Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 11h11
 

Répondre à un commentaire

14 octobre 2020 à 11:38 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Jeritamberina tsy mitanila, natao ho vavolombelon’ny tantara…

Minisitra fony goverinemanta tetezamita notarihin’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel no nanombohan’ny Profesora Zafy Albert nisehatra tao anaty rafitra politika ara-panjakana…

Ary i Profesora Zafy Albert no nijoro voalohany ho mpanohitra ny fitondrana nentin’ny Capitaine de Frégate Ratsiraka Didier ny taona 1975, ary ny rehetra, eny fa na dia ireo mpanohitra nandritry ny Repobilika voalohany aza, toy ny Monima, Akfm Kdrsm, Mfm, dia nanaiky hiara-dàlana sy hanontrona ny revolisiona sosialista ka niditra tao anatin’ny antsoina hoe « Mandatehezana Miaro ny Tolompiavotana » (Front National pour la Défense de la Révolution), ary tsy mba isany nandray anjara, na mivantana na ankolaka tamin’ny fitondrana Ratsiraka i Profesora Zafy.

Iza no mbola hitsipaka ankehitriny ka tsy ho sahy hilaza ankitsirano fa ny fitondrana nentin’ny Amiraly no nitondra sy nampiditra angano ny Firenena, ary nandatsaka ny vahoaka Malagasy tao anatin’ny kizo sy antambo tamin’ny fampahantrana ny Firenena ?

Nisakafo feno kibo, madio sy nahalala fomba, tsy nitebiteby tamin’ny vaky trano sy hala-botry ny vahoaka, tsy sarotra ny fahitana asa fivelomana, maimaimpoana ary avo lenta ny fampianarana nomen’ny Fanjakana Malagasy, voatsimbina ny fahasalamambahoaka…izany fahasoavana sy tombontsoa goavana izany dia…nanjavona sy nivadika ho nofy ratsy nanomboka ny taona 1976…ary Itompokolahy Zafy irery sisa no mpanohitra mbola nijoro…izy tenany satria tsy afaka natao tao anaty antoko politika ny fanoherana, voarara sy notondroina ho mpanohariana izay rehetra tsy tao anaty Mandatehezana…

Demokrasia mivantana manakaiky ny vahoaka, ary miantso ny fiarahamonina Malagasy handray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena no fotokevitra novoizin’i Profesora, ary manara-dia nikasa hanohy ny làlana nizoran’ny Kolonely Ratsimandrava Richard izy tamin’izany, fihariankarena miainga amin’ny fisitrahana tombontsoa iombonana avy any ifotony, fametrahana ny Malagasy ho fototra sy kitro hifaharan’ny ezaka ary andraikitra rehetra iantsorohan’ny fanjakana, ary tsy fandeferana amin’ny finiavana hanitsaka ny rariny sy ny hitsiny ary ny ara-dalàna…indrisy, indrisy…

Ny kolonely Ratsimandrava Richard maty nisy namono…ary i Profesora Zafy nampiantoana tamin’ny asany…nomontsanina sy nopotehina tanteraka nanomboka teo ny fotopisainana nametraka ny Fokonolona eny anivon’ny Fokontany ho kitro sy ampinga miantoka ny fandrosoana sy ny fampandrosoana, baiko midina sisa no tanterahana eny amin’ny Fokontany, izy rahateo tsy natao intsony ho vondrombahoaka itsinjarana fahefana intsony…

(hitohy)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS