Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 décembre 2025
Antananarivo | 13h08
 

Répondre à un commentaire

26 décembre à 10:39 | Vohitra (#7654)

« Tsy misy vahoaka maharesy mpitandro filaminana manana basy izany... »

« Iza indray moa no tsy matavy amin’izao... »

« Misy fandrosoana sy fivoarana eto Madagasikara satria betsaka ny embouteillages, ary betsaka no miantsena eny amin’ny supermarchés... »

« Ataovy ny asanareo mpitandro filaminana, dia tokony enjehina ireny olona mitabataba manakorontana eny amin’ny arabe ireny... »

« Mila mbola mianatra ianareo mpanao gazety... »

Mbola azo heverina sy lazaina fa « vory saina » ihany ve izy namoaka ireo teny ireo ?

Lasa mpanefoefo sy manankarena tampoka tsy fanta-piaviana ve ka fefika ny loha dia lasa miteniteny foana tsy misy fiheverana intsony ?

Nanantena mafy ny ho lasa « Filoha misolo toerana vonjimaika » izy ity kanjo hafa tanteraka ny fiodinan’ny tantara...

Izy dia mazava fa miaraka miombon’antoka feno sy tanteraka amin’ny fanomezana baiko amin’ny famoretana mahery vaika nahafatesana olona 28 sy nandratrana amanjatony teto amin’ny Firenena...

Feno ra mihosona ny tanany...

Mbola hifampiaro sy hiray petsapetsa ihany ve ny samy mpitandro filaminana ?

Fantatra fa misy andiana mpitandro filaminana miaro sy miandany amin’ity tsy valahara tsy vanona tsy maty manota ity ka manao izay tsy hisamborana ity nahavanon-doza ity hoentina eo amin’ny fitsarana Malagasy.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}