Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 24 novembre 2020
Antananarivo | 23h45
 

Malagasy

Taratasy misokatra

lundi 6 avril 2009

Tsy telo izay iray fa telo ray. Malagasy telo Dada. Malagasy telo Baba. Malagasy telo Dadilahy. Malagasy telo Raiamandreny. Sambatra be isika Malagasy. Sambatra mihitsy isika raha samy sambatra amin’ny vahoaka sy ny Firenena manerana ny tany.

Tena tsara ary tiako be ny soso-kevitr’i Alain ANDRIAMISEZA tamin’ny Invité du Zoma omaly tamin’ny TV Plus nanoloana an’i Onitiana REALY. Hoy izy : “Mitodika amin’ireo Prezidà telo lahy voafidim-bahoaka “ara-dalàna” ny masontsika Malagasy tsivakivolo”. Tsy iza izany fa Andriamatoa isany, arakara-jokiny : ZAFY Albert, Didier RATSIRAKA ary Marc RAVALOMANANA. Tena marina be ny azy fa mitodika any amin’ireo RaiamandreniBe telo lahy ireo ny masontsika Malagasy ankehitriny. Na tiantsika na tsy tiantsika.

Matoky marimarina isika rehetra fa any amin’izy DADILAHY TELOLAHY IREO ( samy efa manan-jafikely izy ireo) ny fanalahidin’izao krizy sy fifanolanana politika lalina sy makadiry mampidi-kizo antsika Malagasy izao. Olana politika goavana izy ity, ka tsy maintsy ALA-OLANA POLITIKA irery ihany no hamahana azy. Fa tsy amin’ny alalan’ny herisetra sy ny fitaovam-piadiana. Na sanatria amin’ny fifamonoana sy fifandripahana ary fifamaliana faty tsy misy farany eto. Fifampidinihana tokana ihany no lalan-tery tsy maintsy hizorana.

Takiantsika Malagasy ary izy telo lahy RAIAMANDRENIBE ireto hanome ohatra velona antsika ka hitari-dàlana antsika mankany amin’izany làlan’ny FIFANATONANA sy FIFAMPIDINIHANA ary FIFANDAMINANA sy FIFAMPIHAVANANA mbamy ny FIFANAZAVANA ARA-PAHAMARINANA sy FIFAMELANA HELOKA izany. Satria tsy misy tsy diso izay mandia ny tany, fa izay mivari-lavo sy mikiry biby no adala indrindra. Tsy mila tafika SADEC izany, tsy mila tafika firenena mikambana, tsy mila tafika afrikanina, tsy mila Francophonie,tsy mila Frantsay, tsy mila Vatican, tsy mila Amerikanina sy Sinoa, fa vitantsika Malagasy samy irery ihany. Adidy aman’andraikitrintsika rahateo.

DINGANA VOALOHANY : Tsy misy FEPETRA MIALOHA na préalable hoy ny Vazaha, fa samy manao fanambarana mitovy tsisy valaka izy roalahy Prezidà Didier RATSIRAKA sy Prezidà Marc RAVALOMANANA any am-pitan-dranomasina misy azy avy any manao hoe : Nohon’ny Hasin’i Madagasikara Tanindrazana Iombonana sy ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka Malagasy monina ao aminy,dia vonona amin-kitsi-po sy amim-panetren-tena ary am-pahibemaso sy tsy noterena izahay mirahalahy, aty am-pitandranomasina aty, fa hifanatona sy hifampidinika ary hifandamina sy hifampihavana, ka hifanazava ara-pahamarinana ka hifamela heloka mba ho ohatra velona sy modely hoan’ireo Malagasy tsivakivolo sy tsy misy avakavaka mpiray rà sy mpiray tanindrazana aminay any an-tanindrazana sy miparitaka maneran-tany.

Dia manao fanambarana tsotra nefa miezinezina feno hasina sy feno fanahy amam-pahendrena Malagasy toy izany koa ny Prezidà ZAFY Albert eto an-tanindrazana. Ny azy soloiny fotsiny hoe izahay TELO mirahalahy, ny hoe izahay mirahalahy aty am-pitandranomasina aty. Izy tsinona no zokibe mpampihavana. Voninahitra lehibe omena azy izany. Ary hetsika fihavanana efa notakiany hatry ny elabe izany. Izany no maha Filohan’ny CRN azy. Komity ho amin’ny Fampihavanam-pirenena. Aoka tsy ho adinointsika izany.

Atao an-tsoratra io fanambarana tokana sy mitovy io. Dia vakian’izy telo lahy any amin’ny toerana misy azy avy. Farany dia samy manisy Sonia ny azy. Aparitaka eraky ny fahitalavitra sy radio ary gazety manerana an’I Madagasikara izany hetsika tsotra nefa mahate-hidera asehon’izy telo mirahalahy izany mba ho fantatry ny Malagasy rehetra tsy vakivolo. Avoaka amin’ny gazetim-panjakana aza raha ilaina.

DINGANA FAHAROA : Mifampiantso an-tariby aloha ary alefa mivantana aty Madagasikara toy ny fanao mba ho ren’ny Malagasy rehetra. Mifampirary soa sy mifanao rendez-vous. Ary avy eo dia mifanatona amizay tokoa izy mirahalahy Prezidà Didier RATSIRAKA sy Prezidà Marc RAVALOMANANA any am-pitandranomasina any. Izy mirahalahy irery ihany no mifampiresaka an-tariby (tsy alefa mivantana kosa io) sy misafidy malalaka an’izay toerana hifanatonany sy hifankahitany any am-pitandranomasina any. Tsy asiantsika olana ireo olona na delegasiona manaraka azy avy, fa anjaran’izy roalahy ny mamaritra an’izany.

Fa vao mifankahita dia alefa indray ny FIARAHANA MAMAKY SY FIARAHANA MANAO SONIA ilay fanambarana malaza tetsy amin’ny dingana voalohany. Ampiana fotsiny angamba hoe eny am-piandohana :“Koa dia tanterahanay tokoa ary izao, fa noho… "Ny sisa tsy misy miova.

Mba asiana tsirony hafakely ihany. Asiana sira gasy sy sakay gasy. Tsy mifandimby mamaky, an’ilay fanambarana, fa tena iarahana mamaky toy ireny vavaka nampianarin’ny Tompo sy fanekem-pinoana ireny. Toy ireny miara-mihira ny hiram-pirenena “Ry Tanindrazanay malala ô “ sy ny “Zanahary ô ! Tahio ny Tanindrazanay” ireny. Toy ireny miara-miredona sy miara-mamaky ny teny Fianihanana ho Filoham-pirenena ireny. Tsy atoro izany intsony izy mirahalahy fa asa efa nataony izany. Ny manangan-tànana angamba no tsy atao, satria tsy fianihanana tsinona no atao. Fa azo atsindry eo amin’ny fo havia ny tànana havanana. Vitaintsika amin’ny alalan’ny ady gasy ilay raharaha ry zareo â !

Ny Zokibe mpampihavana sady Prezidà ZAFY Albert aty an-tanindrazana manamafy mamerina mamaky ny fanambarany miampy ilay hoe : “Koa dia tanterahanay tokoa ary izao, fa noho…" Ary any amin’ny farany dia faranany hoe : Ary ambarako sy amafisiko fa sitrako sy teliko izao fihaonana sy fifanatonana voalohany eo amin’izy mirahalahy ZANDRIBEKO izao.

Dia mazava loatra fa abobobobo amin’ny radio sy télé ary gazety manerana an’i Madagasikara indray iny hetsika maha te-hidera dingana faharoa iny.

DINGANA FAHATELO : Misidina amin’ny fiara-manidina lasa mandeha maka ireo ZANDRINY ROALAHY any am-pitan-dranomasina ny ZOKIBE IOMBONANA SADY MPAMPIHAVANA Prezidà Zafy Albert. Vakian’izy telolahy miaraka miredona ilay fanambarana malaza. Fa eto dia miampy iray indray ny fanambarana vakiana mifandimby sy mifanesy indray kosa. Miampy fananganana tànana havanana. Fifampiarovan’ny samy mpiray rà Malagasy no atao. Arakara-jokiny hatrany.

- Prezidà Zafy Albert :Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izaho Prezidà Zafy Albert, fa iantohako tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FANANANA ARY NY FAHAFAHAN’IRETO ZANDRIBEKO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Didier Ratsiraka sy ny Prezidà Marc Ravalomanana izany”.

- Prezidà Didier Ratsiraka :Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izaho Prezidà Didier Ratsiraka, fa iantohako tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FANANANA ARY NY FAHAFAHAN’IRETO ZOKIBEKO SY ZANDRIBEKO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Zafy Albert sy ny Prezidà Marc Ravalomanana izany”.

- Prezidà Marc Ravalomanana :Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izaho Prezidà Marc Ravalomanana, fa iantohako tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FANANANA ARY NY FAHAFAHAN’IRETO ZOKIBEKO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Zafy Albert sy ny Prezidà Didier Ratsiraka izany”.

Ireo fanambarana roa sosona ireo no vakian’izy telo mirahalahy ANY AM-PITANDRANOMASINA ANY dia averiny vakiana indray koa raha vao migadona eto an-tanindrazana, ao amin’ilay efitranom-boninahitra eo Ivato ry zareo.

DINGANA FAHA EFATRA : Vitan’izy telo mirahalahy ny famakiana ireo FANAMBARANA ROA SOSONA. Dia anjaran’ny Foloalindahy indray kosa no mamaky ny fanambarana miezinezina ataony. Misy solotena telo avy tsongaina avy amin’ny miaramila sy ny zandary ary ny polisim-pirenena. Manamboninahitra, manamboninahitra lefitra ary vata-miaramila. Ezahana raha azo atao ireo tsangan’olona SIVY izany, izay misy disadisa sy misy lonilony no asaina mamaky ilay fanambarana iombonana manao hoe : “Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izahay FOLOALINDAHY MALAGASY, fa iantohanay tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FAHAFAHAN’IRETO RAIAMANDRENIBENAY TELO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Zafy Albert sy ny Prezidà Didier Ratsiraka ary ny Prezidà Marc Ravalomanana izany.”

Dia hanaovantsika vahoaka Malagasy tsy vakivolo fandraisana makotrokotroka sy manetriketrika ireo RAIAMANDRENIBENTSIKA TELO MIRAHALAHY nahavita namitrana fihavanana ireo. Samy mahazo miantsoantso izay DADA na BABA tiany antsoina ny tsirairay fa manana DADA sy DADILAHY TELO BE IZAO ISIKA MALAGASY. Fahasoavana be izany. Dia hoentintsika mitety ny renivohi-paritra 22 izy telo mirahalahy ho porofo velona hoan’ny vahoaka Malagasy sy hiaraka hitokana ireo kianjan’ny demokrasia manerana ny Nosy. Hovaintsika ny anarany amin’izay fotoana izay ho lasa hoe KIANJAN’NY TENY IERANA fa izay no mora azon’ny Malagasy rehetra. Mamatotra sy mifehy antsika rehetra mifandimby mampiasa ny kianja koa io TENY IERANA io. Fa tsy toy ilay demokrasia tsy haintsika loatra ka samy azo anaovana izay saim-patany. Na tsikera ataonao eo, na sosokevitra ataonao eo, na fizaram-baovao ataonao eo, na filazana alahelo, na fihobiana hafaliana, dia atao teny ierana avokoa. Teny ierana amin’izay vahoaka voavorinao eo. Fa teny ierana ihany koa sy indrindra koa ary fifandresen-dahatra amin’izay vahoaka tsy manaiky vorianao eo. Mihena amizay ny mpanaonao foana.

DINGANA FAHADIMY : Manohy ny maha Filohan’ny Tetezamita azy ny ZANDRIKELY IOMBONANA Andry Rajoelina sy amin’ny maha Praiminisitry ny Tetezamita azy ny ZANAKA IOMBONANA Monja Roindefo. Hapetraka ho Filoham-boninahitry ny Tetezamita kosa izy TELO MIRAHALAHY RAIAMANDRENIBE. Misokatra sy migodana be amizay ny lalàna mivoaka ny krizy sy fiaraha-mitantana ny Tetezamita ary ny fifampidinihana sy ny teny ierana isan’ambaratongany hampijoroana miaraka ny fototra faran’izay mafy orina ny Repoblika faha efatra. Azo adika hoe FANJAKANA IARAHA-MANANA ny Repoblika. Tsy hoe intsony Repoblikan’i Madagasikara. Fa lasa hoe Fanjakana iaraha-manana i Madagasikara. Mafilotra ery izany fanenony. Samy tompony na ny mpitondra na ny mpanohitra fa dia mifandimbidimby eo. Ifandimbiasana ny toerana amin’ny alalan’ny fifidianana irery ihany.

Lasa hoe Fanjakana iaraha-manana faha-4 i Madagasikara. Mampahatsiahy antsika Malagasy lalandava ny hadalana sy hafokana ary ny dingana ara-tantara efa vitantsika ny tarehimarika 1,2,3,4.

DINGANA FAHA ENINA : Miroso amin’ny fananganana VAOMIERAN’NY FAHAMARINANA SY NY FAMPIHAVANANA isika Malagasy. Izy telo mirahalahy RAIAMANDRENIBE no misantatra sy manome ohatra ny Malagasy rehetra miatrika io vaomiera io. Potsirina hiala hatramin’ny hakalany avokoa ireo VAY MAVENTY SY ALAHELO LALINA SY RAIKITAPISAKA REHETRA NIOTRIKA teto amin’ity Firenena malalantsika ity. Manaraka azy ireo avy ato aoriana ireo tompon’andraikitra isan-tokony sy sokajiny ary isan’ambaratongany nahavitra heloka bevava sy maventy teto amin’ny firenena. Habaribary daholo ny marina rehetra. Tsy misy afenimpenina. Aorian’izay vao misy ny fifonana sy ny fifamelan-keloka.

DINGANA FAHA FITO SADY FARANY : Vita hatreo ny tsy maty manota. Manome toky izy telo mirahalahy fa tsy maintsy MAHAVITA miaraka manangana ny HAUTE COUR DE JUSTICE na FITSARANA AVO MOMBA NY FAHAMARINANA eto amin’ny tany sy ny fanjakana alohan’ny fiafaran’ny Tetezamita. Rafitra izay tao anatin’ny Lalampanorenana anazy telo mirahalahy hatramin’ny 1975 io ka hatramizao, fa tsy nety nanana fotoana sy finiavana hanangana azy mihitsy ry zareo tamin’ny mbola teo amin’ny fitondrana. Fotoanany izao, ry zareo tsy eo amin’ny fitondrana izao intsony. Mba ho aro fanina sy lovasoa sarobidy hoan’izay mpitondra fanjakana ambony isan-tsokajiny ho voafidim-bahoaka manaraka eo.

Belanto sy Olombelo Ricky ary Malagasy vitsikely marobe mitovy hevitra aminay. Hevitry ny olombelona Malagasy tsinona ireo nangoninay sy naravonay ireo.

27 commentaires

Vos commentaires

  • 6 avril 2009 à 07:10 | Rakotomalala (#832)

    Alàlana sy voninahitra avy aiza no hitantanan’i zandrikelinareo ny tetezamita ?

    izy telo mirahalahy dia ekena fa samy efa nofidian’ny vahoaka Malagasy t@ fotoan’androny avy fa ity zandrikelinareo tsy lanin’ny vavon’ny nifidy azy ho Maire akory e !!!

    Raha hiditra @ izany ihany aleo izy telolahy no hijery izay hitantana izany Tetezamita izany fa ireo mahay hoe iza no olona tsy manjary hatr@ izay !!!

    Aza adino fa ny tsy mankasitraka tsotra izao zandrikelinareo mbola maro an’isa ... noho ny mpanohana ny ara-dalàna

    Isaorana ianareo namosaka ny tena ao an-dohanareo dia ny fanohanana ity Tetezamita-nareo ity ...

    Misaotra

    • 6 avril 2009 à 10:00 | Imaitso (#773) répond à Rakotomalala

      M. Rakotomalala, inona no mahasamihafa ny HCC tamin’ny 2002 sy 2009 ?
      Ary ny fifidianana an’izy mirahalahy (alàko soritra i Zafy Albert)ve dia afaka mi-garantir ianao fa madio mangarahara ?ary na ny fifidianana farany teo dia tsy mino aho fa maherin’ny 50% ny malagasy no nifidy an-Ra-8(maro ny tsy nifidy ary faute du mieux dia aleony nandatsaka ny maitso) Tsy fotoana hitanisana ny anomalie-n’iny fifidianana iny moa izao, fa ny hitadiavana vahaolana amin’ny fivoahana amin’ny crise.

      Misaotra an’ilay nandefa soson-kevitra : "taratasy misokatra". Tena marina fa ny famitranam-pihavanana no lalana hirosoana amin’izao kirizy izao satria dia efa tafalentika ao am-pon’ny malagasy tokoa ny fankahalana sy ny valifaty. Tsy afaka hanorina ny hoavy eo ambonin’izany aretina mitondra amin’ny fahafatesana izany isika.Alao hery ary ry Malagasy, mbola tsy tara isika ary aoka asehontsika fa isika ihany no afaka hamaha ny olana ny tokantranon-tsika fa tsy mila pression avy any ivelany.Manana harena isika dia ilay "Fahendren-drazana", lova navelany ho antsika taranaka. Amin’ny fotoana toy izao no hanehoan-tsika izany.

      Hamaliako an-ragasy, hoe aleo izy telolahy no hitondra : telo ve no indray hitondra tsy hifandripaka toy ny valala an-karona ? il faut automatiquement N°1, N°2, N°3. Tsara ihany ny hisian’ny Filoha iray eo ambany fiadidian’izy telolahy.

    • 6 avril 2009 à 11:17 | MAMPITENY MOANA (#1928) répond à Rakotomalala

      Misaotra anareo naneho ny hevitrareo, marina tokoa fa tena ilaina ny fampihavanana, ary zany no mampihavaka antsika malagasy, azo atao tsara zany indrindra amin’ireo ray aman-dreny telo lahy ireo fa tsy entre izy ireo ihany fa izy ireo sy ny vahoaka malagasy, toy ny nataon’i Prezidà Marc RAVALOMANANA tamin’ny volana mars lasa teo iny sa faran’ny février ni -mae-colpa izy, fa iza t@ ireo zoky ray amna-dreny roa ireo no efa mba nanao toy ireny, nefa t@ ireo aza dia fantantsika tsara fa nahavita ratsy be dia be lavitra hoan’ny vahoaka sy ny tanindrazana iombonana,

      Za dia miombon-kevitra amin’ny namana teo aloha fa tsy misy ilana io zandrikelinareo sy ny forongony io eo, bandy aventurier io, ny raharaha-pirenena tsy fanaovana aventure, ary raha fihavanana no tianareo atao, dia tena fomba tsy mendrika ary tena ratsy no nahatongavan’io zazalahy io teo, TSY MENDRIKY NY FIHAVANANA MAHA-MALAGASY, aleo ho eo ambany fitantan’izy telohay ny teteza-mita, ny Filoha RAVALOMANANA mijanona @ maha-filoha azy satria aza adino fa izy dia tsy nanao sonia taratasy fametraha-pialana ary ny gouvernement de transition et consensus dia eo amabany fitarihan’izy roalahy na ny iray, amin’ity taona ity ihany dia atap ny fifidianana ara-pomba demokratika eo ambany fanaraha-mason’izao tontolo izao, sao misy tsy ahatanty resy ndray eo

      averiko eto am-pamaranana fa tsy mila io zandrikelinareo terrorriste io ny firenena, tsy mendrika io zazalahy io ny firenena sy ny vahoaka malagasy, tena zazalahy ratsy io, ary tena ratsy, ataon’ireo goaika antitra tsy mahita atao fakana toerna,

      ny olona toa an-dry Alain andrimoseza sy ry Raveloson Constant, Mannadafy itony no mendrika ny vahoaka sy ny firenena

    • 6 avril 2009 à 13:42 | bema (#882) répond à Rakotomalala

      ra tadidintsika i alain andriamiseza ,izy no nahatonga ny empechement an ’i zafy , tsy nilamina ko izy tamindratsiraka , asa ze tamindravalo ,fa de mbola io ndray EFA BETSAKA NY VOLA AZONAO ZAY ALIAN FA MIPETRAHA TSARA

    • 6 avril 2009 à 14:01 | ASSISE (#1505) répond à Imaitso

      Tsy mitondra firenena no resahina eto fa mitondra ny ady hevitra hirosoana amin’ny teteza-mita sy ny fampihavanam-pirenena.

      Raha izaho koa aloha dia izy telolahy mianaka ireo no tokony hijoro satria ny mpomba azy ireo no hita hatreto fa ireo miverina eo ireo, mifandimby mifanohana amin’ny fandravana fanjakana.

      Raha mitadidy isika, i Me J. Sylla no niteny fa taranaka mpanao pôlitika ireo rehetra ireo, ka avy @ PSD, AREMA, UNDD, MONIMA, TIM, LEADER, MFM dia miafara amin’ny "ex" daholo izy izao, ny talohan’ny PSD dia ireo razan’ny pôlitika gasy.

      Koa azo inoana fa raha tsy miova izao fomba izao dia :

      1-tsy ho afaka ny lonilony pôlitika

      2-tsy misy antoko pôlitika manana soritr’asa sy tarigetra azo hianteherana eto

      3-lasa kilalao ny famadihana palitao, dia ny eo ihany no miverina eo

      4-fandravana matetika no mbola hitranga na inona làlàm-panorenana hapetraka eo.

    • 6 avril 2009 à 15:44 | fandresena (#299) répond à Rakotomalala

      tena mety izany fa dia samia mivavaka e ! mitambatra ny lolompo !

    • 6 avril 2009 à 22:23 | kokoly73 (#1049) répond à ASSISE

      Pour ASSISE,

      Tena marina ny zavatra lazainao, ary tohanako zato isan-jato satria dia toa lany andro mifamalifaty sy mifampitsikera, izay tonga eo samy manao hadalàna aby defa tsy hita intsony, tsy mbola sur mihintsy aho hoe hisy fampandrosoana eto Madagasikara fa dia toa lany andro mifampiandry kendritohina samy tsisy tonga lafatra izy telolahy ireo ,ary vaomaika loza koa no hafitsok’ity zazakely mitondra fanjakàna ity, tapaka ny tsinaiko rehefa nahita ny membren’ny gouvernemanta ny aho, ny tiako hotenenina dia tsotra ihany, maninona raha atao hoe " IZY EFADAHY" fa tsy izy telolahy , satria dia ny omaly no mitohy ary mbola holoza ny hitranga , saingy mba tokony hisaina ny malagasy mba tsy hisy hety hatao fitaovana intsony, ary mandinika ny làlana tokony hizorana fa tsy raha vao mahita olona mivorivory dia efa lasa manatevindaharana ,de mandrava sy manimba zavatra,

      Izay rangah !! aleo tonga dia antsoina hoe" IZY EFADAHY" sa diso ve ny hevitro ?????????????????

    • 6 avril 2009 à 22:31 | kokoly73 (#1049) répond à MAMPITENY MOANA

      Pour Mampiteny moana,,

      Raha zaho aloha tena tsy mankasitraka ny fampihavanana fa fihatsaràm-belatsihy no betsaka, hifandray tànana hoe !!! kanefa ny lolopo tsy miala ary ny kobay any ankelika ihany !!!

      Ry zareo ireo ange ka mhinana in3 isan’andro fa tsy sakafo tapatsinay , fa tsy manenjika hanina hohanina eran’ny elankelan-trano toy ny vahoaka madinika sy ambany , tsy tsampan’izy ireo anie izao e !! mafàna fo amboalohany fotsiny vokatry ny fitiavan-tseza ,fa izay tonga eo samy manao hadalàna aby ,tena manjary very hasina i Madagasikara tanindrazan-tsika fa toa lasa fanjakàn’ny baroa ,mba firenena nanana ny hasiny sy ny lazany ihany dia manjary viravirain’ny mpanao politika fotsiny,,,,

      Asa aloha e !! diso angamba aho

  • 6 avril 2009 à 07:23 | ragasy (#416)

    Goavana ity eritreritra ity ary azo tanterahina tsara mihitsy.

    Samy nanao zavatra tsy nety ary manana adidy amin’ny fanavotana ny tanindrazana, amin’ny famerenana ny hasin’ny Malagasy izay tena lasa mirefarefa amin’ny tany amin’izao fotoana izao.

    Tena miombo-kevitra aminareo aho.

    • 6 avril 2009 à 07:38 | ragasy (#416) répond à ragasy

      Ahitsiko kely, ahitsiko be mantsy é, fa izy telo mirahalahy no mitarika ny teteza-mita fa miala daholo ireo nanao amboletra. Soloina izany ny dingana faha-5.

      Ialako tsiny ny fahadisoako teo.

    • 6 avril 2009 à 09:23 | Rasoa (#1122) répond à ragasy

      Ho an’i Ragasy,

      Lava loatra ilay soso-kevitra ary izaho efa misento foana noho ity raharaham-pirenentsika ity.

      Raha mba fantatrao mantsy fa any amin’ny biraom-panjakana rehetra any saika efa voa-ova daholo ireo mitazona "poste politique" ? Dia ireo lava tànana" (corrompus) fahizany no tafapetraka. Maha ontsa !!!

      Raha ny hevitro aloa dia tsotra :

      Tsy maintsy hizotra ho any amin’ny 4èe république isika dia :

      1 - avereno aloaha ny ara-dalàna

      2 - izany hoe : avereno Atoa Ravalomanana dia atsangana ny "gouvernement d’ouverture hikarakara ny "assises nationales" hiantsoana ny hankolafin-kery rehetra ary ao anatin’izany ireo dadilahy telo.

      Fa raha io TGV io no avela eo dia ho ringana i Madagasikara fa efa manomboka ny fangalana ilay "manques à gagner" ary efa hita-maso ny fahapotehana amin’ny lafiny rehetra indrindra fa ny toe-karena sy ny sosialy ary indrindra koa fa ny eto Antananarivo

      Misaotra tompoko

    • 6 avril 2009 à 10:24 | ragasy (#416) répond à Rasoa

      Hevitra ireto arosoko an-dRasoa ireto. Ary miezaka aho mba tsy ho tora-po fotsiny izany.

      - I TGV dia aventurier fotsiny ary hialinkalofan’ny olona te-handrombaka fitondrana ihany.

      - Izy telo lahy ireo dia voaongana avokoa. Ary izy ireo no itoeran’ny lonilony sy lolompo. Tsy maintsy misy fifandeferana ary miankina amin’izy telo lahy ireo ny lakile raha ny fijeriko azy satria na i Zafy sy Ratsiraka aza toa tsy nanampo ny fizoran’ny toe-javatra.

      - Mila haravona ny disadisa sy ny fifankahalàna nanomboka tamin’ny 1991 satria tsy ho tafavoaka eto mihitsy isika raha tsy voalamina ireo ary mila halamina haigana, indrindra fa ny ara-toekarena fa dia efa mahantra loatra isika.

      - Fa antitranteriko fa izy telo lahy no miara-mitondra ny tetezamita ary mifanaraka amin’izay ho eo @ exécutif hanomana ny conférence nationale sy ny fifdianana rehetra tokony hatao.

      - Exit ry Ratsirahonana, Jean Eric Rakotoarisoa, Odon Razanakolona, HCC, Sylla, Rajemison ... izay olona tsy azo itokiana mihitsy fa tarondro be fotsiny.

    • 6 avril 2009 à 12:20 | Rasoa (#1122) répond à ragasy

      Azoko tsara ny tian-dRagasy lazaina.

      Tsy mbola "convaincue" aho amin’ny tokony hiarahan’izy telo lahy miara-mitondra ny firenena ?

      Sa hoe : i Ra8 no miverina ho filoha dia izy roalahy no manendry ny minisitra ?

      Raha izay dia mino aho fa mety ho tafavoaka satria :

      Atoa Ratsiraka dia "intelligent" saingy niasa be tamin’ny zavatra hafa ilay fahakingan-tsaina dia......

      Atoa Zafy indray, tsara be raha resaka "théorie" saingy tsy afa-miandry ny théorie-ny ireo "intelligent" dia taraiky teo...

      Atoa Ra8, dia araky ny voalazan’ny Patrick tao amin’ny EDTO hoe somary nampitoviany ny fomba fitantanana ny "Etat" sy ny "Privé", ary satria nisy finiavana "hampandroso" dia notereny hiasa be mihitsy ny ministry Ra8 noho izany, saingy, izay no lazain’ny sasany fa "dictature".

    • 6 avril 2009 à 13:23 | joie (#1827) répond à ragasy

      Marina ireo voalazanao ireo ary tena miombokevitra aminao ny tenako. Saingy ny dingana voalohany tokony hatao aloha dia ravaina ny HAT dia antsoina ho avy eto i Ratsiraka sy Ravalomanana. Dia atao @zay ny conférence nationale izay izy telolahy : Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert no mitarika ny fivoriana dia antsoina daholo ny parties prenantes rehetra, ny parties politiques ny société civile, ny fikambanana rehetra ny miaramila... sns dia ao anatin’io fivoriana io no atsangana ny comité indépendant hanomana ny élection présidentielle, ao anatin’io koa no hanendry ny président ny transition raha ilaina izany ary ao no hamoahana ilay convention hitanantanana ny transition araka ny nangatahin’ny Zafy Albert.
      Izay angamba no azoko ambara fa misaotra antsika rehetra mitady ny vahaolana @zao crise izao

    • 6 avril 2009 à 13:24 | Abunassuf (#1550) répond à Rasoa

      Hoi an’i Rasoa,
      TENA TSY AZOKO NY ANTONY MAHA ARA-DALANA AN-R8
      Izao mantsy ny fomba fahitako ny raharaham-pirenana hatra @ izay ka hatra @ izao ;
      1) I R8 no fototr’izao problems rehetra izao. a) Tsy lany izy t@ 2001, fa nanao hala-bato @ endriny vaovao (tsy arak izay mahazatra fa hoe mpitondra am-perin’asa no tena mangalatra) izay niteraka ny tsy fahasahiany sy ireo mpomba azy hiatrika ny 2em tour t@ fotoan androny.
      b) Nivadika t@ ireo fifanarahana sy ny fifandaminana niaraha nanao t@ Dakar II
      d) Nanao hazalambo izay tena napisara-bazana ny Malagasy rehetra.
      e) Refa nahazo ny fankatoavan izao tontolo izao t@ 2003 izy, de nanomboka sahady nanao tsinotsinona ny cotieurs, 1- nandrava ny equilibre regionale t@ gouvernement izay niara nitolona taminy,
      2- nandray tenany ho mpanjaka vaovao, ka nanda ny hiresaka @ ireo Gasy izay noheveriny sy nantsoiny fa mainti-hoditra, ohatra an-dry Voninahitsy
      3- noporetiny ny mpandraharaha
      4- Tsy nohajainy ny laicité de l’etat, niziziry ho vice pdt ny FJKM na dia tsy nankatoavin ireo mpanaraka an io fiangonana io, ny dikany : dia mba hanafenany ireo asa ratsiny sy fiarahany @ devoly.
      5- Ny fankahalany ny Karana sy silamo moa de tsy hita ho lazaina intsony.

      2) Ekeko fa samy nanana ny fahadisoana nataony ireo mpitondra rehetra teto, na i Ratsiraka, na i Zafy, na i R8 mpampianatry ny fandrobaha-pahefana voalohany teto Mcar, na isika entina koa aza de nanao fahadisoana, noho izany tena ilaina ny fifamelana fa saingy tokony atao manara dalana izay ;
      HIVERINA @ ARA-DALANA ISIKA ?????
      Izao ary :
      1) Ireo filoha ara dalana teto amin tsika ka mbola velona dia olona roa ihany, Ratsiraka sy Zafy
      2) tokony hiverina any @ 2002 isika raha tena ara dalana no katsahin tsika.
      3) Raha hiverina @ 2002 isika de tsy mety itsony ny 2em tour satria tsy nilainy sasany, ary kely ny finoako ny @ hahafahan i R8 hanao propangande any @ ireo district sasany izy tena miandry fatratra ny hanao vali faty azy.
      Ka mba ho fiarovana azy dia aleo ny TETEZAMITA no ajoro, ary ho entiny izay ara-dalana t@ 2002, dia Ratsiraka izany, ary apetraka ny convation, tsy mahazo milatsaka ny mpitantana ny tetezamita.
      Ka raha tena olo marina i R8 dia tokony hahafaly azy io tolo-kevitra io, satria nomena chance hilatsaka ho filoha izy rehefa vita ny tetezamita, raha ohatra ka tsy misy manda d arret avy @ CPI ny momba ireo nataony

      Mirary fahombiazana ho any tanindrazan tsika
      Abu

    • 6 avril 2009 à 14:11 | joie (#1827) répond à Abunassuf

      aza odianao fanina fa ankoatrany t@ 2002 ange nisy fifidianna teto t@ 2007 e. Raha tsy tokony ho lany i Ravalomanana t@ 2002 nahoana no mbola lany izy t@ 2007. lazaina fa nangala-bato Ravalomanana f’angah ny délégué ny grad iloafo tsy feno isaky ny bureau de vote nanaramaso t@ ireny fotoam-pifidianana ireny e. nahoana no tsy nanao reclamat° mihitsy ry zareo t@ izany reha nisy hala-bato. Ankoatrizay i Monja Roindefo ange nilatsaka t@ ireny 30 voix no azony eraky Madagascar, na ny fianakaviany aza tsy nifidy azy ? Ry RAtsirahonana , ry Rolland Ratsiraka efa nilatsaka daholo zara raha nahazo 5 isan-jato t@ fifidianana. Dikan’izany olona efa tsy tian’ny vahoaka malagasy daholo ireo mpikambana @ HAT ireo . Ny démocratie anie tsisy mihoatra ny fifidianana e. I Andry TGV indray dia 63% ny mpifidy teo Commune Urbaine ny Tanà hiany no nifidy azy. Aza adino fa Tananarivo mbola misy district hafa toy ny Antsimondrano, avara-drano fa tsy Commune urbaine A/vo irery. Ny dikan’izany dia tsy terena hanaiky any Andry TGV fotsiny ho président mihitsy ny malagasy rehetra satria na ny tenako aza tsy nifidy azy maire akory

    • 6 avril 2009 à 14:43 | ASSISE (#1505) répond à Abunassuf

      Raha ny fanazavanao no dinihiko eto dia tsy tokony nisy akory ny zava-nitranga tato ho ato.

      Ny tsy nety nataon-dRavalomanana dia ny naka tahaka ny tsy nety nataon-dRatsiraka ka tsy azoko ny hanomezana tsiny marin-drano an’i Ravalomanana hoe tsy filoha lanim-bahoaka.

      Mora manadino ny gasy raha ny tantara no jerena.

      Nomelohina i Ratsiraka fa namono na nampamono olona t@ 1991, nody mora fotsiny izy rehefa avy nanao sesi-tany ny tenany. Niadana anie ingahy Ratsiraka tany Frantsa sao heverinao fa mafy ady izy tany e !

      Natao ny fifidianana t@ 1996, fanontaniana : naninona no nisy fifidianana ? Valiny : satria naongan’ireo olon-dRatsiraka (mpamadika palitao) niara-niasa taminy ny Pr Zafy.

      Zafy vs Ratsiraka no nanao finale, iza no lany ? Lany Ratsiraka. Hadinonao fa nitaraina mafy ny Pr Zafy fa nangalarin-dRatsiraka ny valim-pifidianana tamin’iny fotoana iny, mbola vokatry ny asan’ny mpamadika palitao hatrany izany.

      Tsy azo tsinontsiniavina ny fitiavan’ny olona an’i Pr Zafy fa raha ny MadaRaid vitany mbola izy no mamim-bahoaka any ambanivohitra (70%).

      2001 hoy ianao fandrobaham-pahefana, disoiko izany hevitra izany. Tsy nitondra fanjakana aza i Ratsiraka t@ 1996, vitany ny baolina t@ Zafy, ka izay no maha diso ny filazanao hoe namadika voka-pifidianana i Ravalomanana.

      Ny marina, natanjaka ingahy Ravalomanana, nampiasa vola izy, narahiny maso akaiky ny fizotran’ny fifidianana hatrany @ birao farany kely indrindra, tsy afa-nihetsika ny olon-dRatsiraka sisa tavela. Efa leo koa ny olona toa izay mitranga ankehitriny. Tsy mbola nisy kandidà nahavita fitsidiham-paritra, resaka propagande, ohatra an-dRavalomanana.

      Tsy fandrobaham-pahefana ny 2001-2002 fa fifidianana ara-dàlàna saika nahodina (HOLD-UP).

      Ny antony tsy nanaovana ny referendum tato ho ato ? Satria mbola betsaka ny any ambanivohitra rehetra any tsy mahalala ny zava-mitranga ka hivoaka mpandresy ho azy Ravalomanana raha natao ny referendum, antony koa hanakanana ny fiverenan-dRavalomanana.

      Ny tsy ahasahian-dRavalo hiverina ? Dia mitovy tsy misy valaka ny t@ nataon-dRatsiraka t@ 1996, TSY POSSIBLE ny hiverenana eo satria ny tànan-dehibe saika izy rehetra no mihetsika manohitra izany.

    • 6 avril 2009 à 14:58 | ragasy (#416) répond à Rasoa

      Fantatro dia fantatro fa malahelo daholo ny pro-Ra8 rehetra @ io teniko io nefa tsy maintsy misy ny concession ary ny firenena tsy maintsy havotana. Tsy tokony ekena ity fanonganam-panjakana nataona jiolahim-boto ity nefa narovana mpahay lalàna. Mahamenatra sady manirikiry.

      Koa tsy maintsy esorina eo ireo, nefa @ fomba mihaja sy mamerina ny hasin’ny firenena ary mampiasa ny FIHAVANANA raha toa ka mbola misy dikany ihany izany. Satria dia ny maha-malagasy mihitsy anie izao no efa vohosi-potaka tanteraka é.

      Asa, raha diso mandefitra loatra aho aleo hiverina aty amiko ny teniko. Fantatry Rasoa ihany fa mafimafy fitenenana aho teto @ ity forum ity nefa misy ny fotoana tsy maintsy hampisehoana fandeferana ihany.

    • 6 avril 2009 à 15:09 | ragasy (#416) répond à joie

      Izay mihitsy. Fa tsy maintsy misy governemanta ihany anefa hitondra ny firenena mandra-pahavita ny zavatra rehetra ! Hifanarahan’izy telo lahy ny fanendrena ny ho lehiben’io ho solon’io HAT tsy manjary io.

  • 6 avril 2009 à 08:57 | LE VEILLEUR alias L’EVEILLEUR (#1331)

    - Misaotra indrindra @ soso-kevitra misy fandaharana asa mazava. Mankasitraka ihany koa @ ireo voambolana tena Malagasy azo ampiharina. Ny hevitry ny maro tokoa no mahataka-davitra. Mankasitraka e.

    - Ny Fanahy no olona

    Tena kanto ireo fa eo @ fanatanterahana azy no ilaina fitondrana am-bavaka sy angatahim-pitahiana. Ny ratra anatin’ireo namoy havana ohatra tsy mitovy lenta @ ny an’ireo voan’ny daka. Eo @ tantaran’izao tontolo izao dia efa nisy ireo olombe na filoham-piangonana na mpitondra fanjaka nanao hetsika toa izao. Isika tsirairay ihany koa no antsoina @ izany fifampihavanana izany mba tsy “handeha ila toa ny kiraron’i Beminaha” ny famahana ny olana. Anjaran-tsika Malagasy no miditra ao anatin’ny tantaran’izao tontolo izao @ ohatra omen-tsika. Ka ho porofoan-tsika fa ny fanahy tokoa no olona.

    - Mila fanilo telo ialana @ fampihavanana varo-boba.

    Avoitrako etoana fa ilaina ny famoahana ny marina (Vérité) araka ny voalaza ao @ fanambarana etsy ambony. Tsy tokony hadino ihany koa anefa ny rariny (Justice) sy ny toetra mandala fifankatiavana (Charité). Toko telo mahamasa-nahandro ireo ary samy mifanilo. Tsy misy afaka mandeha irery. Ny famoahana ny marina dia mila tsilovin’ny rariny ary atao am-pitiavana. Ny rariny dia mila miainga avy @ marina ary hazavain’ny fanehoam-pitiavana. Ny fitiavana tsy mifototra @ marina sy ny asa fanonerana ara-drariny ihany koa dia tsy mateza. Manam-petra ny fifamelana vitan-tsika olom-belona ka eto ny ilana ny fifanohanana.

  • 6 avril 2009 à 10:36 | madi (#1003)

    Miombok’hevitra tanteraka amin’Atoa Alain Andriamiseza aho ary tena mankasitraka ny fiarovany ny démokrasia amin’ny maha mpahay lalana azy.Marina avokoa ireny zavatra voalazany ireny ary tena maro ny lesona azo notsoahina nandritra iny interview iny indrindra hoan’ireo izay mbola misalasala sy ireo izay mbola miaro an-jambany io "fanongana-mpanjakana" io.Isaorako eramp-po eran-tsaina izy noho ny fahasahiany niteny avo ary nanameloka tanteraka tsy ampihambahambana io "fanonganam-panjaka io", miombok’hevitra tanteraka aminao aho Atoa ary inoaka fa maro be ireo olona sensé ka hahay anavaka ny manara-dalàna amin’ny tsy manara-dalàna.Misaotra sy mankasitraka topoko.
    Farany dia tsy mifanipaka velively amin’ny hevitr’i Rasoa ireo soso-kevitra ireo, izany hoe ahitsy sy averina amin’ny ara-dalàna aloha ny vahoaka=miverina amin’ny toerany ara-dalàna amin’ny maha filoha voafidim-bahoaka tamin’ny ara-dalàna azy Atoa Ravalomanana ; izay vao miantso ireo filoha teo aloha ary manao assise nationale ho fampihavanam-pirenena sy hitadiavana vahaolana amin’ifotony mba tsy hiverenan’ny crise politika toy izao intsony mihitsy fa andeha amin’ny ara-dalàna sy mangarahara avokoa ny raharaha eto amin’ny firenena.Tena itako hoe tsara ary tena mety ireo soso-kevitra natolotrareo ireo, ary tena mampisy fanantenana tokoa raha ireo no tanteraka.Araka izany ary dia hatreto aloha dia mbola mijanona ho "intru" araka ny filaza azy Atoa Andry rajoelina ka raha ny mahakasika azy indray dia aoka ny fitsarana (na io frantsay na io malagasy) no handray fanapahan-kevitra momba azy satria tsy azo adino fa heloka be vava ny fanonganam-panjakana ary ny azy moa dia efa itam-poko itam-pirenana mihitsy.tsy asiako teny bestaka ny mahakasika an’izay fa isan’ny mesure iray tsy maintsy hoalaina izany raha tena hiverina ao anatin’ny ara-dalàna tanteraka isika.

  • 6 avril 2009 à 11:34 | meloky (#637)

    Taratasy misokatra dia avelao hisokatra eo mandra-pa.
    Ny tantara dia tsy mijanona tsy mihetsika fa mandeha ary tsy ankihato. Raha miandry foana eto isika dia tsy aharaka izay tokony ho vita. Raha toa ka vonona tokoa hampandroso an’i Madagascar tokoa isika mianakavy, matoky aho fa fitadiavana hevitra handraisan’ireo telo lahy andraikitra marina no atao fa tsy fanambatambazana azy ireo handohalika. Efa mazava izay efa nataon’izy ireo tsirairay avy araky ny fotoana nitondrany. Koa hita fa samy manana ny tsy fahombiazany.
    Aoka hihevitra ny ho avy ny tanora ary hitady ny fialan-tsasatra sahaza azy avy ireo goaik’antitra. Raha misy tian-dreo atolony dia soso-kevitra ihany angamba. Raha te-handray anjara tanteraka dia tsy sakanana fa aoka hampiseho amim-panetrentena fa tsy fandrehetana hasosorana na fifanenjehana. Raharaha anatin’ny samy gasy ny hampandeha ny fiainana eto Madagasikara ka aoka tsy hampidirana hery na famoretana vahiny.
    Repoblika IV no ajoro ary izay te-handray anjara amin’ny fampandrosoana marina an’i Madagasikara dia aleo izy hiseho ary tsy avahana. Aoka ny vahoaka amin’ny alalany fifidianana no hitsara amim-pahalalahana. Ary ireo fantatra fa mpanetsika rihitry ny ady lahy sy fanakorontanana dia aoka ho tsihifina tanteraka. Fa ny vahoaka dia mendrika ny fampandrosoana fa tsy ady lahy.

  • 6 avril 2009 à 12:23 | xena (#774)

    Tena hita be hoe hevitra kidaladala zany ilay izy !
    Na zaza dimy taona aza ve hiteniteny foana ohatra izany rey olona ! Tena misy olona matapitapy mihitsy eto amin’ity tany ity an !

    • 6 avril 2009 à 13:26 | joie (#1827) répond à xena

      enao mihintsy no tena adaladala mba mieritrereta kely aloha vao miteny. Raha tena olom-pirenena marina sy mitady ny vahaolana @zao crise izao enao dia mba mitadiava hevitra dia arosoy izay hitanao fa aza faly mitsikera olona sy be taim-bava fotsiny

  • 6 avril 2009 à 13:24 | barykely (#392)

    Tsy ho halavaiko ny resako :
    Ny atao hoe Ray aman-dReny dia ny Filoha am-perin’asa.
    Azo ho eritreretina ve hoe i Mr Sarkozy
    hiantso an’i mr Chirac......Mirediredy.
    Raha misy tian’Andriamatoa Zafy na Ratsiraka hambara dia soso-kevitra no atolony.
    Mr.Chirac dia mahay mipetraka amin’ny toerana misy azy.
    Misaotra Tompoko

  • 6 avril 2009 à 16:41 | Rado (#172)

    Tsara tokoa ny manome sosokevitra, ary tena tsra ihay koa ny fisokafana @ ny ankolafin’olona maro. Mankasitraka mankatelina Tompoko ho an’izay nahafoy andro sy fotoana nanangona ny hevitra navoaka ny maro.

    Koa mba anisan’izany ity sosokevitra ity : rehefa nalaina teny an-dalambe ny Fahefana dia raisin’ny sasany eny koa, rehefa raisina t@ fampihorohoroana ny Fahefana dia alain’ny sasany @ fampiasana Hery ihany koa.

    Mba tsy hiverenan’izany intsony re dia aleo mihintsy aloa tsy mitondra i Andry fa manome fakam-panahy ho an’ny sasany fotsiny. Satria na ho ela na ho haingana tsy maintsy mbola hitsangana ihany koa ireo mahatsiaro voan’ny tsindry hazo lena.

    Ary tadidio anefa fa mety hihamafy noho izao ny fihetsika rahatrizay ka tsy voavaha ny olana.

    Aleo ihany koa tsy mitondra ihany koa Ravalomanana , sanatria tsy famaizana azy sy fanaovana tsinontsinona ny safidin’ireo nifidy azy fa kosa entina hieritreretana sy angalana fisainana sady hijerena ifotony ny olana.

    Amiko dia ny tsy fahampian’ny rafi-panjakana mitsara sy mamefy ireo Mpitondra no OLANA. Satria na marina aza ny filazan’ireo mpomba an’i Andry dia tsy anjarany mihintsy no mitsara sy maka fanapahan-kevitra ho fampijanonana ny Filoha am-perin’asa.

    Ary tsy t@ ity Fitondrana ity ihany fa ireo Fitondrana nisesy rehetra dia samy tsy nisy nanangana izany na dia voalaza ao anaty Lalampanorenana aza.

    Entina hisainana hoy aho fa tsy ataoko an-kery e...

  • 6 avril 2009 à 17:03 | Tsitapenambava (#1757)

    Tsara ilay soso-kevitra fa tsy tokony horohitina ny tantara. Ny krizy misy @ zao dia nateraky ny fifandonan-kevitra teo @ fitondrana Ravalomanana sy ny mpanohitra azy. Rehefa nihombo ny fahatezeran’ny olona @ fitondrana dia niafara tamin’ny famindram-pahefana an-tery nataon’ny filohan’ny repoblika t@ directoire militaire. Norombahan’i Andry Rajoelina teny am-pelatanan’ny miaramila ny fahefana avy eo rehefa nahavita nanakarama ireo miaramilan’ny capsat izy. Hatreo dia coup d’Etat no nisy. Ny fiverenantsika @ filaminana dia tsy io tetezamita io isaky ny mihetsika fa ny fanajantsika ny atao hoe LALANA. Izay mpitondra na ireo mihevitra ny hitondra firenena dia tokony ho modely ho an’ny vahoaka @ fanajàna sy fankatoavana ny lalàna velona eto @ tany sy ny fanjakana. Noho izany dia tokony hiverina any @ izay voalazan’ny lalàm-panorenana isika mikasika ny fifandimbiasam-pahefàna. Izany hoe foanana avokoa ireo didy hitsivolana namindra fahefana teo @ filohan’ny repoblika sy ny miaramila sy hitsivolana namindra fahefana teo @ miaramila sy Andry Rajoelina. Foanana ny didy nandrava ny antenimiera roa tonta. Mamindra ny fahefany @ filohan’ny sénat avy eo ny filohan’ny repoblika ka io no manangana governemanta iraisan’ny hery rehetra hanomana ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika hisolo an-dRavalomanana. Komisiona mahaleotena no hikarakara ny fifidianana ary eo ambany fanaraha-mason’ny firenena mikambana.
    Samy mandefitra daholo araka izay na ny avy amin-dRavalomanana na ny avy @ TGV. Raha tanteraka izao soso-kevitra izao dia azo inoana fa hijanona hatreo ny fandrahonana fanasaziana antsika avy @ fikambanambe iraisam-pirenena izay tsy azontsika tsinontsiniavina velively satria miantoka ny ampahany betsaka @ teti-bola kirakirain-tsika isan-taona. Jereo akaiky fa efa manomboka tsy misy vola intsony ao @ kitapo-bolam-panjakana ka izany no mahatonga ny sasany hanao asa fandrobana (miaramila mandroba orinasa) sy mangataka etsy sy eroa (Quincaillerie 2000,...). Efa manomboka miha-sarotra ny asa fihariana isan-tsokajiny fa voafetra ny fahafahantsika manafatra entana noho ny tsy fisian’ny vola (jereo fa ilaharambe izao ny gasoil sy lasantsy) sa tsy marina ?!

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS