Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2019
Antananarivo | 09h19
 

Malagasy

FANAMBARANA SY ANTSO

Avy amin’ny « Raiamandreny Mijoro »

samedi 29 mai 2010

Izahay raiamandreny vitsivitsy, izay nihaona ary niara-nidinika dia miray fo sy tery am-panahy hampita aminareo mpiray tanindrazana aminay izao fanambarana sy antso izao :

Iza moa izahay ?

Raiamandreny vitsivitsy eo amin ‘ny fiaraha-monina sy ny fivavahana ary ny sokajin’andraikitra samihafa izahay. Samy hafa ihany koa ny faritra niavianay. Tsy mitovy ny firehankevitra anananay. Tsy misolontena ny antokom-pivavahana na ny faritra niavianay avy koa fa miteny amin’ny maha raiamandreny anay. Ny antony manosika hiombom-peo amin’izao fanambarana sy antso izao dia tokana ihany : ny fahatsiarovan-tena ho raiamandreny ka tsy afa-miala andraikitra fa entanin’ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Mahatsiaro ho mangirifiry miaraka aminareo rehetra amin’izao manjo antsika mianakavy ankehitriny izao. Izahay koa dia misokatra amin’izay raiamandreny te-hanatevin-daharana anay ka miombom-po aminay amin’izao fanambarana sy antso izao.

Ry mpiray Tanindrazana malala.

- Mila raiamandreny mijoro ho amin’ny famaranana ny krizy ny tanindrazana

- Mila raiamandreny mijoro mba hamerina ny soatoavina maha malagasy antsika ny mpiray tanindrazana amintsika.

Andao isika hifampitantana

Dimy ambin’ny folo volana izay no naharetan’izao krizy lalovantsika izao :

Fahasimbam-pananana, rà nandrika, herisetra, fifanaratsiana, adilahy, fifanenjehana, fifankahalana, teny mankarary, ozona, fahantrana efa ha-tenda. Mbola hotohizana ihany ve ? Heverinay fa hiara-miteny aminay ianareo ka hihiaka hoe : aoka izay ! tsy miady olom-bodo fa izay to fo mpamosavy. Andao isika hifampitantana hanorina an’i Madagasikara vaovao

Andro sisa no isaina dia hankalaza ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantenantsika izay sady faha 50 taonan’ny tafika Malagasy rahateo .Endrika toa inona no hiarahantsika mankalaza izany ?

- Ary inona no sary tiantsika raiamandrany avela ho lova ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy ?

- Moa tsy Malagasy mifampitantana sy mahay mifandamina, ary afaka hirehareha amin’ny maha-malagasy azy va ?

Inona no ataontsika ?

Tianay holazaina etoana ary ekenay tanteraka fa tsy hoe izao isika vao hihetsika.

Nandritra izay krizy izay, dia efa nisy tokoa ny zavatra efa natao :

- Tao ireo fikambanana samihafa nanao antso, nivory, namoaka fehin-kevitra na olon-tsotra izany na antoko politika na fiaraha-monim-pirenena.

- Nisy ireo hetsika fampihavanana na teto an-toerana, eny hatrany ivelany aza.

- Tao ireo nataon’ny olon-tsotra, tao koa ny nataon’ny teo anivon’ny tafika sy ny maro tsy voatanisa…

Izahay dia mankasitraka izay ezaka rehetra vita sy mety mbola hatao ka hahasoa ity tanintsika ity. Atolotra ho an’izay rehetra sy nisahirana sy nandany ron-doha tamin’izay ny fisaorana sy ny fankasitrahana. Izahay dia manamafy fa tsy misy lalàna hahazoantsika mivoaka amin’izao krizy izao afa-tsy làlan-tokana dia ny làlan’ny fifampidinihana amin-kitsi-po itsinjovana ny ho avy tsaratsara kokoa ho an’ity tanindrazana malalantsika ity.

Ny hevitra tera-bary

Atolotray amintsika rehetra izay heverinay fa asa maika amin’izao fotoana izao :

Ny tanjona kendrena dia ny firosoantsika ho amin’ny Repoblika fahefatra, hisintona ny lesona rehetra hita fa tsy nampahomby ny Repoblika nifandimby isika nefa koa handray izay mety ho soa fianatra nandritra izay taona izay.

Aoka horaisina avokoa ny volavolan-kevitra avy amin’ny sokajin’olona rehetra ho fandrafetana izay ho Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra. Ireo volavola ireo no hiadian-kevitra sy hanaovana fanapahan-kevitra ao amin’ny fihaonambem-pirenena ary hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka. Hisy dinika santatra handinihana sy handravonana ny hevitra voaray. Ankoatra ny fandinihana ny Lalàm-panorenana dia mety koa ny handinihana ao amin’ny fihaonambem-pirenena ireo hevitra hafa avy amintsika rehetra ka hita fa hahasoa. Santionany amin’izany ohatra :

- Ny fampihavanam-pirenena izay tsy maintsy atomboka nefa koa fantatra fa asa mitohy.

- Ny Amnistia

- Ny fomba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Izahay dia resy lahatra fa mahasoa antsika samy Malagasy ny mifampidinika eto amin’ny tanintsika. Mihevitra koa izahay fa ireo vahiny nanampy antsika dia tsy ho sarotiny alohan’ny tompony akory.

Ny zava-dehibe dia isika sahy miara-miteny hoe : aoka izay ny lasa, andao hiara-hidinika !

Mety ny hanaovana io fihaonambem-pirenena io alohan’ny 26 Jona 2010 mba hahazoantsika miara-mankalaza ny fetim-pirenena ao anatin’ny fitoniana sy fahamendrehana.

Hevirinay koa fa mahasoa ny firenentsika ny fijoroan’ny raiamandreny any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara satria tsy izahay ihany akory no raiamandreny, ary midadasika ny nosintsika. Ireto kosa anefa no aoka hotandremana toy ny anakandriamaso amin’ny fampijoroana izany :

- Ho olona tsy miandany amin’ny firehan-kevitra politikan’ny atsy na ny aroa fa miezaka hijoro amin’ny fampihavanana sy ny fahamarinanana ary ny maha raiaman-dreny azy.

- Ho olona vonona hihaino na dia ny tsy mitovy hevitra aminy aza ka hihazona mafy ny hoe ny hevitra no mety hiady fa tsy ny olona na oviana na oviana.

Izahay “Raiamandreny mijoro” dia vonona handray izay andraikitra mety ho tandrify anay noho ny tanindrazana iarahantsika manana. Ny hazo tokana hono tsy mba ala ary izay mitabe tsy lanin’ny mamba koa mandraisa anjara fa antsika rehetra i Madagasikara.

Amin’ny anaran’ny “Raiamandreny Mijoro”

Androany, 27 Mey 2010


LISITR’IREO NIARA-NIDINIKA SY NANAO SONIA

TILAHY Robert, Ancien Président de la HCC

Pasteur RAMINO Paul

Madeleine RAMAHOLIMIHASO

Gisèle RABESAHALA

Céline RAVAO

Général RAZAFITOMBO Léon

Docteur Péri RASOLONDRAIBE

Mpanjaka TSIARASO IV

OUSTAZ BOINA Idi Madi M’Zé (Prédicateur Musulman)

RAZAFINDRAINIBE Parson, Ancien Bâtonnier

Prôfesôra NJARA ERNEST

RANDRIANJANAKA Georges

Mompera RATONGAVAO Charles

Mpanjaka RAMASITRAKARIVO

8 commentaires

Vos commentaires

  • 29 mai 2010 à 08:45 | Tanindrazana (#3224)

    Ho an’ireo RAD mijoro.

    Isaorana ianareo sahy mijoro tokoa ho an’ny firenena, nefa fantaro fa ireo rehetra nitolona ho an’ny fahamarinana na ny ara-dalana dia nijoro koa hoan’nyfirenena. Ka raha anjehitriny ianareo tsy misalasala nijoro, dia manontany tena izahay vahoaka voatery sy voapotsitra, fa taiza ianareo hatramin’izay ? Efa potika sy rotika ny fihavanana maha-Malagasy antsika vao taitra ianareo ? Efa nijaly sy nogadraina sy nampihorohorona ary ny tena mampalahelo novomoina ny vahoaka vao hitsangana ianareo. Efa simba sy tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny ekonimia sy fampandrosoana ity tany mamintsika ity vao sahy nijoro ianareo ? Fa nahoana re ? Iaraha-mahalala ny sasany aminareo efa niara-dia tamin’ity fitondrana ity na farafahakeliny, niray hevitra tamin’izy ireo ka mampanahy tokoa ny mihevitra fa tsy hiandany amin’ny atsy sy aroa ianareo.Tsy manakina fotsiny akory fa very fanahy satria raha olo-manakaja sy manana fahalalana toa anareo ireo sy izay mbola ho avy hanatevina anareo, dia mahavariana no tsy nihetsehanareo hiaro ity tanindrazantsika ity. Raha fanovana no nokendrena teto, dia hita taratra sy hitam-poko fa fahantrana, fanambaniana, fandrebirebena, fangalarana, fanodikodonana, fanaovana tsinontsinona ny zo-maha-olona, famonoana,fandratrana, fanimbana ary indrindra fampiadiana sy fanakorontanana ny Maha Malagasy antsika mihitsy no nisy sy mbola manjaka eto. Voafitaka isika vahoaka fa ny fampanantenana nomenantsika kay saritsariny fotsiny fa zavatra hafa mihitsy no nisy teto. Raha hametraka ny Repoblika faha-IV isika dia mbola velom-panontaniana foana izahay vahaoka hoe, tsy hitanay izay maha-samy hafa ireo vahaolana rehetra naroso hatramin’izay amin’ny hevitrareo. Fa satria ve tsy nihainga tamin’ny firehan’ireto mpandroba fanjakana dia tsy mari-pototra ka tsy ekena ? Ireo hevi-baventy foana ange no raisinareo hafa tsy ny hoe : hanangana gouvernemanta iarahan’ny rehetra sy tsy mitanila sy izay fomba fitantanana aterak’izany ? Arahaba soa ny fijoroanareo, kanefa manahy izahay fa tsy mahafeno ny fitakiana’ny vahoaka ny fihetsikareo izay avy hatrany dia nihaona tamin’ireo nahatonga izao fahantrana sy fanimbana ny firenentsika izao. Tsy naleo ve nampanatsoina ny an-daniny sy an-kilany sy ireo heverinareo fa mety handray hanjara, tsy voatery ny lehiben’ny "mouvance " akory aloha. izay voa manapankevitra toa izao ianareo. Manahy mantsy izahay vahoaka fa na dia tena fitiavan-tanindrazana no nampihetsika anareo, hita taratra fa mirona kokoa amin’ny hevitry ny fitondrana FAT sy ny Frantsay ianareo. Manohy ny "Unilateralisme" hataon’Atoa RAjoelina sy ny forongony ianareo.Vao manomboka dia efa hafahafa no fijery anareo RAD. Marina fa maika ianareo fa efa hatomotra ny fankalazana ny faha-50 taona ny fahaleovantena, nefa tsy aleo ve homanina tsara mba tsy hokianina hiandany aminy atsy na aroa. Hevitra tera-bary ihany izy ity ka hantenaina fa mba tsy handrarak’ilo mby an-doha ianareo, ary hikatsaka ny tena tombotsoam-pirenena. Efa tsy miafina intsony na amin’iza na amin’iza fa tsy misy hantenaina ity fitondrana santoka ity raha mbola izy ireo ihany no mitondra sy mikarakara ny fanomanana ny fifidianana sy fametrahana ny lalam-panorenana vaovao. Hirarianay vahoaka ny mba hasahianareo mijoro marina fa tsy ho lambolambon’ireo mpitondra ireo ka hanara-kefa amin’izay heviny sy zava-kinendriny. eto am-pamarana dia tsarovy fa tsy misy hafa tsy ny fifamelana sy fanomanana miaraka ny ho avin’ity firenentsika ity no lalan-tokana mendrika sy mahasarika ny olon-drehetra. Raha vao misy ankolafin’olona voateritery sy voahilika, dia tsy handeha io ary dia handamoka.

    Mivavaha isika hoan’ity Tanindrazantsika ity fa hery lehibe izany.

    • 29 mai 2010 à 11:19 | etincelle (#3903) répond à Tanindrazana

      Ny tena Ray aman-dreny tompoko dia tsy miangatra ary tsy manana fironana @ atsy na aroa.

      Manaraka izany dia efa leo ny fitaka sy ny lainga afafy etsy eroa izahay vahoaka Malagasy. Ny teny fitaka fa ny atao ho hita, hoy ny fiteny Malagasy ka ho hita eo raha mifanaraka tokoa ny lazainareo sy ny ataonreo. Somary mampanahy anay be ihany manko satria olona nanohana izao fitondrana mpanimba sy mpandrava efa izao ny maro aminareo ireo.

      Aoka ary ianareo mba ho tena Ray aman-dreny tokoa fa tsy ho ohatran’ireo milaza azy ho ray aman-dreny nefa hay mpanohana an-drajoelina.

  • 29 mai 2010 à 10:17 | Emyrna (#1956)

    Miarahaba am-panajàna anareo mijoro ho Raiamandreny tompoko !

    Araka ireo dinidinika teo anivon’ny Zaikabe Merina dia efa resy lahatra izahay fa ny rafitra Federaly no hany mety hitondra fitoniana ara-politika sy ara-piaraha-monina eto Madagasikara, ary koa hahafahana mametraka sori-dàlana mahomby eo amin’ny lafiny fampandrosoana ireo lafim-bahoaka tsirairay avy eto amin’ity Nosintsika ity .

    Niaraha-mahita fa tsy naha-tafavoaka an’i Madagasikara amin’ny fahantrana mihintsy ny rafim-panjakana Repoblika tari-tokana napetraka tao aorian’ny fanjanahan-tany ary mbola tohizana taty aoriana. Noho izany dia mila mihevitra làlan-kafa tanteraka isika mpiray Nosy eto.

    Aoka tsy hatao odian-tsy hita ny fahasamihafana misy amintsika mponina eto, ara-pihaviana, ara-tantara, ara-pirazanana, miampy ny ara-pinoana. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy noho izany ny fahasamihafana eo amin’ny fiheverana ny fiaraha-monina, ny fiharian-karena, ny kolotsaina, ny lovatoavina ary ny fitaizana sy ny fanabeazana ny taranantsika tsirairay avy.

    Resy lahatra izahay fa toy ny any amin’ireo firenena Federaly maro (Jermany, Soisa, Malaysia, USA, Afrika Atsimo, sns …) dia hitondra vaha-olana eo amin’ny lafim-piainana rehetra, amin’ny maha-olona sy ara-pandrosoana ary ara-piaraha-monina, ny fiheverana fananganana am-pilaminana Rafitra Federaly eto Madagasikara.

    Marihana manokana fa dikan’ny hoe "Federaly" dia FITSINJARAM-PIANDRIANANA fa tsy fitsinjaram-pahefàna fotsiny ihany akory.

    Mpitarika ao amin’ny Zaikabe Merina

    zaikabe@gmail.com

  • 29 mai 2010 à 11:45 | Rabila (#1379)

    assise régionale, assise nationale, teny ifampierana,

    et maintenant Raiamandreny Mijoro, un groupement de gens sans qualité representative qui va faire assurer un niéme leurre politique et permettre à Andry Rajoelina et la HAT de rester au pouvoir jusqu’en 2012.

    Il a quelque chose de foncièrement anti-democratique dans cette dénomination de raiamandreny. Les raiamandreny sont devenus des citoyens au-dessus des autres, sages et neutres par défaut, dépourvus d’arrière pensée politique et opportuniste. Permettez moi d’en douter.

    Il parait que la mouvance Rajoelina est morte enterrée. Vive son remplaçant : les Raiamandreny Mijoro.

    Apres les Raiamandreny Mijoro, ce sera le tour des Mamolava Mitsangana : the malagasy circus

  • 29 mai 2010 à 17:48 | FeoIray (#341)

    Est-ce que le pretre, un des membre de ce "comité", pourra parler au nom de l’Eglise catholique malagasy ? Sinon, où il a fait preuve d’etre un "Ray aman-dreny" ? Meme question pour les autres, comme ils tous se pretendent l’etre !

    A y voir la tete de Madeleine Ramaholimaso seulement dans ce "comité" me fait vomir :
    - elle est membre du SEFAFI, une soi-disante "societé civile" qui s’est declaré publiquement pro-putschistes/HAT (honneteté intellectuelle/integrité morale ?)
    (+ http://njnb.wordpress.com/2009/04/22/a-madagascar-le-sefafi-netait-finalement-quun-sous-marin-des-putschistes-tgv/
    + http://www.madagascar-tribune.com/Communique-du-SeFaFi,11317.html
    + http://www.madagascar-tribune.com/Communique-SeFaFi,14060.html
    + http://www.actumada.mg/index.php/derniere-minute/748-l-la-decision-de-andry-rajoelina-va-dans-le-bon-sens-r-dixit-le-sefafi-
    + etc ....)

    - cette dame n’est là que pour defendre ses interets economiques familiales, en faisant durer le plus long possible cette "transition" avec ses pagailles et ses laisser-aller !

    Pourquoi avoi attendu plus d’un an après le commencement de la crise pour ouvrir sa gueule ?

    Est-ce qu’ils ont contacté Mr Guy Willy Razanamasy ?
    Est-ce que le "sage" Ramakavelo a refusé leur offre, parce que ce dernier ne figure pas sur la liste ?

  • 29 mai 2010 à 19:35 | kotondrasoa (#3872)

    Ry raiamandreny mijoro,

    Nihaona sy niara-nidinika ianareo.

    Tsy rehefa raiamandreny tompoko dia hendry daholo ka mametraka fanontaniana aminareo aho satria ny ahiahy hoy isika Malagasy tsy hihavanana :

    1° - Iza no namory anareo ?

    2° - Nanomboka oviana ianareo no nivory no tonga dia nahita volavolan-kevitra haseho ny Malagasy sa ny teny toy ny rivotra ka rehefa nitsoka tamin’ny lafivalon’ny nosy dia samy nahare ianareo, dia tafavory vetivety ary tonga dia nitovy hevitra ?

    3° - Efa maro ihany ireo fikambanana nangataka fihaonana tamin’i boaikely izay aoka hazava fa tompon’antoka tamin’izao krizy izao fa tsy voaray, ianareo anefa vao nahavita fivoriana ny 27 dia voaray ny 28 ary dia voatendry hikarakara ny fikaonandoham-pirenena.

    4° - Tsy tany an-tsekoly firy toa an’i boaikely aho fa gaga ihany satria nihazakazaka mba tsy hilazana hoe nirotoroto i boaikely nanaiky ny fisianareo sa izay ilay hoe tafaray ny tia sy ny manina ?

    5° - Voalaza fa miteny amin’ny anarany manokana ianareo, vao tsy ela tompoko nisy maopera nanao filazana fa fitondrana "pyramidal" ny katolika koa nahoana no misy maopera tafaraka aminareo sa efa nahazo alàlana manokana tamin’i monseigneur razanakolona sa nahazo alàlana tamin’ny conférence épiscopale ?

    6° "Izahay dia resy lahatra fa mahasoa antsika samy Malagasy ny mifampidinika eto amin’ny tanintsika... efa ela no niezaka isika Malagasy hifandinika fa tsy tanteraka izany ary teto Madagasikara no nanombohana an’izany tompoko ; manaraka izay fantatrareo tsara fa misy Malagasy tsy afaka handia ny taniny amin’izao fotoana koa tsy Malagasy izany ireny ary dia ianareo milaza fa raiamandreny mijoro no manosi-bohon-tànana ny Malagasy izay mitovy hevitra amin’ireo olona any ivelan’i Madagasikara ireo !!!

    7° - Milaza fa tsy miandany amin’ny firehinkevita politika ianareo tompoko ; ny hitako dia tsy miandany ianareo fa manompo satria vao nianatra mandeha dia niantso an’i boaikely ho dada ary dia marina tokoa angaha izany satria ny renay dia izy no niantoka ny lany tamin’ny nahatongavanareo teto antananarivo sy ny nivorianareo.

    Farany, ny krizy no nisy tompoko dia noho ny fangalaram-pahefana avy amin’ny vahoaka malagasy tsivakivolo, rehefa voafaritrareo mazava izay fangalaram-pahefana izay dia, anaro aloha ny olona nahatonga izany dia rehefa hamory ny vahoaka hitovy tanjona dia aleo ny Malagasy rehetra fa ny hevitra entinareo izao dia ny efa nataon’ny fat nandritra ny 15 volana.

    Rehefa tsy izay, toy ny razana tsy hitahy ihany dia mahaiza mangina fa aza manala-bara-tena fa misy ireo raiamandreny mitovy aminareo (astérix, jeneraly poety, pasitera ben’ny tanànan’antananarivo fahiny, ex filoham-pokotany Ampefiloha) efa naloan’ny olona fa diso làlana.

    Andriamanitra anie hanoro làlana anareo.

  • 29 mai 2010 à 19:39 | ikopa (#671)

    Ilaina tokoa ny fandraisana andraikitra hoan’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka entanim-po feno fitiana ity nosy holovain-taranaka ity. Tsy misy afaka milaza fa ananan-tsiny izany fihetsika izany.
    Ny adidy hono tsy an’olon-dratsy, ary aleo tara toy izay tsy misy mihitsy....
    Ka handrasana ho rava tanteraka tokoa ve vao hoe hitairana ?
    Ny olana fotsiny dia izao, aminay. Tena afaka matoky ve izahay GASY fa tsy ny tombontsoany manokana no mahatonga azy ireo "mijoro" eo ? Fa tena tsy miandany na @ iza na @ iza izy ireo( na dia ny iray monja aza).
    Fantatra fa olona lalin-tsaina daholo izy rehetra, manam-pahaizana fatratra, samy nanana toerana ambony teo @ fiaraha-monina....
    Ka tsy mba fantratr’izy ireo ve hoe inona no tokony hataony mba hananan’ny maro fahatokisana @ hevitra izay hovoiziny ?
    Inoana fa fantatr’izy ireo tsara izany saingy raha mbola feno fanahiana izy ny @ izay mety ho fiantraikan’ny "fijoroany" @ hoaviny ( Tsiafahy ? Lyllison ?....) na mety tsy ho fahazoana toerana any @ ambaratongam-pahefana (@ hoavy) dia sarotra ny hatoky ny fahatsoram-pony @ izao "fijoroana" izao.
    Ny tena RAD manko Tompoko,aminay, dia tena fandavan-tena tanteraka.
    Satria teren’ny fitiavan-janaka.
    Satria na ny biby aza hono dia fandrihana @ zanany
    Ka na zavatra hahavery tombon-tsoa, na hahagadra, eny fa na dia hahafaty aza, ny tena RAD dia sahy manao sorona ny tenany mba hanavotana ny tombontsoan-janaka.
    Ka mety ho hatraiza tokoa no azo hantenaina ireto RAD "mijoro" ireto @ izao fanambarana ataony izao ?

    Efa leon’ny fandrebirebena marivo tototra manko ny Gasy efa zatra ny mijaly ka tsy te hotaitran’ny fihetsiketsehana ataon’ny sasany te hitady toerana hametrahana ny zanany

    Dia samia velon’aina hahita ny farany e !

  • 29 mai 2010 à 21:05 | rivokely (#653)

    Tompoko,
    Raha tsorina dia mampiahiahy be ihany ny fijoronareo tampotampka teo. Tsy mahatoky anareo ho hitondra vahaolana tena maharitra ho an’ity firenena ity satria mamofona HAT sy ny mpiara dia amin’ilaikely iry ianareo. Aza hadino fa ny frantsay te hitana an’i Madagasikara ho eo ambany vahohony anie no namatsy ara-kevitra sy ho enti-manana ny fanonganampajakana teto e ! Raha tsy iaraha mitantana (ankolafy efatra) ny teteza-mita sy ny fifidianana dia mandresy izany ny frantsay sy ireo saribokoliny. Hitohy hamelona azy ireo hatrany ny vahoaka Malagasy satria dia efa maty paika ny fitsefana ny harena sy vokatra ary ny hatsembohon’ny teratany tsy miray petsapetsa aminy.

    Raha heverina hoe ho tafita ihany ilay "feuille de route" atao an-keriny amin’izao fotoana izao, dia minia mikipy ianareo raha mino fa hisy fandria-pahalemana maharitra eto. Ny fampiasan-kery amin’ny endriny rehetra anie ka misy farany e ! Ny olona voatsindry anio dia tsy maintsy mitraotra ihany. Ny maty tsy maintsy hisy hisolo. Ny nazera tsy maintsy mbola ho tafatsangana. Ny mangina mbola hitabataba. Afaka fotoana vitsy dia ho indray ny korontana nefa dia ny Malagasy ihany no hibaby ny voka-dratsiny satria ireo frantsay sy ny saribakoliny dia efa tsara-petraka indray amin’izany fotoana izany.

    Ny zavatra hifanarahana ihany no mety hateza rehefa samy manaja izany. Mijoro sy miseho ho ray aman-dreny ianareo ka tsy tokony hilazana ianareo nefa dia hampatsiahivina ihany.

    Koa saino sy lanjalanjao tsara izay ataonareo alohan’ny hidiranareo lalina fa tsy ho avelan’ny tantara-pirenana ianareo. Efa misy ny lalana voasoritra vita sonia mazava hamahana ny olana ka io no tokony himasoana izay ahatanteraka azy. Ny mivoaka an’io dia tsy hitondra soa maharitra sy mateza ho an’ny Firenena fa vonjy tavan’andro sy peta-toko ka hitera-doza indray ao aoriana kely.

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS