Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 juillet 2020
Antananarivo | 01h28
 

Fanambarana

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

samedi 4 juin 2011

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
SeFaFi
Observatoire de la Vie Publique
Lot III R 45 ter Tsarafaritra, Tsimbazaza, Antananarivo 101
Tél/fax : 22 548 88 Email : sefafi@gmail.com


Fiarahamonim-pirenena, fiarahamonina politika : misolo tena ahoana ?

Misy fanamarihana tsy maintsy atao. Hatramin’izay volana maro nodiavina nandritra ny fitondrana tetezamita izay dia naniry ohatra ny anana ny fanambarana sy ny fiandaniana nosoniavin’antoko politika maro na fikambanana sivily isan-karazany. Misy amin’ireny antoko na fikambanan ireny no vao niforona vao haingana ary tsy misy vahoaka manohana velively. Misy ny mamoaka fanambarana tsy misy sonia. Betsaka no tsy misolo tena na iza na iza ka tsy voatery akory hanefa na inona na inona. Raha mbola ho sarotra ihany ny hanao fanadiovana, dia maika dia maika kosa ny tokony hiezahana ny hanivana sy ny hijery izay olom-pirenena mahitsy fo.

« soi-disant »
Fiarahamonim-pirenena tefy maika

Ireo nanoratra ny fanambarana mitondra ny sonian’ny OSC (Vondron’ny fiarahamonim-pirenena) dia manora-tena ho solotenan’ny fikambanana rehetra mirafitra ho fiarahamonim-pirenena eto Madagasikara. Nefa tsy misy mahazo miteny amin’ny anaran’ny vondrom-pikambanana iray nefa tsy nanontany akory izay hevitry ny fikambanana tsirairay miorina ara-dalàna. Efa nanandrana nanao toy izany ny AOSC (Firaisan’ny Fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena) tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana. Ny mihambo ho hany mpisolo tena ny fitambaran’ny fiarahamonim-pirenena dia sady midika ho fanararaotam-pahefana no fisandohana, ary aim-bery foana satria ny tombontsoan’ny tsirairay izay manamarika ny fiarahamonim-pirenena dia natao ho maro karazana ary matetika hifanipaka.

Toy izany koa ilay fanambarana nivoaka ny 21 mey 2011, taorian’ilay « mody hoe » Fivoriamben’ny fiarahamonim-pirenen’i Madagasikara, na dia tsy azo ; lavina aza fa voasaina tokoa ny votoatiny. Toraka izany koa ilay « Tolokevitra hivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara » navoakan’ny CCOC (Fiarahan’ny olom-pirenena sy ny fikambanan’olom-pirenena) ny 19 mey 2011, tsy misy sonia ao na iray aza, ary tsy ahitana taratra fikaonandoha tamin’ny mpikambana izay ohatra ny nanaovana tian-kano tsy tian-kano fotsiny... Nanaovan’iza ?

Etsy an-danin’izany, ny CNOSC (Fandrindram-Pirenena ny Fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena) dia niara-natsangan’ny AOSC, ny CCOC ary ny KMF/CNOE (Komitim-pirenena Manara-maso ny Fifidianana) ny 23 jolay 2009. Inona avy àry ny tsy maintsy notakian’ny mpitantana ny CNOSC tamin’ny tenany ? Ohatra fotsiny, rehefa niala tamin’ny CNOSC nyCNOE, volana vitsivitsy izay, tsy nety ve raha novoriana ny mpikambana tavela mba hampahalalana azy ny anton’io fialana io sy hanazavana hoe nahoana no ny fivondronana antsoina hoe FINOANA no nandimby toerana ny CNOSC ; amin’izay ny mpikambana ao amin’ny CNOSC dia ho afaka nitazona na nanolo ny solotenany ary nanome azy asa mazava.

Te hanome lesona momba ny fanasoavan-tanindrazana ho an’ny mpanao politika ny fiarahamonim-pirenena, tena mendri-piderana izany. Saingy tsy maintsy mba hajainy aloha ny fepetra maha mpisolotena azy, tsy maintsy ankatoaviny ny resaka fanefana adidy ary tsy maintsy miasa ao anatin’ny mangarahara tanteraka izy

Fiarahamonina politika manora-tena

Mitovy amin’izany ihany ny tsikaritra eo amin’ny sehatra politika, satria dia nilaozana lavitra dia lavitra ilay antoko 200 naha tompon-daka ny firenentsika izay manana mihoatra ny 300 ankehitriny. Ireo antoko tsy hita isa ireo dia samy te ho heverina ho tsy mikivalavala daholo !

Fantatry ny rehetra tsara fa tsy ampy ny hoe voasoratra ara-dalàna ny antoko iray dia lasa mahasolo tena. Tsy handresy lahatra izy raha tsy efa mahasahana faritra midadasika ary misy mpifidy maro be mandrotsaka ny vatony ho azy amin’ny fifidianana : maro ny firenena tsy manaiky intsony ny hirotsahan’ny antoko amin’ny fifidianana manaraka raha toa izy ka tsy nahatratra ny 5% tamin’ny fifidianana satria tsy manana mpikambana any amin’ny ampahany voafetra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana [1]
.

Ankehitriny anefa dia ireny filohan’antoko tsy manana olona afa-tsy eto an-dRenivohitra sy any amin’ny tanàn-dehibe vitsivitsy any ireny no atonin’ny mpanao gazety tsy an-kiato, ny sasany mivoaka mitety ny any ivelany nefa ny antokony vao haingana no niforona ary mbola tsy nisedra fifidianana mihitsy na indray mandeha aza.

Ny olana koa dia avy amin’ny filazam-baovao izay entanin’ny heverina ho lazan’ny olon-tokana na avy amin’ny antony saro-dazaina, dia omena fitenenana ny sasany ny hafa anefa tsy raharahaina. Dia antsoina tsy an-kiato ny mpanao politika izay tena tsy manan-kambara akory, tsy misolo tena na olona iray akory aza, tsy misy horaisina na amin’ny asasorany na amin’ny ataony. Miharatsy andro aman’alina ilay tsizarizary ara-politika ary manamaizina kokoa indray ilay fiainam-pirenena efa sarotra rahateo.

Izany no mahatonga ny SeFaFi hanitrikitrika indray fa ny fifidianana ny solombavambahoaka no tokony hatao voalohany mba hivoahana amin’ny krizy ary tokony ho tomombana tsara ny fanatanterahana azy. Izany no hahazoana mamantatra ny fetra maha solotena ny antoko isan-karazany.

Izao tetezamita tsy misy fitsaharany izao dia porofo mivaingana fa maro ny aretina mikiky ny fiarahamonintsika. Ny iray amin’ireny dia izao : tsy mahatoky firy intsony ny mpanao ny raharaham-pirenena, na ny ao amin’ny fiarahamonim-pirenena izany na ny ao amin’ny fiarahamonina politika. Miankina amin’ny safidy malalaka sy mangarahara ataon’izay hosoloina tena ny fahafahana misolo tena : amin’ny alalan’ny fifidianana ho an’ny politika, amin’ny alalan’ny lojikan’ny fikambanana ho an’ny fiarahamonim-pirenena. Tsy maintsy mandalo amin’ny fitsapana ny hevitry ny olona mantsy ny fitantanana ny vahoaka fa tsy amina fifanarahana ifanaovan’ny mpanao politika izay sady mpitsara no tsaraina. Noho izany ny SeFaFi dia mirary indrindra ny hanararaotan’ny mpanao politika izao andro sarotra diavin’ny firenena izao mba hiezahany ho mahatoky kokoa, ary ny vahoaka mba tsy hanaiky lembenana intsony fa ho sahy hitaky asa amin’ireo mihambo ho mpisolo tena azy sy miasa ho azy.

Antananarivo, ny 30 mey 2011

Notes

[1Ahoana ny momba ny lalàna 2009-002 mikasika ny antoko politika ? Misy fepetra hentitra napetrany, toy ny fananana olona isam-paritra, alohan’ny hankatoavana ny fijoroany ara-dalàna

6 commentaires

Vos commentaires

  • 4 juin 2011 à 08:56 | saricine (#2893)

    Ny SEFAFI, KMF CNOE, no niseho ho mpisolo tena ny vahoaka nefa tsy nahazo ny safidiny akory ary nanohana ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009. POINT.

    Aza avadika tompoka ny resaka e !

    • 4 juin 2011 à 09:45 | Basile RAMAHEFARISOA (#417) répond à saricine

      saricine,

      OUI,je nage complètement dans toutes ces associations prétendant représenter le peuple,la population,la société civile etc...

    • 4 juin 2011 à 09:52 | Boris BEKAMISY (#4822) répond à saricine

      Ny SEFAFI sy KMF CNOE ra-Sarcine de teo foana nandritra ny fotoana maro nifandimby sy ireo filoha maro nifandimby teto Madagasikara
      Manana ny traikefa maha-cocièté civiles azy izy , ary manana fototra manerana ny Nosy( legitimité) satria nianga tamin’ireo sehampikambanana fikatrohana fototra eo anivon’ny Fiangonana katolika tami’ny voalohany de nisandrahaka nahenika ireo mpikatroka miankina na tsia amin’ny Fiangonana hafa avy eo

      Ireto ki-OSK sy ki-NOSIKA kosa dia pseudo-socités civiles noforoporonina vao niomaliniomaly tao anatinizao kirizy izao ,tsy inona akory fa ratsamangaika ny TROIS MOUVANCES natao mba hamonjivonjena toy ny tsinaikena an-dRavalomanana izay nalentiky ny ranomasina satria dobo ny sambo niondranany......

      Dia lany andro ny KINOSIKA mamorivory etsy sy eroa ny mpanao Politika ami’ny indemnitén-dRavalo ....

      TSY DUPES akory ny Vahoaka Malagasy ry Sergekely Zafimahova sy Ra-lalao randriamampionona ka hanaiky holalaovinareo.....

    • 4 juin 2011 à 18:15 | Rabe (#3378) répond à Boris BEKAMISY

      ...hé...ho...

      ...ny SEhatra FAnabeazana FIka dia nanohana ny mpanongam-panjakana hatramin’ny voalohany ka hatramin’izao...ary mivavaka ho an’i dj/dahalo mba haharetany eo @ io toerana nangalarina io...

      ...toy izany koa i OMAR...

      ...ny sefafi izany dia MPIRAY TSIKOMBAKOMBA sy akondro mifanafindravina @ MPANONGAM-PANJAKANA

      ...ny sefafi izany dia famafa-tongotr’i dj/malaso...

      Tsy adala akory ny Manankasy !

    • 4 juin 2011 à 23:16 | Technao (#5489) répond à Rabe

      Amboary letsy lay toetsaina ry rabe Fika fa tsy ialahy mihitsy akory no hanoro ny tsara tokony atao â. Ny fitenin’ialahy dia efa ampy hilazàna fa adala ilalahy sy ny manankasin’ialahy. Izahay aloha tsy manankasy izany fa Malagasy madiodio ê. Tsy mahagaga koa ialahy fa sady adalam-poza no adalam-paty no mbola hay adalam-pika koa.
      N’inona lazain’ny Sefafi na inona dia milaza ny fomba fijeriny izy izay tsy voatery ho marina foana koa akory. Misy marina fa misy zava-misy tsy voatery miankina @ rakoto na Rabe fa mety avy amintsika rehetra ihany ary ao anatiny ny Sefafi. Sehatra be io izy ve dia maninona no tsy miditra mandray andraikitra mivantana miditra mihitsy any anatin’ny sehatra hitany fa tsy mety fa tsy vitan’ny resaka koa ê. Matihanina hianareo ao dia tonga dia mandehana mankany @ CST ohatra dia antsoy manokana ny filohany na izay tokony resahina dia apetraho ny resaka dia ho hitanareo ny marina ohatra dia tonga dia avoahy gazety ny resaka avy any fa aza afinafenina. Dia mahita ny vahoaka hoe izao izany no zava-misy. Fa tsy mitazana fotsiny nareo dia mahita hoe tsy mety dia avoaka dia lasa manisy sira sy mampisavorovoro fa tsy mampandroso sy vao mainka tsy mampilamina ê. Hainareo tsara fa misy ny manao izay tsy hilaminana sy hampijanona ity krizy ity ahazoany vahana dia hianareo koa manampy trotraka. Efa nihaona t@ tompon’andraikitra misahana ny fandriampahalemana ve ohatra hianareo koa dia nanontany hoe inona ny olana ? sns...tokony tetezinareo ireo sehatra misy tsy mety ireo dia izay vao mamoaka izay tena tsapanareo. Tena tsy mandray andraikitra tokoa ve ireo tompon’andraikitra tanisainareo ? Izaho mantsy manahy (ENGA ANIE HO DISO AHO)fa sao misy mibaiko hianareo any ambadika any satria tsy mamaly izay tadiavin’ny any ambadika any (FRANTSAY OHATRA -ENGA ANIE AHO HOA HO DISO AN) ny mpitondra tetezamita dia alefa ireny resabe ireny. Jereo anie ry Niry sy rabe fa faly ery ry ILLUMINES moa dia tsy hay izay tadiaviny na izy no te ho mpitondra eo na ahoana fa GABORARAKA ny tiany hisy eto angamba. Asa na hoatran’iza ialahy ry Illuminé fa tsy "beau gosse" noho Andry aloha ialahy na lazain’ialahy ho izao sy izao aza ilay olona fa ny hita aloha dia ratsy saina ialahy ê. Tsy ialahy koa no manome "morale" ny Malagasy ê. Raha sahala @ ilahisany no mpitondra na dia lehiben’ny Fkt fotsiny aza dia efa hita ilay fomba fitondra ary TSY MAINTSY AHONGANA FA LOZA BE.
      Ka izay ilay izy rabe â, tsy mivavaka @ Andry rajoelina izany ny Sefafi fa diso ialahy. Nilaza ny zava-misy koa no nataony t@ ireny fa ny maha-samihafa azy t@ izany tena eo am-pelatanan’ny dadakelin’ialahy isany ny fehefana feno ary tsy nisy nanembatsembana nefa nikorontana be ny fiaraha-monina. Dadan’ialahy koa moa hiaraha-mahalala iny ny lohany dia iny nivarina an-kady ho azy iny. Tsy nisy basy nipoaka fa teo ambany mason’ialahy isany betsaka ihany teny Iavoloha teny no nandaozany an’ialahy isany ankinafinafina. Ialahy isany tsy nisy nahalala hoe efa lasa sy nametra-pialàna (hatr@ izao io an) anie leiry. Ny omalin’iny anefa nilokaloka fa tsy hisaraka aminareo aho fa miaraka eto isika na misy inona na misy inona. MPANDAINGA ! Tena adala ialahy isany manankasy teny Iavoloha teny fa izahay Malagasy tsy adala kah. Mahalala ny zava-misy tsara izahay ary maharaka ny zava-misy. Tafandria mandry ê.

    • 6 juin 2011 à 11:48 | Rabe (#3378) répond à Technao

      ...mazava b fa malgache i tehanao...ary malgache fozaorana...hahaha

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS