Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 20h51
 

Répondre à un commentaire

9 avril 2021 à 11:21 | Vohitra (#7654)

1. Botry iray niditra eo antampon-tanàna lehibe iray, izay misy ireo hery rehetra mpiandry sisintany, dia tsy hitan’ny fanjakana akory fa dia tonga ho azy mitondra loza…

2. Nolazaina fa nahita sy manana fanafody no sady fiarovana ny Firenena, nefa ny mpitondra manampahefana rehefa marary, dia mandeha any ampita mitsabo tena, fa tsy mionona sy miantehatra amin’ilay lazainy fa fanafody mahagaga

3. Napetraka sy novoizina ireo fepetra ho fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina, izy manampahefana ihany nefa no manitsaka izany amin’ny famoriana vahoaka amin’ny lanonana sy kabary miaro angoantenda etsy sy eroa

4. Nakatona ny seranampiaramanidina mandray ireo sidina avy any ampita, ary i Nossy Be irery sisa no afaka nandray izany ary mijanona ao Nossy Be ihany, saingy tonga hatrany Ambanja, Toamasina sy Antananarivo ny mpanakanto tonga tao Nossy Be, ary namory vahoaka tamin’ireo toerana rehetra nalehany

5. Tsy lazaina ary atao ho tsiambaratelo foana ny fitsinjarana ny fitiliana isamparitra, ary tsy atao fantatra ihany koa ny toerana hanaovana fitiliana ao anatin’ny Faritra isanisany, ary mbola tsy atao fantatra ihany koa ny vokatry ny fitiliana isaky ny Kaominina ao anaty Faritra iray…izay mitory avy hatrany fa afenina ny vahoaka ny toerana sy tanàna tena misy sy hianahan’ny valanaretina

6. Lazaina fa maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fanafody entina hitsaboana ny marary voan’ny Covid, saingy ny indro kely dia…sady tsy ampy ny mpitsabo mpanaramaso…no tsy misy ny fanafody zaraina maimaimpoana…no tsy ampy ny oxygène no sady mbola vidiana lafo…no maro ireo marary tsy voaray sy tsy tafiditra intsony eny amin’ireo toerampitsaboana…no maro ireo marary miparitaka any anaty fiarahamonina izay voatosika tsy voaray teny amin’ny toby izay efa tsentsina sy feno…

7. Nolazaina fa ampy hifehezana ny fihanahan’ny aretina ny zavamisy eto antoerana…nefa ireo manampahefana dia mandeha antsokosoko manao vakisiny any ampitandranomasina…

8. Hampiditra ireo tsara sitrapo vaovao hono hikarakara ireo marary efa eny amin’ny tobimpitsaboana misy…fa angaha efa tafiditra ho mpiasampanjakana feno daholo avokoa ireo rehetra efa niatrika ny fihanahan’ny valanaretina tamin’ny taona 2020 izay efa mahafantatra tsara izay tokony atao manoloana ny zavamisy ?

9. Tsy mifanitsy mihintsy ny tarehimarika mikasika ny fitiliana atao sy ny fanarahamaso ary ny fitiliana ireo olona nifanerasera tamin’ireo marary voaporofo…

10. Betsaka amin’ireo Razana entina mifamoivoy sy mivezivezy etsy sy eroa no heno fa maty noho ny valanaretina Covid, saingy tsy voasoratra mihintsy ao amin’ny taratasy milaza ny anton’ny fahafatesana sy fahazoana alalana handevina izany zavamisy izany…

11. Misy mpitsabo tsy miankina amin’ny fanjakana izay manao fitiliana sy manao fitsaboana mitokana, ary mandray marary mitondra soritr’aretina sahala sy manakaiky ny Covid, nefa tsy manao fanambarana mikasika izany amin’ny fanjakana sy tomponandraikitra mahefa…

12. Betsaka tokoa ny marary mbola tavela sy mifangaro ao anaty fiarahamonina

13. Etsy amin’ny morontsiraka akaiky antsika eo Afrika Atsinanana, toy ny any Kenya ohatra izay nisy fifandraisana anabakabaka tamintsika, dia efa fiparitahana fahatelo « troisième vague » no resahana vokatry ny fivoaran’ny valanaretina…dia mahatonga ny eritreritra hoe, sao kosa dia nisy dingana efa niseho teto fa nafenina sy tsy nasiana fiheverana manokana ka izao tonga amin’izao fahavoazana tampoka sy mahery vaika izao ?

Fehiny : lavo sy trotraka tanteraka ankehitriny ny antsoina hoe « fahasalamambahoaka », lavo noho ny tsy fandraisana andraikitra, noho ny fitavozavozana, noho ny tsy fanaovana laharampahamehana ny fiainambahoaka mivantana, noho ny tsy fahaizana mitantana ny volambahoaka…ny kianja sy ny lapa ary ny fanaovana adin’akoholahy aloha tsy dia misy iasana saina loatra no sady hahazoana ambony ampanga…

Mahareta ihany ry vahoaka raha mbola zakanao sy mbola azonao hiafiana ihany…mety mba hanana ny soa ihany ianao raha tsy ringana sy ripaka alohan’izay…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS