Articles écrits par « Hery A. »
-
Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery
mercredi 24 septembre 2008 |
Hery A.
| 665 visites
Jiolahy iray tokony ho 30 taona no maty voatifitry ny polisin’ny GIR, teny Isotry omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Rotidrotiky ny bala ity jiolahy ity. Nanamafy ny mpitandro filaminana nanao ny fisavana azy, fa nahitana basy fohy marika MAB teny aminy, niaraka tamin’ny bala roa. Afa-nandositra ny namany, izay tsy fantatra mazava ny isany. Raha ny fanamarihan’ireo polisy, dia mitondra sakaosy avokoa izy ireo.
Efa niparitaka ny laza ratsin’ireto jiolahy ireto eny amin’iny faritra (…)
-
Famotsiam-bola
lundi 22 septembre 2008 |
Hery A.
| 870 visites
Tsy biby fampitahorana ny sampan’asa SAMIFIN misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Tsy mifankaiza loatra amin’ny asan’ny Bianco no sahaniny. Manam-pahaizana amin’ny fanadihadiana mahakasika ny anjara asany avy izy roa tonta. Mampiavaka ny Samifin amin’ny Bianco, dia izy mpanao fanadihadiana ny fisian’ny vola tsy ara-dalàna amin’ny orinasa na fikambanana sns..., raha sahanin’ny Bianco kosa ny ady amin’ny kolikoly izay mahakasika ny olona sy sampan-draharaha tsy ankanavaka. (…)
-
Fanampiana ataon’i TIM
Aleon'ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon'ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin'ny zanany no namadika izany ho vola teo amin'ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety.
Ny anton'io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana (…)
-
vendredi 19 septembre 2008 |
Hery A.
| 1004 visites
Manao ny fanisana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo ary nampanantena fa hampidirina ho ara-dalàna ireo mpivarotra ka hanome tsena hivarotana. Fanavotana tokoa tsy misy ohatr’ity satria mba misy mpandraharaha mahatsapa ihany fa tsy safidin’ny malagasy akory ny hivarotra amoron-dalana. Fantatry ny ben’ny tanana fa ireo mpiasan’ny orinasa afakaba voaroaka tato ho ato noho ny fikatonan’ny orinasa no nampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana. Tao anatin’ny 15 andro farany dia (…)
-
jeudi 18 septembre 2008 |
Hery A.
| 977 visites
Tsy faly indray ny mpanao politika sasany fa rava hatreo ny nofinofy efa lasa lavitra. «Ho raikitra ity !» hoy ny sasany «nanaraom-pako» tamin’iny raharahan’ny kaominina sy ny Samva ary ny fanjakana iny. Ny fidinana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey sisa no nandrasana dia vaky indray ny sarom-bilany. Indrisy ! lasa nanaraka ny mpamorona azy iny tononkalo iny. Sarotra ny hino fa hisy afaka handimby an’i Rado, nahazo fandresena tamin’ny alalan’ny asa soratra.
Ny ben’ny tananan’Antananarivo (…)
-
Jiromanga bibiolona
jeudi 18 septembre 2008 |
Hery A.
| 14925 visites
Na tsaho na tsia, ny lazan’ny fisian’ny bibiolona any ambanivohitry Mananjary, naha be resaka tany an-toerana nandritra ny herinandro izay, dia misy fiantraikany goavana izany amin’izao fotoana izao. Manidy trano takariva ny mponina noho ny tahotra.
Tsy sahy mivoaka ny trano kosa ny vehivavy satria ny fanolanana vehivavy no tena nampalaza izany bibiolona izany.Jiro manga moa no tena ahafantaran’ny olona azy satria toa hoe mangamanga manjelanjelatra ny masony. Tonga eto an-drenivohitra ny (…)
-
Korontana
lundi 8 septembre 2008 |
Hery A.
| 670 visites
Mirongatra ny asan-jiolahy manerana ny Nosy, raha izay enim-bolana voalohany amin'ity taona ity no nanangonana antontan'isa teny anivon'ny mpitandro filaminana ambanivohitra. Nahatratra 106 no isan'ny tranga nahian'ny mpitandro filaminana ka ny teto amin'ny manodidina an'Antananarivo no nahitana tranga be indrindra, raha voamarika fa ny fari-piadidian'ny Fianarantsoa no loha laharana tamin'ny taona 2007. Ny fari-piadidian'ny Toamasina kosa no nahaverezana fananana be indrindra satria (…)
-
Antananarivo renivohitra
vendredi 5 septembre 2008 |
Hery A.
| 843 visites
Voafatotry ny loko politika tanteraka ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao ka manomboka miseho tsikelikely ny fiantraika ratsiny. Ny zavatra efa nampoizina hatramin'ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna no miseho ankehitriny. "Ho potika ny zava-bitan'ny PDS teo aloha", hoy ny sasany. Hitombo be dia be ny takela-by ho an'ny dokam-barotra", hoy ny sasany. Ity takela-by ity moa no nalaza tamin'izany, sady nisy rahateo ny (…)
-
Filaharana vola
jeudi 4 septembre 2008 |
Hery A.
| 573 visites
Isan-tapabolana eo no ahitana ny olona mitandahatra maka vola amin'ny banky eto an-drenivohitra. Mpandray karama ny ankamaroan'izy ireny ka amin'ireo fotoana fivoahan'ny vola io maha be mpilahatra azy io, dia ny faha 15n'ny volana sy ny faran'ny volana. Raha natao fanadihadiana ny sasany amin'izy ireo dia saika mifaoka ny vola rehetra ao anatin'ny kaontiny. "Io aza tsy ampy" hoy ny sasany. "Tsy ajanonay ao ny volanay", hoy ny hafa. Tokana ny noheverina ho tombontsoa hoy ireo mpiasa dia ny (…)
-
samedi 30 août 2008 |
Hery A.
| 865 visites
Milamindamin-dratsy ! Izay no azo ilazàna ny rivotra iainana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Toa misy korontana anatiny misavorovoro izany eo anivon'ireo mpitondra fanjakana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharahan'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra sy ny Fitondrana foibe fotsiny. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana, hoy ny fitenenana, fa misy tanjona ambadika ao saingy tsy mazava loatra. Ny tontolon'ny fandriampahalemana koa etsy andaniny toa mikitikitika ny raharaha (…)
-
Lozam-piarakodia
jeudi 28 août 2008 |
Hery A.
| 751 visites
Niteraka resa-be indray ny loza nataon'ny taxi-be 194 izay nandona olona teo Ankorondrano tamin'ny talata lasa teo. Alohan'izany anefa dia tsara ny mahafantatra fa tsy misy ahiana ny ain'ilay tovovavy 16 taona nofaohin'ity taxi-be 194 ity. Nozairina ny molony, ary mbola tsaboina ny faritra samihafa amin'ny tenany. Roa vavy no voadona tamin'io ka ny iray efa nalefa nody. Niandraikitra ny fikarakarana rehetra teny amin'ny hopitaly HJRA ilay mpamily.
Etsy andaniny anefa dia vitsy ireo taxi-be (…)
-
Manakara
mardi 26 août 2008 |
Hery A.
| 904 visites
Noho ny fomban-tany sy fomban-drazana hatramin'izay dia ny 10 %n'ny vehivavy ao amin'ny distrikan'ny Manakara ihany no mba manana tany. Na eo aza mantsy ny lalàna manome ny zon'ny olona rehetra ho afaka mandova ny fananan'ny ray aman-dreniny dia noferan'ny fomban-drazana izany ka tsy mahazo mandova tany ny vehivavy na ny zanaka vavy io. Mazava ho azy fa an'ny lehilahy hatrany ny fandimbiasana ny anaran-dray any amin'ity distrika ity. Manoloana izany sy manoloana ny fitovian-jo eo amin'ny (…)
-
Fitaterana
samedi 23 août 2008 |
Hery A.
| 908 visites
Voatohintohina ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ity mpamily mpitondra mpizahatany vahiny iray, raha nosakanan'ny zandary teny am-pitondrana ireo vahiny. Nosakanan'ny zandary mantsy ny fiara nentiny ka nampisehoan'ny zandary boky kely iray ny mpamily. "Tsy azo ampiasaina eto Madagasikara intsony ny fiara misy familiana any amin'ny an-kavanana" Lalàna manamafy an'io no nasehon'ny zandary ka dia nifanazava teo aloha. Nampahafantarin'ilay zandary fa nampiharina nanomboka tamin'ny faha 6 (…)
-
vendredi 22 août 2008 |
Hery A.
| 584 visites
Mitaky paik'ady iraisana ny tontolon'ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Tato anatin'ny taona vitsy nifanesy dia tena nanjaka ny tsy fandriampahalemana. Ny halatra omby moa dia efa samy manana ny paik'ady ny isam-paritra. Ao ny nanao ny valabe, iandrasana ny omby tsy ho lasan'ny dahalo. Ao ny vata maintin'ny fandriampahalemana toy ny ao amin'ny faritra Bongolava. Santionany ireo, izay samy mba nahitam-bokany avokoa. Ny olana eto dia ny sakatsakana mahazo ireny hetsika manokana ireny. Tsy (…)
-
jeudi 21 août 2008 |
Hery A.
| 728 visites
Tafiditra lalina amin’ny tontolo politika ny fiangonana FJKM amin’izao fotoana izao. Faritana amin’ny hoe « fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny fiangonana », saingy toa ny olon’ny politika avokoa no avy aty amin’ny fanjakana, ary ireo birao sasany dia efa ela nihetezana rahateo, amin’ny fahaiza-miaraka amin’ny politikam-panjakana ;
Tsara ny fitazana ny fiaraha-miasa nandritra iny 4 taona lasa iny. Nihazakazaka ny fifanampiana ka saika nanana endrika vaovao ny ankamaroan’ny fiangonana FJKM. (…)
-
Kaominina Andoharanofotsy
lundi 11 août 2008 |
Hery A.
| 882 visites
Mandalo eny amin'ny faritra atsimondrano eny ny fisafoana ny entana lany andro sy tsy ara-dalàna eny amin'ireny mpivarotra enta-manidika ireny. Savaina avokoa ny entana rehetra ka nahitam-bokany tokoa izany. Saika efa lany andro ireo entana amin'ny fivarotana enta-madinika, sy vaventy. Ny zava-pisotro, na amin'ny tavoahangy, na amin'ny zavatra hafa, ny biscuit, ny hena am-by fotsy sns... no tena betsaka lany daty, misy aza efa tamin'ny taona 2006. Ninia nivarotra izany ireo mpivarotra ka (…)
-
Anosibe
lundi 11 août 2008 |
Hery A.
| 721 visites
Olona tamin'ny tokantrano roa samihafa no indray niantso vonjeo tamin'ny zoma alina nifoha sabotsy, tokony ho tamin'ny iray ora alina teo. Tao amin'ny tanàna iray ao Mandrangobato II, Anosibe no nisehoan'izany. Tsy fantatra na tarika iray ihany izy ireo na jiolahy andiany roa samihafa fa niara-nigadona ny antso vonjeo sy ny feon'ny kiririoka. Fianakaviana iray mpanamboatra vatomamy ny iray. Jiolahy miisa 5 eo ho eo no tazan'ny tompon-trano. Nisy nandona ny varavaran-kely saingy tsy sahy (…)
-
Teny zato kabary arivo
samedi 9 août 2008 |
Hery A.
| 870 visites
Mibahana ny sain'ny maro ny tontolon'ny fitaterana eto Madagasikara. Tsy tantaraina intsony ny resaka solika fa efa samy mahatsapa ny tokony hataony. Amin'ny ankapobeny aloha dia toa nanaitaitra ny mpitondra fanjakana ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato, na an-dranomasina io, na an-tanety.
Saika aorian'ny loza hatrany vao hentitra ny fanjakana, hany ka izay tratra farany no tena manefa. Mitamberina indray ny fampatsiahivana ny lalàna velona izay efa nisy hatramin'izay. Ny teny (…)
-
Taxi-be 110
jeudi 7 août 2008 |
Hery A.
| 1266 visites
Ny resaverana taxi-be indray izao no mampisahotaka ny mpandeha taxi-be, manoloana ny fiovan'ny sonia ataon'ny governoran'ny Banky foibe amin'ny vola taratasy. Raha oharina amin'ny sonia teo aloha, dia nisy fiovana ihany koa eo amin'ny soratra sy sary amin'ny vola taratasy Ar. 100 hatramin'ny Ar.10000. Misy amin'ireo taxi-be anefa no tsy mety mandray ilay vola nisy sonia teo aloha. Tsy avelan'ny patiraony mandray an'ireny hono izy, ka dia nolaviny ankitsirano izao. Sendra ity taxi-be 110 (…)
-
Teny zato kabary arivo
jeudi 7 août 2008 |
Hery A.
| 624 visites
Varimbariana ve ny mpanohitra sa mbola itambesaran'ny alahelo noho ny fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika ? Tsy henoheno, mangingina...sa miketrika ? Fotoana fiomanana tokoa izao raha mbola hilomano maharitra ao anatin'ity tontolo politika ity. Tsy misy tanjona afa-tsy ny fifidianana amin'ny taona 2012. Efa niainga hatry ny ela ny antoko matanjaka eo ambany fiahian'ny manampahefana eto amin'ny firenena. Mandeha tsy misy mpanohintohina ny fanomanana. Voapetraka ny ankamaroan'ny (…)