Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h18
 

Malagasy

Fenoarivo Atsinanana

Tsy manan-kialofana hatramin’ny voafonja

lundi 25 février 2008 | Nivo T. A. |  375 visites 

Mbola nahazoana akony ny fandalovan’ny rivo-doza « Ivan », farany teo, tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana.

Anisan’ny nitondra faisana moa ny faritra Analanjirofo. Ankoatra ireo tranom-panjakana sy tranon’olon-tsotra marobe dia rava 100% ny fonja any an-drenivohitry ny faritra Analanjirofo. Potika tanteraka ny rindrina sy ny tafo ary tsy manan-kialofana mbamin’ny gadra. Araka ny vaovao azonay dia miisa 27 ireo gadra tao amin’ity fonja potika ity. Soa ihany aloha fa mbola tsy nisy nandositra ireo gadra ireo fa nijanona any amin’ny toerana nametrahana azy ireo.

Tsahivina fa olona telo no maty tany Fenoarivo-Atsinanana tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza « Ivan ». Ireo trà-boina an-jatony dia napetraka vonjy maika ao amin’ny EPP any an-toerana. Mbola tsy ampy moa ny toerana ametrahana ireo tsy manan-kialofana. Efa nandalo tany an-toerana moa ny filoham-pirenena tamin’ny herinandro teo nijery ifotony ny fahavoazana ary efa manomboka tonga any an-toerana ny fitaovana hanarenana ny simba.