Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h44
 

Malagasy

Fandravana ny antenimieram-pirenena

Tafiditra amin’ny paipaikan’i TIM hoy ny MFM

lundi 23 juillet 2007 | Naivo kely

« Diavolan-kolava ny kilalao mbola ho ela , ary samy maranitra amin’ny tandrify azy ». Sora-baventy nirantiranty nandritra ny fivorian’ny MFM teny Mandrosoa Ivato io ny sabotsy sy alahady teo. Ho fanohizana ny vovonana izay nataon’ny antoko MFM ny taona 2006 teo, dia nanao ny fivoriany ity antoko MFM ity, izay notarihan’ny filohany Manandafy Rakotoniriana, ary nahitana ny mpikambana avy amin’ny faritra 22 teto amintsika. Momba ny fandravàna ny antenimieram-pirenena ka hirosoana amin’ny fifidianana mialoan’ny fotoana, dia voatsiahy fa tafiditra amin’ny paipakan’ny TIM izay hita fa miady an-trano no anton’izao, raharahan’i TIM io nefa lasa raharaham-pirenena. Raha ho ravana io, dia tokony averina any amin’ny vahoaka ny ady hevitra rehetra. Miova toy izany koa ny Governemanta raha misy hevitra hifanolanana, hoy Manandafy Rakotoniriana. Tsy diso anjara tao anatin’ny ady hevitra ny raharaha Pety Rakotoniaina sy ramatoa vadiny. Zanaka antranon’i MFM i Pety ary nobeazina tao, saingy efa tsy MFM intsony izy. Raharaham-pitsarana io, ka hitondra porofo eo anoloan’ny fitsarana izay mitory azy. Toy ny vahoaka rehetra mitady ny marina ny MFM hoy Manandafy Rakotiniriana. Isan’ny hevitra nitsidika tao ny filazana fa ny fandorana ny trano tao amin’ny Oniversite Andrianjato Fianarantsoa, dia zavatra novolena satria tahotry ny hetsiky ny mpianatra tany Toliara sy ny hafa. Antoko Politika manana ny firehana hijoroany ny MFM, ka aorian’io fihaonan’ny mpikambana teny Mandrosoa Ivato io, dia ho maro indray ny sehatra hisehoan’ny MFM indrindra fa atomotra ny fifidianana izay ho atao eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS