Namela takaitra goavana tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy ny rivo-doza « Ivan ». Teto an-drenivohitra dia trano lehibe iray no nirodana teny Ambohimanarina, afak’omaly, tamin’ny 8 ora alina tany ho any. Trano misy rihana iray ity nirodana ity ary tokantrano telo samihafa no mipetraka ao aminy. Ao ambony rihana ny tompon-trano izay misy olona 9 mianaka. Ny ao ambany rihana kosa dia mpanofa trano misy olona telo avy.
Araka ny nambaran’ilay mpanofa trano tao ambany dia tamin’ny 8 ora alina tany ho any izy no nahatsirakitra ilay trano mivava toa mitady hirodana. Toa mamovoka izany ilay trano ary niha-niletsy. Nandeha nivoaka moa izy mba hilaza ny tompon-trano kinanjo fotoana fohy taorian’izay dia niletsy nidina ambany ilay trano. Tototry ny trano tao izy 15 mianaka. Samy niezaka nanavotr’aina nivoaka ny trano moa izy ireo. Olona roa no tena voa mafy. Ny iray vehivavy lehibe, manodidina ny 50 taona , antsoina hoe Rasoazanany Marie Marthe ary ny iray hafa kosa dia ankizy 5 taona, antsoina hoe Safidy Nantenaina. Tsy afa-nitsangana mihitsy moa izy mianaka ireo satria voatototry ny « béton » tamin’ilay trano. Ankoatr’izay dia nisy vehivavy bevohoka iray afa-jaza tsy fidiny. Nitondra vohoka teo amin’ny roa volana teo ho eo moa ity vehivavy ity.
Araka ny fanampim-baovao azonay, dia vokatry ny hamandoana avy amin’ny trano fivoahana tsy lavitra ilay trano misy rihana no nampihotsaka ity trano teny Ambohimanarina ity. Soa aloha fa tsy nisy aina nafoy tamin’ity firodanan’ny trano ity.