Dernière situation de la Covid-19 du 26 mai 2021
NB : Tous les chiffres ainsi que la localisation par région des cas de contamination ci-dessous sont tels qu’indiqué par le CCO.
Cas confirmés : 41
Décès : 05
Décès : 05
- Analamanga : 05
Nouveaux cas confirmés : 41 cas trouvés sur 120 testés
- Analamanga : 13
- Betsiboka : 01
- Ihorombe : 03
- Menabe : 02
- Atsimo Andrefana : 01
- Matsiatra Ambony : 06
- Alaotra Mangoro : 06
- Atsinanana : 05
- Vatovavy Fitovinany : 04
En traitement : 347
Formes graves : 196
Cumul du 23 mars 2020 au 26 mai 2021
- Contaminés : 41 102
- Guéris : 39 933
- Décès : 822
- Tests : 201 511
Vos commentaires
Mafy ny kere, mafy ny valan’aretina lazain’ny fitondrana fopla fa voafehiny, dia tsy atsahatra velively ny mampatsiahy isan’andro ny teny nataony, ny hoe velirano :
Ireto ireo lainga fampanantenana poak’aty nandemena ny sain’ny malagasy ary tsy roa aman-tany miohatra amin’ny nataon’ny mpanjanaka fahiny
... Sao misy mazoto ny hanoy.
Mafy ny kere, mafy ny valan’aretina lazain’ny fitondrana fopla fa voafehiny, dia tsy atsahatra velively ny mampatsiahy isan’andro ny teny nataony, ny hoe velirano :
Ireto toa ny mahazatra ireo ny lainga fampanantenana poak’aty nandemena ny sain’ny malagasy ary tsy roa aman-tany miohatra amin’ny nataon’ny mpanjanaka fahiny
sy izay toe-javatra tsy mbola mazava ka handrasana ny tohiny :
Avy amin’ny namana "poiuyt (#584)"
1- Doublon, vitavita ho’azy
2- Bômbô sisety, vitavita ho’azy
3- Ekrà plat, vitavita ho’azy
4- Vola fanampiana, vitavita ho’azy
5- VOLAMENA 73,5 k, vitavita ho’azy
6- Ambilansy covid ????????????
... Sao misy mazoto ny hanoy.
Ny famoahana ny voafonja tsy voatsara ...
Mafy ny kere, mafy ny valan’aretina, tsy sanatria velively anefa ho fanirian-dratsy fa dia gaga foana ny tena : mbola isa amin’ny rantsan’ny tanana iray foana no isan’ny namoy ny ainy.
Ary ny isan’ny fitiliana dia hoe 120 ... Manerana an’i Madagasikara io.
O ! Re olona e ! dia tsy mahamenatra ve ny tatitra toa izao ?
Asa na mba ray aman-dreny toa iza no nitaiza itony olona itony fa tsy mba toa izao ny toe-tsaina notezaina tamin’ny fomba malagasy : aza mijery ny lohasaha mangina, ny heloka ibaboana mody rariny.
Dia mba olona nahita fianarana ihany ve ilay mpitatitra ? Sa ho tonga fitenenana vaovao hoe : "aleo very tsikalakalan-diplaoma toa izay very tsikalakalam-bola" ?
Toe-tsaina foza no toa izany, foza satria ireo no mitondra ankehitriny fa tsy milaza mihitsy aho hoe fitondran’ilay gaigy lahy jamba sosialista lasa namonjy AFO BE ka mody nampidirina tetsy amin’ny môzole iny.
Miarahaba,
Ahoana indray itony fozavavy lasa mibika manao fanamiana miaramila itony e ?
Aiza indray izany ?
27 mai à 23:44 | reglisse (#6117)
Vous :
Père Pedro est un des hommes qui fait et a fait le plus, pour aider les populations miséreuses de partout à Madagascar.
Ma réponse :
Savez-vous la dimension du mot "partout" ?
Vous :
Il a été très récemment reçu par le dirigeant de la France.
Ma réponse :
Et alors ? ça ne signifie rien. Le dirigeant de la France, est-ce D.? Non, ce sont les français qui l’ont élu et non les malagasy
28 mai à 01:00 | arsonist (#10169) répond à reglisse ^
Mais les autres le font avec efficacité , mais dans la discrétion quand même , contrairement à Pedro qui crie ce qu’il fait sur tous les toits .
Ma réponse :
avec efficacité dans la discrétion, voilà un homme de D.
Pour Reglisse :
Je vous cite un exemple. Dans le Bongolava, il y a une communauté catholique dirigée par un vieux Père jésuite. Cette communauté existait bien et largement avant l’apparition de ce père pedro à Madagasikara. Cette communauté a formé depuis combien d’artisans et de vrais paysans ?
Question :
Pourquoi pedro ne s’entend-il pas avec ce vieux monsieur ?
Parce que ce vieux monsieur l’a maintes fois critiqué et a osé lui dire en face : "ce que vous faites là n’aidera jamais les malagasy à sortir de la pauvreté".
Vaovao mahagaga :
Tao amin’ny "L’Express de Madagascar" omaly :
"Une quarantaine d’enseignants-chercheurs est décédée en cette deuxième vague de l’épidémie à coronavirus, comme le rapporte le président du bureau national du syndicat des enseignants-chercheurs et chercheurs-enseignants de l’enseignement supérieur (SECES), le Dr Faliarivony Randriamialinoro,"
40 ! Gravy be ny raharaha, taiza no nisy ohatr’izany hatramin’izay nisin’ny Anjerimanontolo malagasy ?
Tena nataon’i Leiry mihitsy sy marina tokoa ny tsy nataon’ny hafa nandritr’izay 60 taona lasa izay, mazana ilay tsy ampy solaitra fa tanterahany ny teny nolazainy.
Shalom,
Tena gravy be io mpampianatra mpikaroka maro maty io. Asa iza no hampianatra amin’ireo oniversite vaovao satria ny teo aloha aza efa tsy ampy mpampianatra. Misy mantsy ny mieritreritra fa rehefa mitsangana ny trano hitan’ny vahoaka dia izay no zava-dehibe, ny ao anatiny tsy misy mahita. Eo no ahafantarana ny olona mpitondra nahita fianarana manana fahalalana sy ny tsy ampy fahalalana. Manaonao foana sy miteniteny foana ary seho no betsaka.
Tsy adinoina fa i dedaka poerapiera oeraoera Bokassa gasy anie ka olona tsy nandia fianarana mankaiza e !
Izay mihitsy no isan’ny antony lehibe nisafidianan’i Sarko an’io DJ ho atosika ho Prezidà gasy .
Tsy sakaizan’izy io mihitsy akory ny olona manam-pahalalàna sy ny manam-pahaizana !
Mariho tsara fa ambenti-tenin’ireo foza mpanompo ity Bokassa gasy ity ny fanondroa-molotra ireo manam-pahalalàna sy manam-pahaizana ho mpialona sy mpitsiriritra an’ity Bokassa gasy dedaka poerapoera oeraoera ity !
Fahavalony tsotra izao no fiheverany ireny olona manam-pahalalàna sy manam-pahaizana ireny !
Koa ahagaga ary ve raha kendren’ilehiry amin’ny fomba mivatana na ankolaka ny handringanana ireny olona manam-pahalalàna sy manam-pahaizana tondroina ho fahavalony ireny ?
citoyendumonde (#4292) répond à Shalom ^
...
Tena gravy be io mpampianatra mpikaroka maro maty io. Asa iza no hampianatra amin’ireo oniversite vaovao satria ny teo aloha aza efa tsy ampy mpampianatra.
Izay indrindra no tena olana ary notsindrinao amin’ny tena maharary ilay resaka.
Marina tsy azo dihifina mihitsy ny voalazanao ka mampiantefa ny saina amin’nireto resaka velirano sy ny atambony ireto : atao izatsy sy eroa fa ahoana ny resaka "entretien", atsangana ny oniversite isak’izay vaza-mototra, ary aiza ny fanofanana ny ho mpampianatra amin’ireny ?
Sa kosa ho foronon’ny fitondrana ankehitrio ny FRAM ho an’ny oniversite ?
Iza no mahalala, mahay mamorona raha izay moa ingahy io.
@ citoyendumonde (#4292)
Fa hono hoy aho : sao kosa ary ka tsy mampaninon’azy ny tsy fisian’ny MPAMPIANATRA MALAGASY ka ho hamafisiny ny fifanarahana Malagasy/Frantsay ka dia ho feno mpampianatra frantsay ny oniversite malagasy.
Lasa tamin’io ny saiko teo am-panorata teo aloha saingy eto indray dia miverina ny hevitra hoe : fa tsy toa mangatsiatsiaka ve moa ny fifandraisan’ity fitondrana ity sy ny mpitondra frantsay ?
Andro ririnina tokoa ny fiainana.
Un raccourci de ma part (et non MAPAR, quelle c.onnerie ! ) :
Extrait d’un post de Lysnorine ce matin : "M. Marcel OLIVIER, ce gouverneur ..."
Lui c’est le "olivier1" et notre habitué sans vergogne c’est le "olivier2",
Ah ! je comprends tout maintenant.
Anne Roumanoff disait souvent : "on ne nous dit pas tout !".
Mandeha ny feo fa eo amin’ny 8 % (valo isanjato) monja fotsiny amin’ilay vakisiny miisa 250.000 fatra no mbola nampiasaina ankehitriny...
Ary antsoina hanao vakisiny ny rehetra mihoatra ny 18 taona fa tsy ilay fepetra sy sivana teo ampiandohana tapabolana lasa intsony no arahina, ary tsy mila fisoratana anarana mialoha intsony fa rehefa vonona dia avy dia mankeny amin’ny toerana fanaovana vakisina izay liana sy mazoto hanao izany...
Midika izany fa mailo sy tsy marisika mihintsy ny hanao ity vakisiny ity ny Malagasy !
Tahotra ve sa ahiahy mikasika ny karazan’ilay vakisiny tonga no mahatonga izao zavamitranga izao ?