Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 juin 2026
Antananarivo | 12h38
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • ROTARY Club Ainga Antananarivo

    Hitohy ny tetik’asa « Asako rahampitso »

    samedi 5 avril 2008 | Hery A. |  467 visites
    Mitohy ny asa sosialy sahanin’ny fikambanana « ROTARY club Ainga Antananarivo » ka hiditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « Asako rahampitso » ny fikambanana. Hetsika manokana hanampiana ny mpianatra eny amin’ny lycée izy ity ka ny tanjona dia hanokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny tsenan’ny asa. Ny fikambanana ROTARY no hiantoka ny mpanabe hitondra ny fanazavana ka ao anatin’ny ora fianarana no hakàna ora iray hanatanterahana ny fampianarana. Ireo lycée miisa 7 eto (…)
  • Mampihinana maloto

    jeudi 3 avril 2008 | Hery A. |  1180 visites
    Miparitaka eto an-drenivohitra indray ny trondro maloto amin’izao fotoana izao. Saika ny faritra rehetra, na mihaja na tsia no ahitana ireny trondro ireny. Azo antoka avy hatrany fa tena maloto ireo trondro, indrindra izay tetsy Anosibe omaly izay. Itangoronan’ny lalimanga ny entana. Tsy miafina ny maha trondro maloto azy, ampian’ny filazan’ny mpivarotra hoe trondron’Itasy sy Ambatondrazaka io. Tsara anefa ny mamaritra fa ny trondro avy any Itasy sy Alaotra dia miavaka. Tsy misy trondro (…)
  • Antongo

    Nosamborina ny ben’ny tanàna

    jeudi 3 avril 2008 | Hery A. |  806 visites
    Banga iray ny mpifidy vaventy amin’ny fametrahana loholona hatao atsy ho atsy. Naiditra am-ponja tamin’ny talata hariva teo mantsy ny ben’ny tananan’Antongo, anatin’ny distrikan’ny Morombe. Araka ny vaovao azo dia fampiasana ny dina tsy nankatoavin’ny fanjakana sy ny fitsarana no maha voarohirohy ity ben’ny tanana ity. Etsy andaniny anefa dia nanambara ny mpiahy ny TIM any an-toerana fa bengy an’ity ben’ny tanana ity ihany no nisy nangalatra ary nampiharana ny dina. Tsy mijanona eo ny (…)
  • « 4MIS » eto an-drenivohitra

    Tsy mahafoy ny dabam-pakon’Antananarivo

    mardi 1er avril 2008 | Hery A. |  804 visites
    Nalaza ny hetsiky ny kaominina Antananarivo renivohitra teo amin’ny fanangonana ireo olona mpatory an-dalam-be teto an-drenivohitra. Indroa miantoana no nanaovana ny hetsika, ka olona mahantra an-jatony no noraofina. Tsy nampilazàna moa izy ireo, sao dia miafina ka tratran’ny sarika am-pandriana ny ankamaroany. Nentina teny Anosizato ka tezaina amin’ny akany mandritra ny 21 andro. Arakaraka ny fanadihadiana no hanaparitahana azy, ka ao ireo alefa mody any amin’ny tany niaviany, ary ao kosa (…)
  • Minisiteran’ny Tontolo iainana, Rano sy Ala ary Fizahan-tany

    2/3-n’ny mpizaha tany no mankafy zavaboahary

    jeudi 27 mars 2008 | Hery A. |  360 visites
    Sampan-draharaha fahatelo amin’ny fiantohana ny fidiram-bolan’ny fanjakana ny minisiteran’ny tontolo iainana, rano sy ala, ary fizahan-tany. Manana asa betsaka indrindra ao amin’ny MAP izy arak’izany, ka amin’izao ivon’ny fanatanterahana ny MAP izao dia nametraka paik’ady vaovao ny minisitera. Nomarihana nandritra ny fihaonamben’ny mpiasan’ny minisitera, ny teny ampiasaina iantsoana ny minisitera, dia ny MEEFT na « ministère de l’environnement, eau et fôret et du tourisme ». Hameno ny (…)
  • Faratsiho

    Vazaha maty nilatsaham-baratra

    vendredi 21 mars 2008 | Hery A. |  879 visites
    Lehilahy iray 50 taona no maty irery tao anatin’ny lakan-drano tao Faratsiho, anatin’ny faritra Vakinankaratra. Tamin’ny talata no hita ny fatin’ity lehilahy ity. Voamarika araka ny vaovao azo fa vokatry ny hasemporana sy havizanana no nahafaty an-drangahy. Ankoatr’izay dia ankizy vazaha anankiroa no nilatsaham-baratra, tao Faratsiho ihany. Nilatsaka teny amin’ny tapenaky ny trano ny varatra ka namaky ny rindrina ary niantefa teny amin’izy mianadahy. Maty tsy tra-drano ilay zazalahy fa ilay (…)
  • Antsirabe

    Miverina ny lazan’ny fetin’ny Paska

    mercredi 19 mars 2008 | Hery A. |  651 visites
    Miha miverina amin’ny laoniny ny fetin’ny Paska ao Antsirabe. Tsiahivina fa nalaza indrindra teto Madagasikara ny tao Antsirabe isan-taona. Nanomboka nosangisangian’ny raharaha politika anefa izany taorian’ny taona 1985 tany ho any ka zary tsy nahatamàna ny mpitsidika intsony. Be politika Nihapotika ny tanàna. Tsy nahatanteraka ny adidiny ny mpitondra nifandimby. An’ny Arema moa ny tanàna tamin’izany fotoana izany ka anjaran’ny malagasy no mitsara ny fitondràny. Niha nahantra ny (…)
  • Fanondranana biby an-tsokosoko

    Sazy 2 taona hatramin’ny 10 taona no miandry ilay mpandraharaha

    mardi 18 mars 2008 | Hery A. |  505 visites
    Kesika miisa 3 nisy biby naondrana an-tsokosoko no niainga teto Madagasikara, ary sarona tao Afrika atsimo tamin'ny sabotsy teo. Araka ny vaovao azon'ny minisiteran'ny rano sy ala dia ompiana ao amin'ny valanjavaboahary iraisam-pirenena ao Johanesbourg ireo biby sisa velona tamin'ireto naondrana an-tsokosoko ireto. Tao amin'ny seranam-piaramanidina any an-toerana no nahasaronana ny entana. Kesika miisa 3 no nisy ireo biby, namofona maimbo be ka voatery nosokafana. Biby toy ny tanalahy, (…)
  • BNGRC

    Nanome vola ar 100 tapitrisa ny « Groupe Sipromad »

    mardi 18 mars 2008 | Hery A. |  746 visites
    Manao ranolava ny fanaterana fanampiana ho an'ny traboina etsy amin'ny biraon'ny sampan-draharaha miahy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Omaly hariva no tonga nanatitra ny anjara birikiny ny « groupe SIPROMAD ». Vola mitentina ar 100 tapitrisa no natolony tamin'izany ka voatsinjara avy amin'ny « Fondation AKBARALY » ny ar 75 tapitrisa, ary nampian'ny Sipromad ar 25 tapitrisa. Ho an'ny traboina vokatry ny rivo-doza nisesisesy ireo fanampiana. Ankoatry ny fiahiana ny traboinan'ny loza (…)
  • Tontolo iainana • PGDRN

    Hitombo ny faritra arovana

    lundi 17 mars 2008 | Hery A. |  384 visites
    Natao teny amin’ny NLIM Iavoloha nanomboka tamin’ny faha 12 martsa hatramin’ny faha 14 martsa ny atrik’asa momba ny « Programme de gestion durable des ressources naturelles », na PGDRN. Ny firenena Alemana, amin’ny alàlan’ny GTZ sy ny KFW no nanolotra ity programa ity. Manomboka amin’ity taona ity, hatramin’ny taona 2011 no ampiharana ny tetik’asa izay vatsiana vola 12 tapitrisa Euros. Ny tanjona amin’ity dia ny hampihenàna ny fitrandrahana ala, indrindra ireo atao arina (…)
  • Fokontany Anosibe andrefana II

    Tsy nisy naka ny kara-pifidianana

    lundi 17 mars 2008 | Hery A. |  480 visites
    Tsy nihoatra ny 5 % ireo mpifidy tonga nandatsa-bato tamin’ireo biraom-pifidianana tao amin’ny EPP Anosizato, omaly hatramin’ny 12 ora antoandro. Nisokatra tamin’ny 7 ora maraina ny birao fandatsaham-bato , ary nanomboka teo dia zara raha nisy olona iray isaky ny fahefatr’adiny. Tao amin’ny biraom-pifidianana laharana faha 002 ohatra dia 5 %, tamin’ny 11 ora teo ho eo, tao amin’ny laharana faha 3 dia 3% ary ny birao faha 4 dia 4%. Torak’izany koa ny tao amin’ny birao laharana faha 20 izay (…)
  • Antoko Arema

    Kongresy tsy nahafeno fepetra

    lundi 10 mars 2008 | Hery A. |  798 visites
    « Kongresy tsy mahafeno fepetra ! Kongresy mitsipaka ny filoha mpanorina » Io no nambaran’ireo mpikatroka Arema teny amin’ny foiben-toerany vonjimaika eny Anosizato omaly alahady raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo. « Mandainga ireo ninia nanao ny kongresy omaly », hoy ihany izy ireo. Tsy nanome tso-drano azy ny filoha Ratsiraka Didier ary efa nandre ny antson’ity filoha teo aloha ity ny rehetra nilaza fa tsy manao kongresy ny AREMA, ary mpisandoka izay manao izany. (…)
  • Fanafihana mitam-basy

    Jiolahy roa no maty voatifitra

    jeudi 6 mars 2008 | Hery A. |  660 visites
    Nirefodrefotra ny feom-basy. Jiolahy roa indray no lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina. Tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo no nahazo antso an-tariby ny polisim-pirenena ao amin’ny boriborin-tany faha 5, nanambara fa misy jiolahy nanafika trano fivarotana mpamongady iray eny Namontana Anosibe. Nihetsika ny polisy, niaraka tamin’ny GIR ka namefy ny làlana manodidina ity fokontany ity. Nandeha fiara karetsaka 2 CV anefa ireo jiolahy, ka nosakanan’ny polisy teny amin’ny arabe, raha mbola (…)
  • Sakaraha : Halatra omby

    Novain’ireo dahalo ny volon’omby

    mercredi 5 mars 2008 | Hery A. |  748 visites
    Novain’ireo dahalo ny volon’omby, saingy tsy nahatakona ny maha omby halatra azy izany. Saron’ny zandary tao Ankazoabo, anatin’ny distrikan’ny Sakaraha ireo dahalo enin-dahy nitondra omby halatra. Nampiahiahy ny fokonolona ireto omby nandalo tao an-toerana ireto, ka niantsoana zandary. Rehefa natao ny fisavàna dia nanana taratasy mazava ireo omby noroahina. nisy nahatsikaritra anefa ny fanovàna ny lokon’ny volon’omby ka nitatra ny fanadihadiana. Teo no sarona fa sandoka ihany koa ireo (…)
  • Ambondrombe

    Nifanandrina tamin’i Belzeboba ny Apokalipsy

    mardi 4 mars 2008 | Hery A. |  5634 visites
    Nihantsy an’i pastera Mailhol i «Belzeboba» sy ny ekipany. Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny fikambanana Apokalipsy tany Ihosy, notarihan’i Pastera Mailhol no nifanenàny tamin’ny olona iray nipetrahan’ny fanahin’ireo devoly ao Ambondrombe. Tovolahy nianatra nanao « magie » izy ity, saingy tsy nahatody hatramin’ny farany ka mora tamin’ny fanahy ratsy no niditra tao aminy. Teo Ambalavao no nifanehatra ny ekipan’ny Apokalipsy miisa 20 mianadahy, sy ity tovolahy nipetrahan’ny (…)
  • Fanafihana mitam-basy

    Ny fanjakana no nampiofana ny dahalo

    lundi 3 mars 2008 | Hery A. |  1191 visites
    Mahalala ny tsiambaratelon’ny mpitandro filaminana ny dahalo. Ireny zatovo manao raharaha miaramila vonjimaika ireny avokoa no ankamaroan’ny dahalo sy jiolahy eto Madagasikara. Nomena fiofanana hahay mitifitra ry zalahy, saingy zazavao miisa 10 amin’ny 1000 ihany no voaray manohy ny asa maha miaramila. Ny ambiny dia toy ny olona very asa, saingy tsy manana traikefa afa-tsy ny fahaizana mitifitra. Halatra omby Any Basalampy, Soalala ary MItsinjo iny dia sahy mihantsy zandary ny dahalo. (…)
  • Andohan’Analakely

    Mpiasan’ny RTA matin’ny lozam-piarakodia

    samedi 1er mars 2008 | Hery A. |  5682 visites
    Olona iray no maty, olona efatra hafa no naratra. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho tetsy Andohan’Analakely anoloan’ny toby miaramila RM 1 omaly maraina tamin’ny iray ora sy fahefany teo ho eo. Avy any amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ity fiara 405 nitondra olona miisa 5. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso dia nandona « beton » mitsatoka amin’ny sisin-dalana ankavia ilay fiara, ka nianga ambony ary nivadika rehefa avy nikipilipily. Voaterin’ny familiana ny mpamily ka nosokirin’ny (…)
  • Ambatomainty : zaza vao teraka

    Misy loaka eo amin’ny lohany

    jeudi 28 février 2008 | Hery A. |  1039 visites
    Nisy loaka ny lohan’ilay zazakely vao teraka. Zava-niseho tao amin’ny tobim-pahasalamana fampiterahana ao amin’ny distrikan’Ambatomainty io, tamin’ny faha 21 febroary lasa teo. Araka ny vaovao azo, dia nipotsaka teo amin’ilay loaka eo amin’ny lohan’ity zaza ity ny atidohany. Nahagaga ny rehetra ny seho fa tsy vaovao tamin’ny fianakavian’ity vehivavy niteraka ity. Voalaza fa zanany faharoa ity. Tamin’ny taona 2000 izy no niteraka ny zanany voalohany, tsy nisy valaka tamin’ity nahazo ny zanany (…)
  • Soarano

    Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana

    jeudi 28 février 2008 | Hery A. |  644 visites
    Miparitaka manerana ny renivohitra indray ireo mpivarotra amoron-dalana amin’izao fotoana izao. Manomboka manala azy ireny ny kaominina, araka ny efa nampiomanany. Mbola tsy mivantana ny fanesorana fa mandeha tsikelikely. Ny etsy Soarano no voaendaka voalohany. Kitihina indray mantsy ireo tranom-barotra fivarotan’ny sinoa taloha, ilay miankina amin’ny EPP Soarano. Maro ny mpivarotra teo amin’ny antoandro, izay saika akanjo mihaja sy kojakoja madinidinika no betsaka. Amin’ny hariva, manomboka (…)
  • Antananarivo renivohitra

    An’ny mahantra ny dabam-pako

    mercredi 27 février 2008 | Hery A. |  628 visites
    Apoitran’ny fisavovon’ny fako ny olona mahantra eto an-drenivohitra. Misavovona ny fako manerana ny renivohitra amin’izao fotana izao. Tsy misy dabam-pako tsy ahitana olona mpitsindroka amin’izy ireny. Eto dia fianakaviana iray mihitsy no mifarimbona, ao anatin’ny ora fisakafoana indrindra. Sakafo no tadiavin’ireo olona ireo. Izay mahita, avy hatrany dia any am-bava. Misy amin’ireo olona mahantra, monina eny amin’ny zaridaina etsy Antanimbarinandriana no tonga eny Anosibe, manenjika (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}