Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
ETSY ANDANIN’IZANY EFA MIAKATRA NY VOKATRIN’NY POLITIKA
"Nitombo avo roa heny ny voka-bary tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, distrikan’Amparafaravola.
Tsara ny vokatra tamin’ity taom-pambolena 2024-2025 ity izay natomboka tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro distrikan’Amparafaravola. Nitombo avo roa heny izany raha oharina tamin’ny taona lasa. Nahazoana vokatra 8,6 taonina isaky ny hektara ireo tantsaha vokatry ny fampiasana ny voly vary safiotra izay tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika. Nanatrika izany tany an-toerana ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena Ara-tsakafo notronin’ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa sy ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana. Mitohy ny tetikasa vary safiotra hoy ity sekreteram-panjakana ity, ary ny tanjona dia mba hisitraka izany avokoa ny faritra 24 manerana an’I Madagasikara.
Afa-po ireo tantsaha ary mangataka ny hanohizana izao tetikasa vary safiotra izao izay vahaolana lehibe hahafahana mahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Misy ireo fitaovam-pamokarana izay efa ho avy ary ho zaraina amin’ireo mpamboly, izay tadifitra ao anatin’ny fanovana ny rafi-pamokarana hoy hatrany I Tahiana Razanamahefa. Eo ihany koa ny fanomezana hana-pamokarana, ary fiofanana sy ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana manara-penitra.
Ankoatra izay dia nozaraina masomboly tsaramaso ireo mpamboly izay efa miditra anatin’ny voly avotra amin’izao fotoana izao. Efa miomana amin’ny taom-pambolena manaraka ary manao antso avo amin’ireo tantsaha rehetra manerana an’I Madagasikara ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo mba samy hiomana sahady amin’ny fiatrehana izany."