Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 juillet 2020
Antananarivo | 23h37
 

Fanambarana

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

samedi 4 juin 2011

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
SeFaFi
Observatoire de la Vie Publique
Lot III R 45 ter Tsarafaritra, Tsimbazaza, Antananarivo 101
Tél/fax : 22 548 88 Email : sefafi@gmail.com


Arakaraka ny hoe be fahefana ianao na fadiranovana [1]...

Ny alahady 15 mey 2011 dia nilatsaka ilay vaovao hafahafa mikasika ny nisamborana ny talen’ny FMI voarohirohy ho nihetraketraka ara-pilan’ny nofo, ho nikasa hanolana ary hanidy olona aman-trano. Nametra-pialana tamin’ny asany i Dominique Strauss Kahn andro vitsivitsy taty aoriana, talohan’ny nanagiazan’ny fitsarana amerikana azy sy nahazoany fahahana arahina fepetra mba hanomanany ny fitsarana azy. Tsara ho fantatra aloha fa ny asa maha talen’ny FMI azy, noho izy tsy toeran’olom-boafidim-bahoaka dia tsy nanome azy zo manokana tsy ho voatohintohina na iray aza. Nefa anie izy ka anisan’ny olona faran’izay nanam-pahefana indrindra teto ambonin’ny tany noho izy nitantana fikambanana iraisam-pirenena anisan’ny matanjaka indrindra.

Ny talata 3 mey 2011, ny La Gazette de la Grande Île dia nampibaribary tao amin’ny takila voalohany ny lohateny hoe « Voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona i Jao Jean ». Dia tantarain’ny gazety ny fandehan-javatra izay nitranga tamin’ny andron’ny Paka, ny firaisana tsikombakomba nataon’ny provizeran’ny lisean’Antsohihy, ny fidehadehak’ity voatondro ho meloka : (« Tsy matahotra anareo aho, na i Andry Rajoelina aza matahotra ahy fa izaho no nametraka azy eo amin’io toerany io » sic), sy ny fampitahorana natao tamin’ny rain’ilay voatondro ho voaolana izay tsy hita ny nanjavonany hatramin’izao. Tsy nisy mihitsy fanoherana ny zava-boalazan’io gazety io, nefa koa toa tsy hita ny tohin’ilay raharaha izay zary mitatra any amin’ny tranonkalam-pifandraisana maro be any. Mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ity voarohirohy nefa angamba dia tonga manatrika fivoriana ohatra ireny tsy nanao na inona na inona ireny. Tsy mba i Madagasikara mihitsy akory no azo lazaina ho Fanjakan’ny rariny, tsy afaka velively ny Fitsarana eto, nefa dia tsy tokony hoekena itony toe-javatra itony.

Mipetraka àry ny olana momba ny tsy maha maty manota ny solombavambahoaka, izay midika avy hatrany koa ho maha tsy tompon’ andraikitra ny solombavambahoaka (izay miaro ny solombavambahoaka tsy ho azo enjehina na karohina na samborina na gadraina noho ny hevitra na vato nalatsany nandritra ny fotoana nanaovany ny asa maha olom-boafidy azy), sy ny tsy maha azo tohintohinina ny solombavambahoak (izany no tsy ahafahana misambotra solombavambahoaka mety ho nandika lalàna na nahavita heloka bevava ivelan’ny maha solombavambahoaka azy, tsy nahazoany alalana tamin’ny Antenimiera nandritra ny fotoam-pivoriana- na ny biraon’ny Antenimiera- ivelan’ny fotoam-pivoriana).
Koa satria mivory ny FAT ankehitriny dia anjarany ny manapa-kevitra ny amin’ny tokony hisamborana na tsia an’io mpikambana ao aminy voarohirohy io, araka ny andininy 73-n’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika IV (izay azo ampiharina koa amin’ny Antenimieran-doholona, araka ny andininy 85) ary ny andininy 10-n’ny lalàna lah. 93-004, nivoaka ny 21 janoary 1994 mikasika ny fandaminana ny Antenimieram-pirenena.

Saingy mitranga indray ny olana. Ry zareo ireo mantsy notendrena fa tsy olom-boafidim-bahoaka, ka moa ve manana ny zo tsy ho voatohintohina tahaka ny solombavambahoaka ny mpikambana ao amin’ny FAT sy ny FT ? Mipetraka ny olana satria tsy misy lalàna voasoratra mazava. Na dia manao ny asan’ny solombavambahoaka sy ny loholona aza mantsy izy ireo dia tsy afaka mitana ny toeran’ireto farany ireto : tsy mitovy ny asa sy ny toerana Marina fa ny Lalàmpanorenana sy ny Hitsivolana lah. 2010-010 mikasika ny fananganana ny Antenimieran’ny Tetezamita dia toa mampifandray ny asan’ny Antenimieran’ny Tetezamita amin’ny asan’ny Antenimieran’ny Lalàmpanorenana mandra-pananganana azy, saingy tsy milaza kosa izy hoe ny mpikambana ao amin’ny Antenimiera Tetezamita dia mizaka manontolo ny zon’ny solombavambahoaka tsy ho azo tohinina. Satria tokoa mantsy ny andininy 7 sy 15-n’ny Hitsivolana lah. 2010-010 dia manome « ny zon’ny solombavambahoaka tsy ho tompon’ andraikitra » ho an’ny mpikambana ao amin’ny Antenimiera Tetezamita saingy tsy milaza na inona na inona kosa momba ny « zon’ny solombavambahoaka tsy hotohintohinina ». Ambonin’izany, na ny Lalàmpanorenana na ny Hitsivolana lah. 2010-010 dia samy tsy misy manome ny toeran’ny Antenimieran’ny Lalàmpanorenana ho an’ny Antenimieran’ny Tetezamita.

Izao no azo amehezana izay voalaza rehetra izay : ny mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Tetezamita dia tsy mizaka ny « zon’ny solombavambahoaka tsy ho voatohintohina ». Noho izany izy dia azo enjehina sy samborina raha mandika lalàna na nanao heloka bevava, ary tsy ilaina akory alohan’izany ny manaisotra aminy ny zon’ny solombavambahoaka tsy ho maty manota. Fa etsy an-daniny kosa dia mizaka ny zon’ny « solombavambahoaka tsy tompon’andraikitra » izy ka tsy azo enjehina noho ny heviny na ny vato nalatsany nandritra ny fotoana niasany. Ny Hitsivolana lah. 2010-010 anefa dia manamarika fa ny mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Tetezamita dia tsy maintsy manao ny asany « ao anatin’ny fanarahan-dalàna sy ny fahamendrehana amin’ny maha tompon’andraikitra mihaja sy tia fihavanana azy » (and.7 andl.2 sy 15. andl.2). Fehezanteny izay mainka koa manamaizina an’io olana io, satria tsy milaza mazava izay sazy tokony hampiharina raha misy tsy fanajana ireo fepetra ireo.
Ampahatsiahivina ho famaranana fa ny fanolanana, indrindra natao tamina zazavavy tsy ampy taona, dia tena faran’izay heloka bevava indrindra. Misy miaramila lehilahy mitam-piadiana atsy Kongo demokratika amin’izao fotoana izao enjehin’ny Fitsarana Mpanasazy Iraisam-pirenena ho nanao heloka bevava tamin’ny zanak’olombelona noho izy nihetraketraka ara-pilan’ny nofo tahaka izany. Nefa eto Madagasikara dia misy filazam-baovao mitady hampandeha ho azy an’io raharahan’i Jao Jean io ; lazainy mantsy fa hoe fanao mahazatra izany, indrindra ho an’ny lehilahy mpanao politika. Miantoka ny hajan’ny Fitsarana, ny hasin’ny mpanao politika sy ny firenena manontolo ny fampakarana an’io raharaha io tsy misy mpanelanelana, tsy misy hataka andro, mifanaraka tanteraka amin’ny lalàna izay mitovy ho an’ny rehetra.

Antananarivo, ny 28 mey 2011

Notes

[1Ahoana ny momba ny lalàna 2009-002 mikasika ny antoko politika ? Misy fepetra hentitra napetrany, toy ny fananana olona isam-paritra, alohan’ny hankatoavana ny fijoroany ara-dalàna.

1 commentaire

Vos commentaires

  • 5 juin 2011 à 16:41 | ikoto (#4912)

    Izany no zava-misy ! Ianareo SEFAFI ihany no nanohana an’Ing. andry Rajoelina mba handakàna an-dRa8 ! Izay rehetra tanisainareo izay no zava-misy ankehitriny : sady potika ny fiharianano potika ny "sosialy" ary rava ny tahotra ny Marina sy ny Hitsiny ! Fqanjakan’ny Matanjaka nomisy eto ! Hita t@ fampahalalam-baovao an-tsoratra (tsy tadidiko ilay Gazety) koa aza fa efa SAHY MIBODO FIARAKODIAN’OLONA MANOKANA ny mpikambana ao amin’ny C.T. sy ny C.S.T. ! Tsy Ing. Alain Ramaroson izay naka ho fanany ireo fiarakodia tsy laitram-bala an-dRa8 (an-dRa8 talohan’ny naha Ben’ny Tanànan’Antananarivo azy !) àry ve no nalain’izy ireo tahaa !

    Izahay dia tsy manantena na inona na inona @ ity F.A.T.-F.A.T.n-doza ain’antambo ity ! ...

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS