Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Malagasy

Ambondrombe

Nifanandrina tamin’i Belzeboba ny Apokalipsy

mardi 4 mars 2008 | Hery A.

Nihantsy an’i pastera Mailhol i « Belzeboba » sy ny ekipany.

Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny fikambanana Apokalipsy tany Ihosy, notarihan’i Pastera Mailhol no nifanenàny tamin’ny olona iray nipetrahan’ny fanahin’ireo devoly ao Ambondrombe. Tovolahy nianatra nanao « magie » izy ity, saingy tsy nahatody hatramin’ny farany ka mora tamin’ny fanahy ratsy no niditra tao aminy. Teo Ambalavao no nifanehatra ny ekipan’ny Apokalipsy miisa 20 mianadahy, sy ity tovolahy nipetrahan’ny fanahy ratsy ity. Rehefa nampiresahan’i Pasitera Mailhol ity devoly ity dia nilaza fa irak’i Belzeboba, ary any Ambondrombe no misy ny foibeny.

Nitarika ireo ekipany i Pasitera ka nananika an’Ambondrombe. Araka ny fitantarany sy ny horonan-tsary nentiny nanaporofoana ny zava-niseho dia nahazo ny sarin’ny ao Ambondrombe izy ireo. Nitoeran’ny fanahy maro sy fanahy ratsy tokoa any an-toerana, araka ny filazany ihany. Nifanandrina tamin’i Belzezboba i Pastera ka teo no namoahan’ny devoly tsiambaratelo maro. « Misy anay daholo ny andrim-panjakana, ary misy manana fifanarahana aminay amin’ireo mpitondra firenena amin’izao fotoana izao ». Io no nambaran’ny fanahy ratsy. Voalaza fa nisy amin’ireo mpitondra no nasainy namono ny zanany, nefa tsy nahatanteraka izany, ka ho avy izy hamono azy. « Hiaro an’ireny aho » hoy Pasitera Mailhol.

Naseho ny mpanao gazety omaly ny horonan-tsary andiany voalohany, ary haseho amin’ny manaraka ny tohiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS