Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 14h27
 

Malagasy

ROTARY Club Ainga Antananarivo

Hitohy ny tetik’asa « Asako rahampitso »

samedi 5 avril 2008 |  302 visites  | Hery A.

Mitohy ny asa sosialy sahanin’ny fikambanana « ROTARY club Ainga Antananarivo » ka hiditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « Asako rahampitso » ny fikambanana. Hetsika manokana hanampiana ny mpianatra eny amin’ny lycée izy ity ka ny tanjona dia hanokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny tsenan’ny asa. Ny fikambanana ROTARY no hiantoka ny mpanabe hitondra ny fanazavana ka ao anatin’ny ora fianarana no hakàna ora iray hanatanterahana ny fampianarana. Ireo lycée miisa 7 eto an-drenivohitra hatrany aloha no hahazo ny fiofanana andiany voalohany sy faharoa, ary ity andiany fahatelo ity. Hihitatra amin’ny lycée miisa 128 manerana ny nosy ny hetsika atsy ho atsy. Ora 900 no efa lanin’ireo mpanabe, mpianatra miisa 7500 avy amin’ny kilasy miisa 151 no efa nahazo ny fanazavana. Nambaran’ny solotenan’ny fampianarana nandritra ny fivoriana natao tao amin’ny Carlton omaly fa mifanandrify amin’ny fanavaozana rafim-pampianarana eto Madagasikara izao hetsiky ny ROTARY izao. Nanatrika io fivoriana fanokafana ny hetsika io ireo « proviseur » mitantana ny lycée 7 eto Antananarivo. Ny ROTARY kosa no mpampiantrano, ahitana mpikambana 22 mianadahy, tarihan’ny filohany atoa Ravoavahy Hery. Mpandray anjara amin’ny asa sosialy ny fikambanana ka saika asa soa hatrany no ataony. Miompana amin’ny ankizy toy ny famoràna faobe, fizaham-pahasalamana maimaim-poana ary famatsiana rano fisotro madio ny tetik’asan’ny ROTARY.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS