Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 16 mai 2024
Antananarivo | 15h16
 

Malagasy

Raharaha 2002

Ho avy ireo nitsoam-ponenana ?

samedi 15 novembre 2008 |  2431 visites  | Penjy R.

Efa ela no naniry hiverina eto Madagasikara ireo nitsoam-ponenana any ivelany momba ny raharaha 2002. Tsy mbola nety anefa ny tetika, satria ingahy Pierrot Rajaonarivelo aza tsy tafiditra. Niraraka ny ivin’ny sasany any an-dafy raha nalalaka ny fidiran’i Rossy teto. Rossy izay noheverin’ny maro, fa ho raisim-potsiny raha vao migadona eto Madagasikara. Ny mifanohitra amin’izay anefa no hita, satria tsy mba isan’ireo nametraka herisetra tamin’ireny raharaha nafana teto Madagasikara farany ireny ny tenany. Mitohy ny mozika mafana ataon’ity mpanan-kanto ity, ary maro no faly amin’ny fahitana azy eto an-tanindrazana indray.
Mandeha ny feo fa hiverina eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha. Ny fahasahiany hanao izany no tsy fantatra. Tsapa kosa anefa fa sahy hisedra ny fonja toy ireo namany teo aloha izay mbola tavela any ivelany.

Mbola betsaka ireo nandositra

Maro amin’izy ireo mantsy no mihevitra fa tsy maintsy handalo amin’io toeram-piofanan’ny mpanao politika malagasy izy ireo rehefa miverina eto. Fomba iray hanomezana endrika ny fitondrana Malagasy ihany koa ny toy izao. Ny antony, dia hanakoako eran’izao tontolo izao, fa nahiditra am-ponja avokoa ireo Malagasy tsy nitovy hevitra tamin’ny taona 2002.
Hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fandraisana ny fivoriana iraisam-pirenena ho atao eto io. Mety hampihemotra ny firenena hafa satria ho voalaza fa tany tsy mandala ny demokrasia i Madagasikara. Maro ireo anaran’olona mbola tavela any ivelany. Isan’io ny filoha teo aloha ny amiraly Ratsikaraka sy ny vady aman-janany. Ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo, izay efa nogadraina teto, ary nalefa nitsabo tena any ivelany. Ny Praiministra lefitra teo aloha Pierrot Rajaonarivelo. Lalatiana Ravololomanana, Herivelona Ramanantsoa, sy ny maro samy hafa. Raha hamitram-pihavanana ve no ahatongavany eto, hanaiky izany ve izao fitondrana izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS