'izany eto amintsika. Omeo (…)
  • Manjakazaka

    vendredi 31 octobre 2008 | Penjy R. |  1184 visites
    Raikitra izany, fa ny fanjakana no hanafatra solika any ivelany. Tsy hisian'ny fanararaotana eo amin'ireo kaompania mpanafatra solika no anton'io. Fantatry ny rehetra tokoa fa na dia efa tafidina hatrany amin'ny 60 dolara aza ny vidin'ny solika, dia mbola mitazona ny vidiny ambony ihany ny eto amintsika. Fanararaotana tsy misy tahaka izany hoy ny mpitazana, ka rariny raha mandray fepetra hentitra ny fanjakana. Tsy tokony ny vidin'ny solika ihany anefa no hakana fepetra toy izao, fa izay (…)
  • Raharaha 1947

    Tsy manaiky lembenana ny zoky olona

    vendredi 31 octobre 2008 | Penjy R. |  783 visites
    Tsy maintsy aseho ny marina momba ny tolona 1947. Io no niadian-kevitra tetsy amin'ny tranom-pokonolona Analakely omaly maraina. Ny fikambanan'ny mpanao gazety zoky olona sy ireo taranaky ny MDRM no nitarika ny fotoana. Mahakasika ny fitsarana ny volana Oktobra 1948 ho an'ireo nigadra sy namoy ny ainy, momba ny vono moka 29 mars dia isan'ny lahadinika tao. Maro ireo nijoro vavolombelona momba iny raharaha iny, ary ny hametrahana ireny tantara ireny ho voarakitra anaty boky ny tanjon'ny maro. (…)
  • Tany lonaka

    jeudi 30 octobre 2008 | Penjy R. |  694 visites
    Tsy kivy tsy ketraka ny mpitondra fanjakana eto amintsika, manoloana izay krizy mety hitranga. Zakan'ny hafa ve tsy ho zakantsika, nefa mihoitra hatrany raha mbola misy ny azo atao. Ny famokarana amin'ny lafiny maro no tanjona. Ambetin-dresaky ny mpitondra eto amintsika io. Mamokatra sakafo maro isan-karazany i Madagasikara. Voalaza fa nitombo avo roa heny ny voly toy ny vary sy ny apemba izay mamokatra in'efatra ao anatin'ny taona iray. Manana ny ampy i Madagasikara raha eo amin'ny lafiny (…)
  • Atombohy ny asa

    mardi 28 octobre 2008 | Penjy R. |  602 visites
    Tsy ho diso isika raha manomboka mifantoka any amin'ilay fivoriana atao eto mandritra ny roa taona ny resaka. Fivoriana izay hanokatra ny làlan'i Madagasikara eo amin'izao tontolo izao. Ny fomba amam-panaontsika no tena ahasarika na tsia ny vahiny. Midika izany fa ny kolontsaina Malagasy no andeha omena lanja lehibe. Manana andraikitra goavana amin'io ny ministeran'ny Kolontsaina. Tsy tambo hisaina io kolontsaina mampiavaka antsika io, ary mila trandrahana dien'izao, mba tsy ho sanatria (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}