Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Asa raha tsikaritrareo fa ohatry ny miverimberina matetika, tato ho ato, ny resaka momba ny hoe tokony amerenana indray ny “Service National” (na anatiny na ivelan’ny tafika; na an-tsitrapo na an-tery), fa amin’ny endriny vaovao. Mety tsara ho dinihina akaiky sy resahina milamina io hevitra io.
Sendrasendra tafaresaka tamina-Rangahy manan-kaja sy malaza iray izay aho tamin’iny herinandro lasa teo iny. Raha jerena amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa mandeha tsara ny fiainany — na eo amin’ny (...)
-
Fifidianana kaominaly sy monisipaly : fanambarana iombonana
lundi 31 août 2015
|

1 commentaire
| 2062 visites
Iray volana izay no lasa taorian’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teto Madagasikara. Sarotra ho anay fiarahamonim-pirenena malagasy ny hitatitra ao anatin’ny andininy vitsivitsy ny zavatra tsikaritra rehetra tamin’izany. Ny sasany taminay, manam-pahaizana manokana mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana, dia efa namoaka fanamarihana vitsivitsy. Nanoina ny antson’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana koa izahay mikasika an’izay handimby ny CENI-T – Komitim-Pirenena Mahaleo (...)
-
Tato ho ato dia miverimberina matetika eny ambavan’ny namana mpanara-baovao ny hoe korontana lavareny tsy misy fiafarany ny eto Madagasikara, ka mila fanitsiana ara-drafitra kitakitana. Vaky barara ny mpiondana resaka politika fa toa zary lasa fitondrana baranahiny tsy misy lalána no mijoro, toa fitondrana tsy mahafehy ny tany sy ny fanjakana, hany ka lasa manao izay danin’ny kibony ny mpitondra ary manao izay saim-patany ny vahoaka. Moa va tsy izany no antsoina hoe Fanjakan’i Baroa?
Rehefa (...)
-
Hevitra
Asa ianareo raha efa namaky ilay bokin’i Joseph Heller hoe Catch-22. Tamin’ny ady lehibe faharoa no niseho ny tantara. Nisy miaramila vitsivitsy nilaza tamin’ny lehibeny fa tsy te hiantafika. Dia namaly ny komandy fa tsy olana izany fa afaka misafidy ny tsy ho any antsahanady ireo izay tsy te ho any raha toa ka mahafeno ny fepetra. Mila manantona mpitsabo fotsiny izy dia mangataka fitiliana hanaporofoana fa mitapy na adala. Misy fandrika kely anefa fonoson’io fepetra io: matoa ilay miaramila (...)
-
Hevitra
vendredi 13 septembre 2013
|

3 commentaires
| 2864 visites
Nilaza azy ho tia tanindrazana, mpiaro ny mpitrongy vao homana (marxiste), mpiaro ny tany madinika (tiers-mondiste) hatrany Atoa Ratsiraka tamin’ny taona 1975. Raha nikabary izy anefa tamin’ny taom-baovao 2001 teny Iavoloha (jereo Madagascar Tribune tamin’ny 13 janoary 2001) dia nibaboka fa tsy sitrapony velively izany. Fisehoana ivelany fotsiny ihany satria efa nosafidian’i Lafirantsa,amin’ny maha-zanaka PADESM azy,izy hitazona ny tombontsoany (i Lafirantsa) taorian’ireny hetsi-bahoaka tamin’ny (...)
-
FANAMBARANA SY ANTSO
samedi 29 mai 2010
|

8 commentaires
| 2803 visites
Izahay raiamandreny vitsivitsy, izay nihaona ary niara-nidinika dia miray fo sy tery am-panahy hampita aminareo mpiray tanindrazana aminay izao fanambarana sy antso izao :
Iza moa izahay ?
Raiamandreny vitsivitsy eo amin ‘ny fiaraha-monina sy ny fivavahana ary ny sokajin’andraikitra samihafa izahay. Samy hafa ihany koa ny faritra niavianay. Tsy mitovy ny firehankevitra anananay. Tsy misolontena ny antokom-pivavahana na ny faritra niavianay avy koa fa miteny amin’ny maha raiamandreny anay. (...)
-
Zandarimariam-pirenena
samedi 22 mai 2010
|

2 commentaires
| 3794 visites

Indray andro taorian’ny fifandonana namoizana ain’olona teny amin’ny Hery Vonjy Taitra Fort-Duchesne (FIGN) ny Alakamisy 20 may 2010 dia olona 10 no voasambotry ny Emmo/Reg tarihin’ny Kolonely Richard RAVALOMANANA noho ireo fandikan-dalàna tsy azo noleferina nataon’izy ireo. Ny Lietenà Kolonely ANDRIANJAFY Raymond izay nitarika ireo mpioko teny an-toerana dia efa eo am-pelan-tanan’ny Sampam-pikarohana Heloka Bevava (Section de recherche Criminelle) Fiadanana miatrika ny famotorana miaraka (...)
-
samedi 14 novembre 2009
|

9 commentaires
| 8179 visites
Nodimandry tamin’ny Alarobia maraina i Ramose Donà, mpampianatra TAJEFI an’ny kilasy faha-3 ao amin'ny lycée Saint-Antoine Andravoahangy. Androany Zoma 13 novambra tamin’ny 12 ora no voatondro hialàn’ny razana tao an-tranony tao Soamanandrariny ary saika hentina hanomezamboninahitra an’Andriamanitra sy hatao veloma farany tao amin'ny EKAR Soamanandrariny alohan’ny handevenana azy any Ambatomanga. Marihina fa Komity ao amin’io Eglizy io ity olona nodimandry ity, ary mpitarika ny Tampikri ao amin'ny (...)
-
Kolontsaina
jeudi 12 novembre 2009
| 3678 visites
Betsaka ny tanora mankafy ny Kalon'ny Fahiny. Te hahafantatra sy hifehy ny Ba Gasy. Sahirana ihany anefa izy ireo satria tsy tena mahafantatra sy mahafehy izany. Mora kokoa mantsy ny mamantatra ny hiran'ny avy any ivelany voizin'ny haino aman-jery andro aman-alina noho ny mamantatra ny Kalon'ny Fahiny sy ny Ba Gasy izay miha vitsy ny mahafehy sy mivoy azy, eny na dia ny eto an-toerana aza.
Vakomanitra malagasy feno sy an'ny Malagasy tanteraka anefa ny Ba Gasy. Manana ny maha izy sy (...)
-
lundi 6 avril 2009
|

27 commentaires
| 4781 visites
Tsy telo izay iray fa telo ray. Malagasy telo Dada. Malagasy telo Baba. Malagasy telo Dadilahy. Malagasy telo Raiamandreny. Sambatra be isika Malagasy. Sambatra mihitsy isika raha samy sambatra amin’ny vahoaka sy ny Firenena manerana ny tany.
Tena tsara ary tiako be ny soso-kevitr’i Alain ANDRIAMISEZA tamin’ny Invité du Zoma omaly tamin’ny TV Plus nanoloana an’i Onitiana REALY. Hoy izy : “Mitodika amin’ireo Prezidà telo lahy voafidim-bahoaka “ara-dalàna” ny masontsika Malagasy tsivakivolo”. Tsy iza (...)
-
Fenoarivo Atsimondrano
Voasambotr’ireo Zandary ao amin’ny Brigade Fenoarivo, ireo olon-dratsy miisa 06 nangalatra kamio iray teny Fenoarivo ny alahady 29 marsa. Niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ny mpiambina ity fiara ity.
Efa tena maty paika avokoa ny tetika hamoahana ny fiara satria efa vita daholo ny taratasy sy ireo laharana vaovao saika apetaka aminy. Vola 2 tapitrisa Ar no nifanarahan’ny mpangalatra sy ny mpiambina, ary dia nisy mihitsy ny taratasy nataon’ny roa tonta amin’ny fandraisana io vola io. (...)
-
Hevitry ny OTRIKAFO
jeudi 2 avril 2009
|

13 commentaires
| 3015 visites
Ity misy courbe ny ariary miohatra amin’ny Euro. Tsara ho fantatra sy tsara ho fantarina ny ho vokany.
Eo anatrehan'ny olana ara-bola miseho eo amin’ny fitondrampanjakana ankehitriny, dia ny tsy fisian'ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra noho ny fanapahan-kevitr'izy ireo hampihantona aloha ny famatsiam-bola an'i Madagasikara, dia iaraha-mahita ny vokatr'izany ao anatin'izao rafitra mbola avela hanan-kery eto amintsika izao : io miakatra io ny devises matanjaka (euros sy dollars), (...)
-
Taom-baovao malagasy
mardi 31 mars 2009 |
Arena R.
|

1 commentaire
| 6685 visites

Mahabe fanontaniana ny momba « Taom-baovao » Malagasy. Noho izany indrindra dia nanao fanadihadiana momba ny tantarany izahay. Tsotra ihany ny tanjona: « Mba tsy ho tompon-trano mihono ny isika Malagasy ». Lohahevitra maromaro no resahina amin’izany: « Ny tantaran’ny taom-baovao Malagasy », « Ny fomba amam-panao » ary « Ireo sakantsakana maro samy hafa…»:
Ny « Asaramanitra » dia vinaky toy izao «Asara», midika hoe volana; «Manitra» arak’izany dia manentohento, mahasarika ny orona. Ny Asaramanitra izany, (...)
-
Marc Ravalomanana
lundi 30 mars 2009
|

10 commentaires
| 2642 visites
Fiarahabana ny Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana tratry ny 29 martsa no afatra saika alefan’i Marc Ravalomanana ny asabotsy 28 martsa lasa teo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Tsy raikitra anefa izany ka dia nalefa tamin’ny onjapeo ilay hafatra.
Fankasitrahana sy fiarahabana
« Miarahaba anareo amin’izao ankatoky ny fankalazantsika ny tsingerintaonan’ny faha 29 martsa 1947, tolom-panafahana nataon’ireo zoky ray amandrenintsika 62 taona lasa izay. Mbola misy amin’izy ireo miara miriaria mahita (...)
-
Rivo-doza Izilda
Vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Izilda tany amin’ny Distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana dia maro ny fahasimbana hita tany ant-oerana. Vaky ny «digue de protection» tao Ambahikily ka olona 700 no tra-boina ary 623 Ha ny tanimbary tototry ny fasika. 123 ha ny tanimbary dibo-drano ary 642 ny tra-boina tao Andranomainty, 245 ha ny tanimbary dibo-drano tao Tanandava, 321 ny tra-boina tao Tongarahaba, 535 ny tra-boina tao Ambalaroa, 438 ny tra-boina tao Ankilimahabo, 740 ny tra-boina tao (...)
-
Besalampy
Andian-dahalo mpangalatra omby mpampihorohoro ny faritry Besalampy sy Ambatomainty ary Maintirano no ravan’ny Zandarimariam-pirenena ao Besalampy ny 25 marsa 2009 lasa teo.
Nanao andiany miisa valo izy ireo izay nirongo basim-borona roa ary nanafika sy nangalatra omby miisa dimapolo (50) tao Analalava, fokotany Antanambao, kaominina sy distrika Besalampy ny 25 marsa 2009 tamin’ny 12 ora atoandro. Avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia ny dahalo ny zandary telolahy miaraka amin’ny fokonolona (...)
-
Kianjan’ny demokrasia
jeudi 26 mars 2009
|

22 commentaires
| 2721 visites
Herinandro katroka ny tsy nahenoana azy dia nifandray an-telefaonina tamin’ny vahoaka malagasy, indrindra ireo mpomba azy manerana ny nosy, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha vory toa ny fanaony, nanomboka ny sabotsy 21 martsa, teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ireto mpiaro ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny fitondrana tetezamita noho ny fakana an-terisetra ny fanjakana, dia niresaka tamin’izy ireo avy any Swaziland ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Toa izao izany resaka nifanaovany (...)
-
Fibaikona alika

Tontosa ny alahady 22 martsa 2009 ny hetsika nataon’ireo mpibaiko alika miisa 18 mianadahy mivondrona ao anatin’ny Fikambanan’ireo Mpibaiko Alika nivoaka teo anivon’ny Zandarimariam-Pirenena (Association des Maîtres Chiens Sortant de la Gendarmerie Nationale na AMCSGN).
Fitsangantsaganana an-tongotra (randonnée)izy io, ary nahavitana halavirana 10 kilometatra, niala teny amin’ny Tobin’ny ESCAPARA IVATO nihazo an’i Mandrosoa, Ambohidratrimo, Ialanana, Bout de piste, Antsambilo ary Mamory-Ivato. (...)
-
Taom-baovao malagasy
samedi 21 mars 2009 |
Arena R.
|

4 commentaires
| 5175 visites

Taom-baovao Malagasy ! Toa vaovao amin’ny sofina ihany, indrindra ho an’ireo taranaka ankehitriny. Nefa dia zavamisy ary efa niainana tokoa. Hay ve ? Ankalazaina indray izy ankehitriny, efa taona vitsivitsy mantsy eh, saingy tsy re tsaika toy ny saka fotsiny ny fankalazana hatramin’izay. Tsy fantatra loatra izay nahazo ireo mpikarakara, ry zareo ao amin’ny Trano Koltoraly Malagasy, fa dia amin’ny fomba manetriketrika no hanatontosana ny lanonana amin’ity taona ity.
« Ny faha-26 martsa amin’ny (...)
-
Zandarimaria
Hiditra ny 22 marsa 2009 izao ny andiany faha-15 amin’ny “CSC” (Cours supérieur de commandement) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay ahitana manamboninahitra ambony teratany malagasy 12 mirahalahy, ary hanampy azy ireo ny teratany “togolais” efatra mirahalahy, izay ho avy tsy ho ela. Hiditra torak’izany koa ny andiany faha-17 amin’ny mpiofana ho komandin’ny tobim-paritry ny zandarmaria (17ème CPCB: Cours de perfectionnement des commandants de Brigade) miisa 35 mirahalahy.
Ankoatr’ireo dia (...)