Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 01h25
 

Malagasy

Raharaha 1947

Tsy manaiky lembenana ny zoky olona

vendredi 31 octobre 2008 | Penjy R.

Tsy maintsy aseho ny marina momba ny tolona 1947. Io no niadian-kevitra tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely omaly maraina. Ny fikambanan’ny mpanao gazety zoky olona sy ireo taranaky ny MDRM no nitarika ny fotoana.
Mahakasika ny fitsarana ny volana Oktobra 1948 ho an’ireo nigadra sy namoy ny ainy, momba ny vono moka 29 mars dia isan’ny lahadinika tao. Maro ireo nijoro vavolombelona momba iny raharaha iny, ary ny hametrahana ireny tantara ireny ho voarakitra anaty boky ny tanjon’ny maro. Mbola lavitra anefa ny ezaka ho amin’ity fikasana hamoaka boky ity, fa ny maika dia ny hametrahana ny datin’ny 29 mars ho androm-pisaonana, fa tsy hanaovana lanonana maro samy hafa. Nitarika ny fotoana teny antoerana, ingahy Rakotondrasoava George sy ingahy Rajaonah.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS