Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 16 mai 2024
Antananarivo | 17h18
 

Malagasy

Fiarovana ny omby gasy

Ampidiro amin’ny rafim-panabeazana

lundi 10 novembre 2008 |  853 visites  | Penjy R.

Telo andro no naharetan’ny fampirantiana momba ny tantaran’ny omby gasy tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Telo andro nampahafantarana ny olona nitsidika tao ny maha-harena ity omby gasy ity.

Fikarohana manokana momba ny omby gasy no nataon’ny profesora Tsiavaliky Celestin manerana ny nosy. Isan’io ny momba ny volon’omby sy ny fomba fiteny isam-paritra entina hanononana ireny volon’omby ireny. Voalaza fa dimy fotsiny ireo renin’ny volon’omby gasy eto amintsika izay nahazoana karazana volon’omby miisa 81 samihafa. Fotsy, mena, mainty, mavo, ary manga.

Tsetsatsetra tsy aritra no hilazan’ireo mpanisa omby, na mpanaramaso ny bokin’omby sy ny tompon’omby milaza fa mainty io fa tsy tsy manga, na hoe manga io fa tsy maintso. Isan’ny fanazavana hita tetsy amin’ny tahala rarihasina io ny faran’ny herinandro teo. Mangataka ny hampidirana ny tantaran’ny omby gasy ho ao amin’ny rafim-pampianarana eto Madagasikara ity mpikaroka ity. Ho avy ihany koa ny fandraisana ireo vahiny maro be ny taona ho avy izao. Maniry ny hisian’ny fampiratiana momba ny omby gasy ho fantatry ny vahiny, fa tsy sanatria ny omby vahiny no omena vahana eto. Ny taona ho avy iny ny hanohy ny andiany manaraka momba ny Olympiade 2009 ireto mpikaroka ireto. Momba ny omby gasy hatrany ity hetsika ity, satria sady harena no kolontsaina ity biby ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS