Madagascar Tribune | 2/3-n’ny mpizaha tany no mankafy zavaboahary
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
lundi 12 mai 2008
 

 > Malagasy

Minisiteran’ny Tontolo iainana, Rano sy Ala ary Fizahan-tany

2/3-n’ny mpizaha tany no mankafy zavaboahary

jeudi 27 mars 2008, par Hery A.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Sampan-draharaha fahatelo amin’ny fiantohana ny fidiram-bolan’ny fanjakana ny minisiteran’ny tontolo iainana, rano sy ala, ary fizahan-tany. Manana asa betsaka indrindra ao amin’ny MAP izy arak’izany, ka amin’izao ivon’ny fanatanterahana ny MAP izao dia nametraka paik’ady vaovao ny minisitera. Nomarihana nandritra ny fihaonamben’ny mpiasan’ny minisitera, ny teny ampiasaina iantsoana ny minisitera, dia ny MEEFT na « ministère de l’environnement, eau et fôret et du tourisme ».

Hameno ny faritra 22 ny minisitera manomboka izao, ka nomarihan’ny minisitra Randriarimanana Harisson fa tsy hiavaka intsony ny sampan-draharahan’ny fizahan-tany sy ny tontolo iainana ary ny rano sy ala, araka ny voafaritry ny làlam-panorenana.

Madagasikara voajanahary no tanjona ka hampifandrindràna ny tontolo iainana sy ny fizahan-tany.

Iraka ataon’ireo tale vao notendrena ny fanatanterahana ny teny ifanomezana faha 6 sy faha 7 ao amin’ny MAP. Ny fiarovana ny harena voajanahary tsy manampaharoa no asa voalohany. Voakasik’io ny harena na an-tanety na an-dranomasina. Hampitomboina avo 2 na 3 heny ny faritra sy valanjavaboahary arovana. Ho nosy maitso i Madagasikara afaka taona vitsy satria tany mirefy 25 000 ha no hatokana hambolena hazo. Manomboka izao dia handeha isan’ambaratonga ny fanarenana ka ity ekipa vao nasiam-panavaozana ity no ho tompon’antoka.

Ny lafin’ny fizahan-tany kosa dia ezahana ny hanampiana ireo fotodrafitrasa, indrindra ny hotely izay hiantsoana ny mpampiasa vola. Raha atao ny jery todika dia 204 000 eo ho eo no isan’ny mpizaha tany tonga teto tamin’ny taon-dasa, ary kendrena hiakatra 25 000 amin’ity taona ity. Famoronana asa miisa 24 500 kosa no tanjona avy amin’ireo politikam-panjakana ireo. Raha fintinina, dia tsy maintsy atao tomombana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo zavaboahary tsy manampaharoa ao aminy, hisarihana sy hampitomboina isa an’ireo mpizaha tany. Voamarika mantsy fa ny 2/3-n’ny mpizaha tany tonga eto dia mankafy ny zavaboahary avokoa.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  • ->http://mondialprox.com/

  •    mars 2008   
    L Ma Me J V S D
              1 2
    3 4 5 6 7 8 9
    10 11 12 13 14 15 16
    17 18 19 20 21 22 23
    24 25 26 27 28 29 30
    31            
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP