Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h31
 

Malagasy

Fanodikodinam-bola

Talen-tsekoly nihinam-bolan’ny FRAM

lundi 12 janvier 2009

Vola Ar. 3 200 000 no nahodikodin’Atoa Jeannot, talen’ny EPP ao Tanambao Sotema. An’ny FRAM io vola io, fomba maromaro no nampiasainy nazahoany io fitambarany io. An’isan’izany ny fitakiana ny Ar. 3000 isan-jaza, izay nosoniaviny ho fanamarinana ny fahazoany azy. Teo koa no porofo nahatratrarana azy. Tsy nanaiky mora izao toe-javatra izao ny filohan’ny FRAM. Mazava ho azy fa nametra-pitarainana tany amin’ireo manam-pahefana mikasika izany izy ireo. Rehefa natao ny famotorana tamin’ity tale ity dia niaiky ny fahadisoany izy. Fantatra koa fa efa Ar.1 400 000 sisa tsy voalohany tamin’io vola laniny io. Nanao taratasy moa ny lehilahy fa hanonitra araka izay azony atao ireo vola tavela ireo. Ny zoma 9 janoary teo no nentina tany amin’ny fampanoavana ny raharaha ka tsy mbola fantatra ny tohiny. Mitondra ho amin’ny fakam-panahy tokoa ny vola ka raha tsy mahafehy tena dia voasarika. Maro ireo efa tratra toy izany. Tsy eo anivon’ny sekoly ihany fa na dia ao an’ ivon’ny fiangonana aza. Aiza no hametrahana ny fitokisana raha izany no fandehany. Hanao ahoana no irosoana ho amin’ny fiainana metimety kokoa raha tsy eo ny famatorana. Raha izany, tsy mbola ho ela ve vao ho tratra ny tanjona amin’ny fampandrosoana, izay imatimatesantsika ? Ny azo atao angamba mba hitoeran’ny fifampitokisana eo amin’ny tsirairay, aoka aloha samy hahatoky ny tenany avy fa rehefa afa-po amin’ny tenantsika isika dia hahatoky antsika ny hafa.

Fety

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS