Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h48
 

Teny zato, kabary arivo

Toko tapaka

lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely
Toko tapaka
Écouter cet article

Mitsingilaila ny fitondra foibe ankehitriny. Io dia noho ny hetsi-bahoaka izay miseho eto an-dRenivohitra, mba tsy hilazana fa mety hanerana an’i Madagasikara. Vokatry ny tsy fisian’ny fifampihainoana no anton’io, satria efa ela no nitaky fa misy tsindry hazo lena mitranga eto amin’ny firenena.

Nipoaka iny ny sarom-bilany. Ny tohiny no tsy hay na hiparitaka hatramin’ny aty vilany, na tsia, fa ny azo antoka, tsy ho faty intsony ny afo efa niotrika tao am-pon’ireo mahatsiaro fangirifiriana teto amintsika hatramin’izay. Tsy ho eto an-tanindrazana ihany no hanako ity tranga ity, fa hanerana an’izao tontolo izao. Nahoana tokoa moa no tsy hifantoka eto ny mason’ny mpanara-baovao rehetra, satria firenena handray ny fivoriana an-tampony aty Afrika isika, ny volana Jolay ho avy izao. Eo ihany koa ny fivorian’ny tany mampiasa ampahany na manontolo ny fiteny Frantsay.

Kely finoana anefa ny maro ny mety hanaovana ireo aty, noho izao hetsi-bahoaka eto an-dRenivohitra izao. Tsy hisy firenena andeha hanao sorona ny ainy any amin’ny tany misy hotakotaka. Ekena fa mety ho fandaminana ny sehatra toy izao no ahatongavan’ireny vahiny ireny, saingy isika firenena tsy misy manafika, fa firenena miady an-trano. Tsy vao izao no misy ady an-trano tahaka izao, fa saika ao anatin’ny valo na folo taona hatrany. Iza no andeha handany ron-doha lava amin’izany ? Tsy mety fay isika, fa toa voahozona ny hiady an-trano lava izao. Izay anie no ilaina ny fahaiza-mihaino sy mifanakalo hevitra e. Toko tapaka ny an’ny fanjakana sy ny ben’ny tanàna ary ireo mpanara-dia azy avy, ka ahiana ny hisian’ny fifandonana toy ny tamin’ny taona 2002. Dia hifandrafy lava eto, ary hifanagadra avy. Tsarovy fa raha mivadika eo ny glaoby eto Madagasikara, dia hisy valifaty mahatsiravina eto. Dia ho sanatria ve hisy hitsoam-ponenana toy izao mahazo an-dRatsiraka sy ny firongony izao eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS