Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 17 mai 2024
Antananarivo | 01h38
 

Malagasy

Ralison Roger sy ny PRM

Misy manolo-bato mafana i Ravalomanana

mardi 4 novembre 2008 |  1051 visites  | Penjy R.

Aoka ny tena marina no hambara amin’ny filoham-pirenena, fa tsy hotoroana vohana izy. Fanazavana nentin’ingahy Ralison Roger tao amin’ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo. Tsapa fa betsaka ny resaka azo hifandinihana nefa toa tsy ahitana izany firy ireo olona manodidina azy.

Fotoana ilana ny fikaonan-doha izao, satria sao dia tara loatra. Ampetraho hanana ny toerany ireo manam-pahaizana Malagasy. Tsy ho voatery ny vahiny hatrany no hanana ny anjara-toerana amin’izany eto amintsika. Omeo vahana ny mpandraharaha Malagasy. Aoka hitoetra ilay politikan’ny filoha Tsiranana tany aloha momba ny politikan’ny kibo. Tsy hita intsony eto Madagasikara, nefa ny resaka sosialy sy ny fandriam-pahalemana ary ny fahasalamana no tokony hibahan-toerana eto. Io no lalana iray afahana manala ny vahoaka amin’izao fahantrana izao. Momba ilay fivorian’ny vondrona Afrikana amin’ny herintaona sy ny Frakaofaonia ny taona 2010 kosa, dia lalana iray afahan’izao tontolo izao mahalala an’i Madagasikara io hoy Ralison Roger. Midika izany fa tokony hiomana dien’izao ny fandraisana azy ireo. Ny manitikitika ny maro fotsiny, dia ny hoe ohatrinona ny volam-panjakana ho lany amin’io. Sao dia afahana manala ny vahoaka amin’ny ngidin’ny fahantrana izany vola izany ?
Handroso soson-kevitra hatrany ny PRM hoy ity filohany ity, ary tsy hanitsy raha mahita lesoka. Mpanohitra izy ireo, saingy tsy miray lalana amin’ireto mpanohitra eto amintsika, satria ny fomba fanoherana no samy manana ny azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS