Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 26 mai 2026
Antananarivo | 09h37
 

Répondre à un commentaire

26 mai à 08:30 | Vohitra (#7654)

Mbola tsy adino ny teny sy kabary nataon’ireo Kolonely dimy lahy nosoloin’ilay Kolonely iray tena milaza ho "mpiandry" ny harivan’ny andron’ny 14 octobre 2025 teo anoloan’ny lapa Ambohitsorohitra...

Nahantona ny lalampanorenana, hoy izy...rava avokoa ny andrimpanjakana rehetra tao anatin’ny Repobilika fahefatra, hoy izy ihany...

Telo andro monja taorian’izany fanambarana izany, indro ilay Kolonely fa "nivadika sy nanda" tamin’ny teny nataony, notsipahany tanteraka ny toky nomeny sy ny antso rehetra nataon’ny mpitolona teny ankianja...

Nanomboka teo, dia sahala tanteraka sy dika tahaka mitovy ity kolonely ity sy i Rainilaingarivony !

Mpandainga, mpivadi-pitokisana, lehilahin’ota miafina ambadiky ny finoana, sakaizam-pitaka, liam-pahefana sy lian-karena, marefo ara-pahalalana, farasisan’ny haja, mihezaka ny hanabado ny Malagasy hatrany...

Ilay niheverina fa sehatra hanjakan’ny "teny miera", ny "dinika hifampierana", indro fa efa niofo ho lasa "zohy fierena ho an’ny jiolahy, zohy fanafenana ny firembena volam-bahoaka, zohy fiandrasana andraikitra mba handrobana ny Firenena "...

Inona no dikanteny mahalaza ny hoe "honorable " eo amin’ny tenindrazana sy tenimpirenena Malagasy ? Moa va tsy midika hoe " mendri-kaja, voahaingom-boninahitra" ?

Dia na ny teny aza efa voaota sy voahosy ampaladia, AHOANA moa no hanolotra haja sy voninahitra ny tontakely mpandroba sy tsy valahara ary tsy vanona ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.