Madagascar Tribune | Naato ny fanalàna diky
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
dimanche 20 juillet 2008
 

 > Malagasy

Antananarivo-Renivohitra

Naato ny fanalàna diky

jeudi 8 mai 2008, par Hery A.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

« Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, tsy afaka nanala maloto na diky intsony ny sampan-draharaha miandraikitra izany eto anivon’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra. Naato vonjimaika aloha io asa io ». Fanambarana nataon’i Liva Ramavozatovo, talen’ny Fotodrafitrasa eto Antananarivo izany ho valin’ny fanontaniana napetraka taminy. Nisy antony mazava nahatonga ny fivondronana ity fanapahan-kevitra ity. « Iray ihany ny fiarakodia eo ampelatanan’ny Kaominina voatokana hanao io asa io. Io fiarakodia anefa, efa ho andro vitsivitsy izay, misy fahasimbany ka tsy afaka miasa ». Vokatr’izany, tsy misy manala ny diky any amin’ireo trano fivoahana amin’ny tranom-panjakana, toy ny sekoly, ny biraom-panjakana isan-karazany. Any amin’ireo sampan-draharaha miankina amin’ny Fanjakana ireo manko no voalaza fa tena iasan’ny sampan-draharaha mpanala diky eo anivon’ny Kaominina.

  • Trosabe

Tsy mbola misy ny vahaolana matotra iatrehana ny olana. Araka ny nambaran’i Liva Ramavozatovo, tsy afaka miditra amin’ny fanofàna fiara ny Kaominina noho ireo trosa be efa mitambesatra aminy. Voatery tsy maintsy miandry ny fotoana ahavitan’ny fiara. « Heverina fa ao anatin’ny tapabolana raha ela indrindra dia hiverina amin’ny laoniny ny asa rehetra », hoy izy manohy ny fanazavana.

Mandrampahatongan’izay fotoana izay, tsy maintsy miaritra ny fofona maimbo sy ny rivotra maloto ny mpiasa miasa eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana ahitana efitrano fivoahana efa madiva ho feno. Ho an’ny olon-tsotra kosa, afaka tsy miandry ny Kaominina izy ireo.

Misy orinasa roa tsy miankina amin’ny Fanjakana misahana io asa io. Azon’ireo olon-tsotra atao tsara ny manatona azy ireny sy mifampiraharaha aminy. Mazava ho azy, misy ny vola aloa. Tokony hapetraka laharam-pahamehana eo anivon’ny Kaominina ny fahazoana fiara fanampiny.

« Eo amin’ny lafiny ara-bola hatrany no olana », hoy ny fanazavan’ny tale teknika.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP