- Notsofin-drano ny Tangalamena Zakariasy.
Tamin’ny alatsinain’ny Paska lasa teo no natsangana ho Tangalamena ao Andevoranto, anatin’ny distrikan’i Brickaville, Atoa Zakariasy Patrick, 39 taona, taranaka faha 4 ao amin’ny firazanan’i « KIRITIKA » sy « BIDIHILY » ary « Mpanjakalava » izay nanjaka tamin’ny taona 1858, tao Andovoranto.
Nandritra ny roapolo taona no banga io toeran’ny Tangalamena io ka nahatonga ny ray aman-dreny tao an-toerana nanao ny hevitra, ka nanendrena an’i Zakariasy. Tamin’ny taona 2005 no efa nandefa ity soson-kevitra ity ny lehilahy ary izao nankasitrahan’ny ray aman-dreny izao.
Maro ny hetsika nomanina tamin’io ka natokan’ny mponina nanaovana ny fanomanana herinandro mialoha ny andro fady sy tsy fiasàna, dia ny Talata alakamisy, niampy ny andro alahady. Ny alahady faha 16 martsa no nanomboka ny fanomanana ka nananganana ny trano maitso nandraisana vahiny. Nitohy ny fomban-drazana rehetra hatramin’ny faha 24 martsa fotoan-dehibe nametrahana ny Tangalamena.
Ny Talata faha 25 martsa no nifarana tantereka ny lanonana, nanatanterahana ny fombafomba farany ka nahafenoana ny fepetra maha Tangalamena an’ity vao napetraka amin’ny toerany ity.