Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2019
Antananarivo | 08h51
 

Malagasy

Taom-baovao malagasy

Hankalazaina ny faha 26 martsa indray !

samedi 21 mars 2009 | Arena R.
JPEG - 49.7 ko
Toy izao izany ny hetsika ho hita any Ambohidrabiby.

Taom-baovao Malagasy ! Toa vaovao amin’ny sofina ihany, indrindra ho an’ireo taranaka ankehitriny. Nefa dia zavamisy ary efa niainana tokoa. Hay ve ? Ankalazaina indray izy ankehitriny, efa taona vitsivitsy mantsy eh, saingy tsy re tsaika toy ny saka fotsiny ny fankalazana hatramin’izay. Tsy fantatra loatra izay nahazo ireo mpikarakara, ry zareo ao amin’ny Trano Koltoraly Malagasy, fa dia amin’ny fomba manetriketrika no hanatontosana ny lanonana amin’ity taona ity.

« Ny faha-26 martsa amin’ny fito ora hariva eo ho eo no hiposaka ny volana “Alahamady”, io ilay voalohan’ny taona ho an’ny Malagasy », araka ny fanambarana nataon’Atoa Randrianjatovo Henri, filohan’ny Trano Koltoraly Malagasy, sady mpandinika ny kintana sy ny zava-miafiny rahateo. Mpikaroka hoy ny fitenenana. Toy izay koa no nambaran’Atoa Rabearifeno, zokiolona tao amin’ity trano koltoraly ity, ary milaza ihany koa fa mpikaroka, ary mpandinika ny fiovaovan’ny kintana. Izy moa dia efa manana ihany koa ny mpanaradia azy.

Sambany teo amin’ny tantara raha ny fahitana azy no mba mitovy ny daty tinondron’ireto milaza azy ho mpikaroka ireto momba ny taom-baovao Malagasy. Io tsy fitoviam-pandinihana io mantsy dia fototry ny fizarazarana hatramin’izay, ka hatramin’izao. Samy miseho ho lohany e, hany ka ny fomba Malagasy, ny kolotsaina mihitsy no lasa very. Adino raha izay no tiantsika. Kisendrasendra ihany anefa izany satria, samy hankalaza ilay « Asaramanitra » amin’ny toerana samy hafa ny roa tonta amin’ity. Randrianjatovo Henri sy ny namany eny Ambohidrabiby. Rebearifeno sy ny mpanaradia azy etsy Analakely, ao amin’ny Tahala Rarihasina.

Itovizana ny andro fa…

Tsy mbola fantatra aloha ny fizotry ny lanonana ho an’ny etsy Analakely. Voalaza kosa fa ny faha-26 sy 27 martsa ho avy izao no hifaly havanja ny etsy Ambohidrabiby. Fety mitovy tsy misy valaka tamin’ny nataon’ny mpanjaka vavy Ranavalona faha III tamin’ny fotoan’andro. Roa andro be izao. Ny fahasamihafana,- mba tsy hilazana fa maka tahaka be fahatany ve ? dia amin’ity indray mandeha ity tsy mialoha ny andro lehibe, toy ny taloha, no manomboka ny lanonana fa amin’ny andro mana-tantara mihitsy.

Manomboka ny Alakamisy 26 martsa ary dia hisy ny fandraisana ireo kitain’ny fikambanana samihafa vohitra manodidina. Misy lanjany lehibe hono ny kitay amin’ny tantara toy itony. Misy ihany koa ny fanombohana ny arendrina, toy ny tamin’ny fotoan’androny e ! Ary ny maha-Malagasy antsika dia tsy adino ny kabary fanokafana, ny vako-drazana, ny lanonana maro mandra-maraina, ary ny fandroana.

Fety be. Ny Zoma faha 27 martsa io. Mamoha mandry manomboka amin’ny 6ora maraina. Mamono omby avy eo, io no mitondra amin’ilay hoe « nofon-kena mitam-pihavanana », ny kabary ofisialy, ny tatao na vary amin-dronono tondrahan-tantely, ny « zara hasina » na fifanolorana salohim-bary ho endriky ny voninahitra hifanomezana vokatry ny fandresena ny mosary, ny « fanolorana mari-pahatsiarovana » ary ny « tsidi-bohitra ».

Ankoatra ny fety dia… soatoavina

Haverina indray hono ny soatoavina malagasy fa very ! Noho io fahaverezany io indrindra hono no fototry ny korontana nisy teto amin’ny tany sy ny fanjakana hatramin’izay araka ny fanazavan’ny mpikaroka ao amin’ny Trano Koltoraly Malagasy. Iza anefa no nanary azy ? Dia tsy misalasala ny tompon’andraikitra mamaly hoe, « Ny Malagasy rehetra ». Tsy fantatra aloha ny tena fahamarinan’izany fa araka ny fanazavany dia « nohon’ny fandrosoana hono dia lasa no tsinitsiniavina ny soatoavina maha-Malagay ».

Ny « Asaramanitra » dia androm-piravoravoana ho an’ny Malagasy eny hatramin’ny taloha ela be. Andron’ny mpanjaka hono izy io. Ranavalona faha-III ohatra dia nankalaza azy isaky ny 22 novambra, andro nahaterahany. Ny mpanjaka tao Alasora sy Ambohidrabiby kosa dia nametraka azy isaky ny fiandohan’ny volana Alahamady, ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahany. Noho izany dia tsy azo atao ny mandatsa-drà, ary tsy maintsy mifandefitra mandritry ny fety. Noho izay indrindra dia manao antso avo amin’ny vahoka Malagasy sy ny mpanao politika ny mpikarakara mba hampitsahatra ny « gidragidra » misy eto. « Sao dia mba misy hevi-dalina kosa ary ao e ! ».

4 commentaires

Vos commentaires

  • 21 mars 2009 à 15:58 | dodi (#393)

    Ary toa tsy misy miraika amin’ity mihitsy ny olona ? Sa mbola variana @ raharaha politika ?

    Amin’ny 26 mars 7:08 hariva tokoa no tsinana ny volana Alahamady, volana voalohany @ taom-baovao malagasy.

    Misy ny taom-baovao sinoa, iranianina, heboreo, sns. Samy manana ny fanombohany daholo ireo. Fa inona kosa no taom-baovao tena izy ka tokony iraisana ?

    Tsy misy olona afaka mametraka izany angamba, na dia isika Malagasy aza, satria hoe maha-Malagasy fotsiny, fa ndeha mba hojerena ny voalazan’ Andriamanitra momba izany. (Miala tsiny aloha fa tsy manana Baiboly malagasy en ligne, fa @ teny firantsay no misy e !)

    Genesisy 1:14 :

    Dieu dit : Qu’il y ait des LUMINAIRES dans l’étendue du ciel, pour séparer le jour d’avec la nuit ; que ce soient des signes pour marquer les EPOQUES, les JOURS et les ANNEES ;

    Araka izany, dia ny masoandro sy ny volana (ary ny kintana ?) no efa nataon’ Andriamanitra ho famantarana ny vanim-potoana sy ny andro ary ny taona.

    Tamin’ny fotoana hankalazana ny Paka, dia toy izao indray no voalaza ao @ Eks 12:1-2 :

    L’Éternel dit à Moïse et à Aaron dans le pays d’Égypte :
    Ce mois-ci sera pour vous le premier des mois ; il sera pour vous LE PREMIER DES MOIS DE L’ANNEE.

    Io volana io dia ny volana Aviv (na Nisan taty aoriana) @ kalandirie heboreo, ary ny 1 Nisan 5769 dia manomboka @ 26 mars 2009 koa.

    Raha ny didin’Andriamanitra t@ zanak’i Israely izany no ifotorana, dia io no tokony ho volana voalohany @ taona, ary tena mifanitsy @ volana Alahamady malagasy mihitsy izany.

    Tena azo ifotorana tsara izany ny kalandirie malagasy, satria mifanaraka @ voalazan’Andriamanitra.

    • 21 mars 2009 à 21:37 | fandresena (#299) répond à dodi

      mpanompo sampy ajanony io ! Fiverenana amin’ANdriamanitra izao fa fanaovana fanompoan-tsampy ! izany no nantony tena tsy mahasambatra an’i Madagsikara !
      Mivavaka etsy , mnompo sampy eroa !
      ANdriamanitra ao am Jesoa Krsity irery ihany no ivavahana ary ny ràn’i Jesosy Krsity irery ihany no mahavonjy !

  • 22 mars 2009 à 10:24 | rainidimy (#340)

    Azafady aminao Fandresena fa disoiko kely ianao. Kristiana toa anao, tanora ary nandany ny fotoam-pialan-tsasatra teny ambanivohitra, tsy mihambo ho mahalala tanteraka ny kolontsaina malagasy . Tsy fanompoan-tsampy velively raha toa ka mankalaza ny alahamady, toa anao manaiky ny 01 Janoary izay noraisin’i Madagasikara nanomboka t@ andron’ny fanjanahantany. Ny daty rehetra, anatin’ny boky taloha na kabarin’andriana sns dia toy ny hoe vonto alahamady taona...., tsy hitako izay maharatsy azy raha toa ka mijanona ho lanona tsotra ary mety indrindra aza ny hanaovana azy mba tsy ho very ny soatoavina sy ny fahendrena malagasy( tsy misy fiankohofana @ i Ikelimalaza, sns...). Ny kolontsaina vahiny no tsy voafehintsika ka mahatonga ny firenena ho toy izao. Fiarahamonina notezaina tsy hisaina afa-tsy vola aman-karena, very tsikalakalam-pihavanana. Lazaiko anao fa mitsiriritra ny antsika sy ny an’ny firenena mbola mitana ny fomba amam-pahendreny ny tandrefana. Firy akory ny fotsy hoditra no miezaka mianatra na mandalina mihitsy aza ny boudhisme ohatra satria misy fahendrena lalina fonosiny ( tsy miteny mihitsy aho eto hoe ekeko 100% io finoana iray io). Isika foana no mbola mihevitra fa rehefa malagasy, tena malagasy dia ratsy na fanompoantsampy. Mbola voazanaka ara-toetsaina isika ary mazava loatra ny zava-mitranga satria mandany vola aman-tapitrisany ny tandrefana mba hanasohasoana ny azy, hametraka izay olona fantany fa azo tampenamaso eo @ fitondrana hahatonga antsika ho mpividy mahafatrapo sy ho fitsentsitra. Jereo fotsiny ange Japon dia ho tsapanao fa mitazona tanteraka ny kolontsainy ( ny fanajana fitsipika sy ny antanantohatra (hiérarchie)izy saingy nisintona kosa ny fahaiza-manao tandrefana. Aiza ka aiza izy izao nefa 15 taona monja talohan’ny niverenan’ny fahaleovantenantsika ry zareo no potika tanteraka . Isika lany andro niady fahefana, sivilizasiona tandrefana. Na ny tenintsika madio aza mahamenatra antsika ka aiza moa ( mino aho fa mety handratra ny sofinao koa aza ny teny malagasy fampiasa andavan’andro).

  • 25 mars 2009 à 13:11 | Rhanary (#1577)

    Fa manino kay ny Malagasy no toa tsy mba tia ny vokotra vita gasy nefa io taombaovao io anie ka tena antsika Malagasy tsy misy fangarony e ? Tokony mba ataon’ny fitondrana ho andro hifaliana miaraka ireny fankalazana taombaovao gasy ireny fa tsy ny an’ny vahiny ihany no arahina isaky ny mihetsika. misaotra ny fahatsiarovantenantsikarehetra ny amin’io fety be antsika Malagay manokana io e ! Dia samy salama aby tsika mianakaby dia ho tratry ny taombaovao daholo. OK !

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS