Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 juin 2026
Antananarivo | 12h38
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Lalam-baovao Anosibe

    Manjaka ny tsy ara-dalàna

    mardi 10 juin 2008 | Hery A. |  683 visites
    Maro no efa tratran’ny mpitandro filaminana tamin’ny fanaovana ny rakim-peo sy rakitsary hosoka, saingy toa mbola maro no manao bizina ity herimpon’ny artista ity. Amidin’ny olona eny amoron-dalana ireo rakikira isankarazany. Amin’iny moron-dalana Anosibe iny no tena feno azy, maraina hatramin’ny hariva. Ifandrombahana ireo rakikira sy rakitsary an’ny artista malaza malagasy sy vahiny, ahitana an-dry Ndondolah sy Tahiry, Rossy, Melky, Rebika, Mahaleo sns... Raha tombanana dia saika ny (…)
  • Ambatondrazaka • mosavy « Vola mafana »

    Nivonto teo no ho eo ny tanan’ilay mpanangom-bokatra

    samedi 7 juin 2008 | Hery A. |  1471 visites
    Lehilahy iray mbola tanora, mpandraharaha amin’ny fanangonam-bokatra no tratry ny hasomparan’ny mpiara-miasa aminy ka potika noho ny resa-bola ar 1 hetsy monja. Nasian’olona tamin’ny famosaviana antsoina hoe « Vola mafana » ka saika nanaraka hatramin’ny aina. Araka ny fanaon’ity mpandraharaha tanora ity dia manangom-bary any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny tenany isaky ny fotoana fiakaran’ny vokatra tahaka izao. Misy ny namany amin’ity asa ity, monina any Ambatondrazaka ka nindrana vola (…)
  • Mpitarika sarety

    Ampiharin’ny polisim-pirenena ny lalàna

    samedi 7 juin 2008 | Hery A. |  621 visites
    « Tsy fidiny anay ny hitarika sarety, sady faralahin’asa rahateo » : izay no fitenin’ireo mpitarika sarety. Efa noterena hanolo ny kodiaran’ny sarety ho kodiarana fiara tokoa ireto mpitrongy vao homana ireto. Mafy ny nanjo azy ireo tamin’izany satria tsy maintsy nividy kodiarana lafo. Ankehitriny dia tsy mahazo miseho masoandro fa amin’ny 6 ora hariva vao mahazo miasa. « Inona no asa ataonay amin’ny alina eo ? » hoy ihany ireo mpitarika sarety. Ny mpanjifa tokoa aloha tsy handefa ny entany (…)
  • Mpampianatry ny FRAM

    Tsy nandray karama 3 volana

    samedi 31 mai 2008 | Hery A. |  445 visites
    Telo volana izay no tsy nandray ny tambi-karamany ireo mpampianatra karamain’ny FRAM, amin’ny EPP sasany eto an-drenivohitra. Ilay fanampiana avy amin’ny fanjakana ity tsy azo hatramin’izao ity, ka raha araka ny nambaran’ireo mpanabe dia ar 60000 isam-bolana ilay vola. Mbola ireto mpanabe ireto ihany koa anefa ilay tsy nandray ny tambikaramany tamin’ny fitsarana fanadinana BEPC tamin’ny taon-dasa, hatramin’izao. Angamba, hoy ireo mpanabe, tsy avy amin’ny fisolosoloan’ny minisitra loatra no (…)
  • Angarangarana

    Vehivavy namaky trano

    samedi 31 mai 2008 | Hery A. |  638 visites
    Vehivavy iray no saron’ny fokonolona nitaona entan’olona teny Anosibe Angarangarana, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teo. Efa minitra maromaro no nitaoman’ireo mpangalatra ny entana isankarazany toy ny fahitalavitra sy kojakojan-tokantrano maro, vao tonga saina ny olona sasany nandinika ny fihetsik’izy ireo toa mahimahina. Tsy naharitra ireo mponina nahita ny fisehoan-javatra ka nanadihady avy hatrany. Fantatra teo fa entan’olona ireto taomina ireto. Toy ireny olona mifindra trano (…)
  • Miara-mientana

    samedi 24 mai 2008 | Hery A. |  725 visites
    Fahendrena sy fihavanana. Io no vokatry ny herimpon’ny artista malagasy, nahay nampangina ny endrika politika amin’ny fandraisana ny tarika Rossy. Maro mantsy no mety ho nalaim-panahy ka maniry loza, amin’ny hifikiran’ny resaka politika hiarahana amin’ny tarika Rossy. Olon-dehibe nifanaiky ny tenany sy ny filoha Ravalomanana, ary ny mpikarakara. Toa mety tokoa hatramin’izao. NY artista malagasy moa dia nametraka ny lanjan’ny maha kanto an’ireo fampisehoana nataon’ity tarika ity. Tsy azo (…)
  • Fanodikodinana olona

    7 taona tsy hitan-dreniny

    samedi 24 mai 2008 | Hery A. |  957 visites
    Nandritra ny 7 taona no tsy navela hifanatri-tava amin’ny zanany ny renim-pianakaviana iray avy any amin’ny faritra Vakinankaratra iny. Tamin’ny taona 2001 no nalain’ny ramatoa iray ny zazavavy 12 taona, zanaky ny zaobaviny, ka nasainy niasa taman’olona. Ar 10 000 isam-bolana no karama tamin’izany. Tsy raisin’ilay zazavavy miasa anefa ny vola fa alefa any amin’ny ray aman-dreniny. Nangataka ny hahita tava ny zanany ilay ramatoa saingy rehefa manatitra ilay karama Ar 10 000 ilay ramatoa (…)
  • Mpivarotra amoron-dàlana

    La Réunion kely no vahaolana

    mardi 20 mai 2008 | Hery A. |  761 visites
    Miha madio ny sisin-dàlan’Antananarivo, indrindra ny ao ampovoan-tanàna ao. Nandritra ny herinandro teo ho eo izay no nahafoana ny mpivarotra amoron-dàlana teny Andohan’Analakely sy Ambohijatovo iny. Nesorina ihany koa ireo mpivarotra tavoahangy ao ambadiky ny « pavillon » Analakely, saingy toa efa niverina tsikelikely indray izy izao. Tsy lasa lavitra Tsy miala lavitra anefa ireo mpivarotra fa milanjalanja ny entany eny, ka raha vao tsy mahatazana mpitandro filaminana na polisy kaominaly (…)
  • Antananarivo-Renivohitra

    Naato ny fanalàna diky

    jeudi 8 mai 2008 | Hery A. |  926 visites
    «Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, tsy afaka nanala maloto na diky intsony ny sampan-draharaha miandraikitra izany eto anivon’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra. Naato vonjimaika aloha io asa io ». Fanambarana nataon’i Liva Ramavozatovo, talen’ny Fotodrafitrasa eto Antananarivo izany ho valin’ny fanontaniana napetraka taminy. Nisy antony mazava nahatonga ny fivondronana ity fanapahan-kevitra ity. « Iray ihany ny fiarakodia eo ampelatanan’ny Kaominina voatokana hanao io asa io. Io (…)
  • Raharaha Mahandry

    Afaka madiodio ireo polisy voarohirohy

    mercredi 7 mai 2008 | Hery A. |  685 visites
    Manoloana ny raharaha fisamborana ireo jiolahy tarihan’i Mahandry dia polisy maromaro no voatonotonona ho mpiray tsikombakomba amin’ity jiolahy ity, ka mahatonga azy ireo ho tafaporitsaka isaky ny mifanehatra amin’ny polisy. Nisy hatrany ny fotoana voalaza fa nifanandrinan’ny polisy tamin’i Mahandry sy ny tariny ary izay fiporitsahana izay hatrany no zava-misy. Nanao fanadihadiana anatiny ny polisim-pirenena ka tamin’ny fifanandrinan’ny jiolahy sy ny polisy tetsy Ankerana, herinandro (…)
  • « Tanora sahy sy vonona »

    Mitaky fitsapankevi-bahoaka

    samedi 26 avril 2008 | Hery A. |  653 visites
    Mijoro ankehitriny ny fikambanana « tanora sahy sy vonona » ka hiantsehatra eo amin’ny raharaham-pirenena. « Mety ve ny fitantanan’ny mpitondra firenena ankehitriny ? » Io no fanontaniana angatahan’ity fikambanana ity hanaovana fitsapankevi-bahoaka. Ataovy ny fitsapankevi-bahoaka hoy ny fikambanana mba hirosoana haingana amin’ny fampandrosoana. Fikambanan’ny tanora manana fahavononana, manohana an’i Andry TGV ity « TSV » ity. Atoa Mamonjisoa Isaak no filohany. Hatramin’izao dia mbola afaka (…)
  • Tanora vonona Analamanga

    Hijoro ho amin’ny fampandrosoana

    jeudi 24 avril 2008 | Hery A. |  480 visites
    Tamin’ny faha 4 aprily 2008 no nankatoavin’ny fanjakana malagasy ny fijoroan’ny fikambanana « Tanora vonona Analamanga » na ny TVA. Fikambanana tanora tsy mirona amin’ny foto-kevitra politika ny TVA izay tarihan’Atoa Guy Maxime, ben’ny tanànan’Ankaraobato, eny amin’ny distrikan’atsimondrano. Omaly tolakandro no nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ity fahazoan-dàlana ity ka voatsipika fa ny sehatry ny famolavolana tanora ho amin’ny fampandrosoana no tarigetrany. Tsapa mantsy hoy ity (…)
  • 67 ha

    Tsenan’ny olon-dresy

    mercredi 23 avril 2008 | Hery A. |  1038 visites
    Toy ny toerana fanaovana lavanty eto amin’ity toerana, amoron’ny lakan-drano etsy 67 ha, amin’izao fotoana izao. Hita eto avokoa ny entana rehetra mahakasika ny tokan-trano sy lakozia. Taona vitsy tokoa izay no nitaran’ity tsena ity, raha fivarotana lamba sy entana madinidinika teny am-piandohana. Manomboka amin’ny sotro sy vilia ny entana hita eto, miakatra amin’ny fitafiana isankarazany. Mampiavaka azy anefa ny entana rehetra izay efa nampiasaina. Vilany, vata fampangatsiahana, (…)
  • Fitaterana an-drenivohitra

    Miverina ny gaboraraka

    mardi 22 avril 2008 | Hery A. |  711 visites
    Manao ny ataony indray ny taxi-be eto an-drenivohitra eto izay toa baranahiny ka manaram-po. Isan’andro dia andrenesana fitarainana ny fomba fiasan’ireo taxi-be, izay zary mahazatra ny mandre azy ka tsy mahataitra firy. Ny andro alahady kosa no ahitana ny fomba ratsy ataon-dry zalahy. Tamin’ny alahady teo dia fiara taxi-be maromaro no saika nitera-doza, izany hoe mandram-paharivan’ny andro dia tandindonin-doza hatrany ireo mpandeha. Mamo ny mpamily sy ny resevera ka mifanenjika amin’ity (…)
  • Lycée privé ACEEM

    Mandalina ny tantaran’i Jaques Rabemananjara ny mpianatra

    jeudi 17 avril 2008 | Hery A. |  703 visites
    Voafidin’ny minisiteran’ny kolotsaina hanatanterahana fampirantiana ny tantaran’atoa Rabemananjara Jaques ny lycée tsy miankina ACEEM etsy Ankadivato, ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina teny Ankadivato izany. Ny delegen’ny sampan-draharaha misahana ny taozavatra sy kolotsina ao amin’ny minisitera, atoa Julien Rakotonaivo no tonga teny an-toerana ka nanome ny toromarika sy ny antony nanaovana ity hetsika ity. Mpianatra miisa 450 ao amin’ity lyscée ity no kendrena (…)
  • Orinasa afakaba

    Sady mamitrana no mandrava fihavanana

    mardi 15 avril 2008 | Hery A. |  569 visites
    Tao ho ao dia maro ny orinasa afakaba nampiato ny mpiasa ao aminy. Saika tera-tany vahiny moa no mitantana azy ireny ka sedrain’ny tsy fandrosoan’ny tsena tampoka ka voatery nandroaka mpiasa. Amin’ny ankapobeny hoy ireo mpiasa amin’ny orinasa afakaba, dia efa ampoizina ihany ny mety hisian’ny fampiatoana. Manaporofo izany ny tsy fikarakarana ny antontan-taratasy maha mpiasa raikitra an’ireo ankizy naato. Raha efa iaraha-mahalala ny fiainan’ny mpiasa ao anatiny ao, izay saika ahazoana (…)
  • Fifamoivoizana eto an-drenivohitra

    Tsy misy mpiraharaha ny lalàna

    samedi 12 avril 2008 | Hery A. |  536 visites
    Mitohy ny fanadiovana ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ka ny famoahana lalàna mahakasika ny fifamoivoizana indray no imasoana. Efa resa-be teto an-drenivohitra ny lalànan’ny fifamoivoizana saingy toa niha goragora indray taorian’ny nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana. Asa aloha izay antony, fa niaraha-nahita ny sakatsakana, saingy efa nampoizina hatramin’ny nanaovana propagandy izany. Na izany aza dia nahazo famatsiam-bola ny kaominina. Tsy nasian-dresaka aloha ny (…)
  • Andevoranto - Brickaville

    Voapetraka ho Tangalamena i Zakariasy

    jeudi 10 avril 2008 | Hery A. |  1149 visites
    Tamin’ny alatsinain’ny Paska lasa teo no natsangana ho Tangalamena ao Andevoranto, anatin’ny distrikan’i Brickaville, Atoa Zakariasy Patrick, 39 taona, taranaka faha 4 ao amin’ny firazanan’i « KIRITIKA » sy « BIDIHILY » ary « Mpanjakalava » izay nanjaka tamin’ny taona 1858, tao Andovoranto. Nandritra ny roapolo taona no banga io toeran’ny Tangalamena io ka nahatonga ny ray aman-dreny tao an-toerana nanao ny hevitra, ka nanendrena an’i Zakariasy. Tamin’ny taona 2005 no efa nandefa ity (…)
  • Marais masay

    Alaina ho an’ny voay ny trondro maloto

    mardi 8 avril 2008 | Hery A. |  815 visites
    Tsy ahitana vahaolana mihitsy ve ny famongorana ireo mpaka trondro eo amin’ny ranon’ny Masay ireo e ? Io no ady hevitry ny olona eny ambonin’ny fiara fitaterana, indrindra ny amin’ny zotra mandalo eny amin’iny faritra iny. Tazan-davitra ireo mpaka trondro, na andro na alina. Lakana maromaro mihitsy no miasa eo. Tamin’ny voalohandohany, taoriana kely izay nahavitan’iny làlana vaovao iny moa dia amin’ny andro alina no maka trondro ry zalahy. Alentiny ao anaty rano ny lakana amin’ny antoandro. (…)
  • Bongolava • CFA « Centre de formation et d’appui »

    Ny tanora sy ny tontolo ambanivohitra

    lundi 7 avril 2008 | Hery A. |  864 visites
    Nanomboka tamin’ny taona 2000 hatramin’ny taona 2007 no nanatanterahana ny tetik’asa fametrahana ny tanora mpandraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra tamin’ny alalan’ny tetik’asa PROJER « Projet des jeunes ruraux », eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono. Ao anatin’ny ezaka fiovana maitso maharitra ny tetik’asa ka miompana amin’ny fanitarana ny faritra hamokarana ny fiofanana rehetra. Io no nambaran’ny tale jeneralin’ny CFA, atoa Randriamanantsoa Jafetra (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}