Madagascar Tribune | Afaka madiodio ireo polisy voarohirohy
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
dimanche 20 juillet 2008
 

 > Malagasy

Raharaha Mahandry

Afaka madiodio ireo polisy voarohirohy

mercredi 7 mai 2008, par Hery A.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Manoloana ny raharaha fisamborana ireo jiolahy tarihan’i Mahandry dia polisy maromaro no voatonotonona ho mpiray tsikombakomba amin’ity jiolahy ity, ka mahatonga azy ireo ho tafaporitsaka isaky ny mifanehatra amin’ny polisy. Nisy hatrany ny fotoana voalaza fa nifanandrinan’ny polisy tamin’i Mahandry sy ny tariny ary izay fiporitsahana izay hatrany no zava-misy. Nanao fanadihadiana anatiny ny polisim-pirenena ka tamin’ny fifanandrinan’ny jiolahy sy ny polisy tetsy Ankerana, herinandro maromaro lasa izay, dia nisy polisy 5 lahy nalaina am-bavany. Tonga hatreny amin’ny fitsarana ny raharaha ka namoahan’ny fitsarana didy omaly. Afaka madiodio izy 5 lahy, taorian’ny nihainoan’ny mpitsara azy ireo.

Nampiasa saina ny maro ihany tokoa ny fandrenesana ny fahasahian’ity jiolahy ity manao fanafihana. Efa fantatra eran-tany fa jiolahy raindahiny i Mahandry sy ny tariny ka mahagaga raha mbola sahy hiseho andro ihany izy. Voalaza koa mantsy fa maratra ny lehilahy ka sarotra aminy ny hanao fanafihana amin’ny andro antoandro eto an-drenivohitra.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP