Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 07h59
 

Malagasy

Vono olona nahatsiravina tany Mananjary

Olona 32 no voarohirohy

mercredi 30 janvier 2008 |  711 visites  | Nivo T. A.

Mbola mitohy hatrany amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ilay raharaha vono olona nahatsiravina tany Mananjary, nandritra ny Sambatra 2008, herinandro vitsy lasa izay.

Fantatra, araka ny vaovao azonay avy any an-toerana, fa olona 32 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Efa eo am-pelatanan’ny zandary izy ireo ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela.

Taorian’iny trangan-javatra namoizana ain’olona efatra iny moa dia mbola tsy miverina amin’ny laoniny ny fiaraha-monina sy ny fandriam-pahalemana any an-toerana. Misy mantsy ireo mamaly faty ary mbola mitady hamaly faty. Manoloana izany, dia nanao fivoriana maika niaraka tamin’ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraiki-panjakana tany amin’ny distrikan’i Mananjara ny Ampanjaka sy ny solontenan’ny vahoaka ka tapaka tamin’izany fa hatao ny fampihavanana eo amin’ny vahoaka, mba hisorohana ny valifaty, izay manakorontana ny fandriampahalemana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS