Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 22h26
 

Malagasy

Rivo-doza teto Iarivo

Voa indray ny faritra iva

mardi 19 février 2008 |  475 visites  | Naivo kely

Dibo-drano tanteraka ny faritra iva eto an-drenivohitra. Iray andro monja taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza « Ivan » tany Avaratra-Andrefan’ny renivohitra dia mitondra takaitra toy ny any amin’ny faritra hafa ny mponina eny ambany tanàna. Tsy vao izao no niaram-pahavoazana tahaka izao ny faritra toy itony, fa saika mandavan-taona. Isan’ny faritra be mponina itony toerana itony, ary tsy vitsy noho izany ny manome fampanantenana ny hanarenana ny toerana ambany, rehefa tonga ny fotoana fampielezan-kevitra. Ny hita anefa dia zary adino hatrany izy ireo rehefa vita ny latsa-bato, ary porofo iarahana mahita ny fahavoazana mianjady amin’izy ireo izao.

Ny ranon’orana sy ny diky amin’ny lavam-piringy no mifangaro, ary sahirana ireo manana lava-drano ampiasaina ho rano fisotro. Ahiana ny mety hiparitahan’ny valan’aretina noho izany, ka izay no ilàna famonjena haingana ho an’ny mponina amin’ny toerana toa itony. Ny mampalahelo dia miandry fahavoazana tahaka izao hatrany, fa toa tsy misy fisorohana hafa atao mihitsy. Vitantsika ny nametraka trano lehibe ho fitahirizana vokatra any amin’ny faritany, koa nahoana raha asiana tetik’asa maty paika hipetraka ety amin’ny faritra iva, mba hisoroana ny fahavoazana toy izao ? Am-bava homana am-po mierotra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS