Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 13h55
 

Répondre à un commentaire

12 août 2019 à 19:56 | lysnorine (#9752)

Re Isandra 12 août 2019 à 12:16 & 12:33 : Mba halalino tsara ihany aloha ny tantara sy ny toe-java-misy !

(1) Isandra 12 août 2019 à 12 : 16 répond à Isandra ^
« Matory Antandro,
« Resaka jiro sy rano izany, tsy ao anatin’ny valo volana no hanarenana ny kitoatoa nataon’ny HVM-TIM nandritran’ny efatra taona....
- Tsy tao anatin’ny EFA-TAONA (4) ihany ny« kitoatoa » fa hatramin’ny nandravan’Ingahy RATSIRAKA, taorianan’ny 1975, ny SEM na Société d’Énergie de Madagascar sy ny nampitambarany azy tamin’ny SMEE (EEM taloha) : Vola tsy toko tsy forohana no nanakaramana Birao-na « CONSULTANTS » vahiny hanao izany, hanefitefy ilay fampitambarana (fusion) noho ny mba tsy hisian’ny FIFANDIRAN’ny ngetroka Malagasy amin’ny ADY SEZA VAOVAO !

Iza no ho DG : Rakotoarivelo Caleb avy ao amin’ny SMEE ve sa i Andriamirado avy ao amin’ny SEM, izay société niroborobo foana ?

Ambonin’izany tsy maintsy noforonina ny toerana DIREKTERA maro karazany, TSY TAMBO ISAINA, hametrahana ny very seza rehetra tatsy amin’ny SEM, sy ny kamarady pôlitika avy aty ivelany. Tsy asian-teny ny namoroporonana « contrôleur de gestion » hametrahana ny sakaiza manamboninahitra. Nisy anankiray toa tsy latsaka noho ny FOLO no isan’ny sekreterany, fa mivezivezy amin’ny fiarakodia eran’ny tanàna no tena anton-draharahany. Koa niha nikororoso fahana hatrany hatrany ny JIRAMA hany ka lasa MIVIDY ELEKTRISITÉ amin’ny ORINASA VAHINY (FRANTSAY sy KARANA) sisa no adiny...mandra-pahafaty azy tanteraka. Tsy mahavita manangana orinasa MAMOKATRA elektrisité akory tahaka ny ataon’ireo vahiny ireo ny mpandraharaha Malagasy mpanam-bola. Resaka SERVICES ihany no mahadedaka azy ireo sy ny fanaovana MPANELANELANA.

(2)12 août 2019 à 12:33 | Isandra (#7070) répond à Rabarivony
« les GRANDES SOCIÉTÉS gérées par les Terán-tany »
« ce sont les étrangers(vazaha, karana, chinois,...) qui détiennent actuellement presque toutes les grandes sociétés piliers de notre économie »

Aza hadinoina fa i ANDRIAMANJATO zanany (Ny hasina), fony izy ministry ny PTT, no nanao varo boba ny TÉLÉCOMMUNICATIONS tamin’ny vahiny ka niafara ankehitriny amin’ny anjakan’ny Karana.

NAHOANA NO TSY MBA NAHAVITA IZANY ny « mpandraharaha MALAGASY mpanam-bola ka nandray ampelatanana ny TELECOMMUNICATIONS izay IANKINAN’NY AINA amin’ny Fanjakana sy ny Ekônômia tahaka ny an’i Madagasikara, kanefa NENDAHINA tamin’ny Fanjakana ?

Ahoana no mba tsy mba maha-tafatsangana orinasa tahaka izao ohatra izao izy ireo fa toa be kabary sy be rehaka fotsiny ? Efa TALOHA ELAN’ny fitondran’Ingahy Ravalomanana no nitsanganan’izy ireo
. http://www.trimetagroup.com/fr

- « Le Groupe TRIMETA, dont le siège se trouve à Tanjombato, Antananarivo -Madagascar, a été créé parMonsieur HG HIRIDJEE, en 1964. Il est dirigé par Monsieur Ykbal HIRIDJEE, depuis 1990 .
Il opère dans plusieurs secteurs économiques de Madagascar, dont, surtout :
- L’industrie Plastique (sacherie ENDUMA- SACOPLAST)
- L’industrie Agroalimentaire (TRIMETA AGRO FOOD ;
CROUSTIPAIN- LA GRANDE BOULANGERIE DE MADAGASCAR)
- L’industrie hôtelière (Motel d’Anosy – INFINITHE)
- L’Immobilier (Société Immobilière Michelin - SIM)
Trimeta Agro Food,une branche du groupe Trimeta »....

. http://www.enduma.mg/a-propos/
« Fondée en 1977 par Monsieur Aziz Hiridjee,
La société Enduma débute ses activités dans la réalisation d’enduction sur tissus. Elle diversifie ses activités et se lance dans les emballages tissés (polypropylène) afin de répondre à la demande croissante et deviens Le Leader à Madagascar puis dans l’Océan Indien... »

Zahao koa : https://www.africaintelligence.com/ion/insiders/madagascar/2017/08/24/a-new-generation-of-karana-businessmen-are-taking-over-the-reins/108258399-be1
« A new generation of Karana businessmen are taking over the reins ».

« Asa fa tsy kabary » no ilaina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS