Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 06h38
 

Malagasy

Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena

« Tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjovana ny fianakaviana »

mercredi 26 décembre 2007 | Nivo T. A.

Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny fetin’ny krismasy ny fianakavam-ben’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Tamin’ny sabotsy lasa teo dia niara-nankalaza izany teny Ampahibe ireo mpiara-miasa sy ny zanaky ny mpiasa ao amin’ity minisitera ity, izay notarihan’ny minisitra Manorohanta Cécile. Tamin’izany no nanambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjovana ny fianakaviana sy ny maha-olona eo anivon’ny departemanta iadidiany. Ary izany indrindra no antony manokanan’ny minisitera lelavola Ar 10 tapitrisa tamin’ny fankalazana ny krismasy teo. Nahazo « nofon-kena mitam-pihavanana » ireo mpiasa sivily sy miaramila miisa 945 ary nomena kilalao kosa ireo ankizy latsaky ny 10 taona miisa 1017.

Nohamafisin’ny minisitra Manorohanta moa fa Ar 5 tapitrisa no fandraisana anjara avy amin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana tamin’ny fanatontosana izao lanonana sy fanomezana krismasy izao.

Lanonana voalohany niaran’ny minisitra vaovao Manorohanta nifaly tamin’ny fianakaviam-ben’ny minisitera moa ity tamin’ny sabotsy teo ity, ka nanana ny lanjany tokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS