Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 21h07
 

Malagasy

PSDUM

Tandindomin-doza ny firaisam-pirenena

jeudi 3 mai 2007 |  180 visites 

Manoloana ny zava-nitranga nandritra ireny fihetseham-bahoaka tany Toliara, Antsiranana, sy Toamasina ireny ka nisian’ny fampihorohoroana, fandravana ny fhetsiketsehana, fitifirana ary fanamborana ireo rnpanao fihetsiketsehana, ny Antoko Sosialista sy Demokratika ho Fampiraisana eto Madagasikara (ASDFM/PSDUM) dia manao izao fanambarana manaraka izao : Tandindomin-doza ny firaisam-pirenena noho ireo zava-niseho ireo ; voahitsakitsaka tanteraka ny demokrasia sy ny fahalalahana satria tsy avela haneho hevitra ny vahoaka, koa takianay ny hamoahana tsy misy fepetra ireo mpitari-tolona naneho ny heviny nosamborina

Helohinay tanteraka ny fampihorohoroana sy ny famonoam-bahoaka izay tsy mendrika ity firenena ity ; Helohinay ny herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny vahoaka ; Manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba hijoro sy hiaro hatrany ny firaisam-pirenena ; Manao antso avo ihany koa amin’ny fiombonam-be iraisam-pirenena mba hijery akaiky izao raharaha izao ka hanameloka ny tsy rariny miseho ; Misarika ny sain’ny mpitondra fanjakana mba handinika lalina izao zava-mitranga izao ho fitsinjovana ny tombotsoa ambonin’ny Firenena.

Koa eto am-pamaranana dia matoky hatrany ny fahendren’ny vahoaka Malagasy !

Mba ho iray ihany ny Malagasy.

Amin’ny anaran’ny Birao Politika
Reboza Julien
Ranjalahy Samuel
R Lantonirina

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS