Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 17h32
 

Fanambarana

Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena

Ny fifidianana 2013 : zava-tsoa tsy azo atao very an-javona

jeudi 19 septembre 2013

Maro dia maro ireo nitaky fanavaozana lehibe tamin’ny fifidianana filoha tamin’ny 2001 sy 2006. Anisan’ireny ny SeFaFi. Betsaka tamin’ireny faniriana ireny ankehitriny no tafiditra any anatin’ny lalàm-pifidianana. Saingy, tahaka ny zava-mateti-pitranga eto Madagasikara, dia misy elanelany goavana eo amin’ny lalàna voasoratra sy ny fampiharana azy eo amin’ny asa, ary toa hoe ny manam-pahefana no mampisy an’io elanelany io (mpanao politika, mpanao fanjakana, mpamatsy ara-bola...) mba hitondrana kokoa amin’ny lohany ny valala tsy mandady harona. Tsy azon’ny demokrasia ekena izany, ny mifanohitra amin’izany no takiany dia ny hanarahan’ny vahoaka maso ny mpitondra sy izay ataony rehetra, ary manampy azy amin’izany izay mpandray anjara rehetra tsy ao anatin’ny fitondrana, toy ny gazety sy ny fiarahamonim-pirenena.
Soa àry fa eo ny fifidianana amin’ity 2013 ity azo araraotina, tsy hoe hialana fotsiny amin’ny tetezamita (ny krizy sy ny fanorenana ny Fanjakana tsinona mbola haharitra an-taonany maro), fa indrindra indrindra mba hanamarinana ny mampitombina ny fanitsiana raketin’ny lalàna sy ny fitsipika vaovao nolaniana. Ireny fepetra ireny mantsy dia nokendrena mba hamongotra ny fahazaran-dratsy nolovaina tamin’ny fifidianana teo aloha, hampihena ny fahafahana mangala-bato ary hirosoana amin’ny fampitoviana lenta ny kandidà, indrindra ny kandidà eo amin’ny fitondrana sy « mpifaninana » aminy. Tsy maintsy tsara fototra ny fanjakana mandimby ny tetezamita, mba hampateza ny fanarenana sy ny fampihavanana. Noho izany dia tsy maintsy mandray ny andraikitra tandrifiny azy avy ny tsirairay. Mba hahavitana izany dia ilaina ny mahalala ny dingana vaovao omen’ny lalàna antsika mba hahafahantsika tena mampihatra azy tokoa.

Ny efa eo am-pelatanana azo ampisaina
mba hialana amin’ny fitongilanan’ny fitondrana mandritra ny fampielezan-kevitra

- Ny namoronana ny CENIT dia ny mba tsy hidiran’ny politika amin’ny fanatontosana ny fifidianana satria tsy miankina amin’ny fahefana mpanatanteraka io andrim-panjakana io. Tsikaritra anefa fa tsy mora ny namorona rafi-panjakana toa io satria miankina be dia be amin’ny mpamatsy vola azy ny fahaleovantenany. Sarotra ho an’ny CENIT ny mizaka ny fahaleovantenany sy ny manery ny hafa hanaiky izany, indrindra fa ny Fanjakana. Mbola misy fahazarandratsy roa karazana mangeja ny mpanao Fanjakana mpikambana ao aminy : eo ilay fandavana hamoaka vaovao sy hitatitra, ary eo koa ilay fitadiavana hatrany ny fankatoavan’ny tompon’andraikitra politika. Ny CENIT anefa dia miasa ho an’ny mpifidy fa tsy ho an’ny mpanao politika ; anjarany ny mandresy lahatra amin’ny fomba hentitra ny mpifidy fa tena izany marina no ataony.
- Ny fitakiana ny fametraham-pialan’ireo kandidà mitana andraiki-panjakana, ary ny fandrarana ny fampiasana fitaovana (sy olona) an’ny fanjakana hoentina manao fampielezankevitra dia dingana vita iray hafa koa. Vao tsy ela akory izay dia nisy adihevitra tao ho ao momba ny tsy fisian’ny minisitra noho ny tompon-toerana lasa kandidà. Mampiseho izany fa zava-dehibe ny fitazomana andraikitra eo anivon’ny fitondrana : manamora ny fampitam-baovao io ary manome lanja eo anatrehan’ny mpanao politika any amin’ny faritra (indrindra fa ny lehiben’ny faritra), sady be dia be koa ny fanararaotam-pahefana azo atao noho ny fananana an’io toerana io. Ny porofon’izany mazava dia ny fanitsakitsahana matetika ny andininy 45 amin’ny lalàm-pifidianana izay mandrara ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny lehibem-paritra tsy handray anjara mihitsy amina fampielezankevitra (ao anatin’izany koa ny fotoana mialoha kelin’ny fampielezankevitra).
- Ary farany, ny fitoviana lenta amin’ny fandalovana any amin’ny fampahalalam-baovaom-panjakana izay voarakitry ny andininy 48 amin’ny Lalàm-pifidianana ; marihiny amin’izany fa « ny fitsinjarana ny fotoana itenenana maimaimpoana na andoavam-bola ary ny famoahana azy ao amin’ny RNM sy ny TVM dia tsy maintsy atao mitovy lenta ho an’ny candida ». Tafiditra amin’izany ny fotoanan’ny vaovao an-tsary sy ny fitantarana isan-karazany rehetra. Ary na dia tsy amin’ny fotoam-pifidianana aza, raha te ho tena firenena demokratika marina dia tsy maintsy misokatra amin’ny firehan-kevitra politika rehetra ny filazambaovaom-panjakana. Hatramin’izay ny tompon’andraikitra tany amin’ny haino aman-jerim-panjakana dia tsy mba niezaka ny tsy hiangatra ; tsy maintsy terena izy ireny ankehitriny hampihatra ny lalàna. Ary tokony hotakiana amin’ny haino aman-jery tsy miankina ihany koa ny tsy fiangarana toy izany. Nandritra ny seminera fiaraha-midinika asa nataony tamin’ny janoary 2013 ny mpanao gazety nanatrika tao dia nanangana « dinan’ny mpanao gazety malagasy, momba ny fanarahana ny fotoam-pifidianana » izay mandrisika ny hanaovana fanaranahana matihanina, noho izany mampitovy lenta ny kandidà rehetra. Amin’izao fotoana mialoha ny fampielezankevitra izao ny fahitalavi-pirenena dia mampiharihary ny fanindrahindrany ny kandidà iray, tena fanosihosena an’ilay dinan’ny mpanao gazety Malagasy izany, sady tsy manome lanja akory an’io kandidà voalaza io.

Eo amin’ny lafiny tekinika,
misy ezaka tsara singanina efa tanterahina ankehitriny

Ny vato tokana dia mamaly ilay fangatahana ny fanjakana hizahana tanteraka ny fanontana sy ny fitaterana ny vatom-pifidianana. Saingy tratra aoriana ny famoahana ny santionany ka mahalasa fisainana, mila an’io maika mantsy ny fikambanana misahana ny fitaizana ny mpifidy mba hanomanana ny olom-pirenena amin’ny fampiasana azy. Nahoana no hiandrasana ny fiantombohan’ny fampielezankevitra ny fanapariahana azy io ? Ny tena tsara izao dia efa tamin’ny fiantombohan’ny taona 2013 no tokony ho natomboka ny fanentanana, sady araka ny tenin’ny CENIT, ny santionan’ny vato tokana natao hoan’ny fiarahamonim-pirenena dia tsy misy ny anaran’ny kandidà ka noho izany tsy voatery hisy ambadika politika.
Tokony ho nofaranana ny 15 avrily 2013 ny lisi-pifidianana ho an’ny fifidianana rehetra amin’ny taona 2013. Dia nisy fanemorana noleferina. Dia mbola iray hafa nanaraka. Nefa raha vao tratra aoriana ara-teknika ny CENIT ka tsy manome fanazavana mitombina dia mihena ny fahatokisana azy, indrindra moa fa efa nandany rora mihitsy ny fitenenana momba ny tsy maha azo itokisana ny lisi-pifidianana tany aloha. Etsy an-daniny, ny SeFaFi dia efa nametraka olana tamin’ny 2006 ny amin’ny ilana ny karatry ny mpifidy ; ary androany izy dia mbola manontany tena indray sao dia mba tokony hampiasaina amin’ny zavatra hafa ny vola laniana amin’ny fanontana sy ny fanapariahana azy io noho izy mifanosona amin’ny fitakiana koa ny karapanondrom-pirenena.

Eo amin’ny lafiny politika,
mbola manahirana kokoa ny fanatanterahana ny fanavaozana

Efa maro be ny fangatahana nataon’ny SeFaFi saingy mbola tsy nisy hatramin’izao na dia iray monja aza fanavaozana azo tsapain-tanana mikasika ny famatsiana ara-bola ny antoko. Amin’izao fotoana izao indrindra no tena ilaina maika dia maika ny fananganana komitim-pirenena misahana ny vola fanaovana fampielezan-kevitra sy ny famatsiam-bolan’ny politika. Midradradradra sy manao dokam-barotra tsy misy ohatra izany ny SAMIFIN (Sampandraharaha Manaramaso ny Fitantanam-bola) fa hoe hijery akaiky dia akaiky ny fandehan’ny volan’ny kandidà ho filoha, saingy natao fotsiny hanampenana ny mason’ny olom-pirenena izany : tsy misy akory lalàna mametra ny vola be indrindra azo ampiasaina, tsy misy akory lalàna manasazy izay mety handika izany...
Ny lalàna momba ny antoko politika no anisan’ny nandiso fanantenana indrindra tamin’ity tetezamita ity nefa tamin’ity no tokony ho najoro ara-dalàna niaraka tamin’ny Repoblika faha IV ny fitsipiky mifehy ny fanoherana. Ny fanajana ny fotoana tsy maintsy iasana (izay mandrara ny olom-boafidy tsy hiova antoko) dia fitsapana lehibe hahalalana ny maha olona tsy mandainga ny mpanao politikantsika aorian’ny fifidianana. Izao anefa dia efa maniry ohatra ny anana sahady ny antokotoko madinidinika manolotra kandidà mbola tsy nampahafantatra na dia kely akory aza izay tetik’asany.
Ary farany, voalazan’ny gazety fa misy didim-panjakana any ho any mamela ny kandidà ho solombavambahoaka efa nisoratra anarana hametraka firotsahan-kofidiana vaovao indray, hahazo mirotsaka amina antoko hafa na hirotsaka amin’ny anaran’ny loko politika hafa. Nahoana moa izany didy izany no mbola tsy navoaka ? Tena manohitra ny Lalàmpanorenana nasainy nofidina tamin’ny 2010 mihitsy ny fahefana mpanatanteraky ny Tetezamita raha manao izany (mbola holazainy angamba ny antony any aoriana any), satria ekeny ho ara-dalàna ny famadihana palitao sy ny fifindrana vala ataon’ny solombavambahoakantsika an-jatony maro. Sambany eto ambonin’ny tany no hisy ny toy izany, ary izany no hahatonga an’i Madagasikara ho tompon-dakan’ny fahafahambaraka.
Mba tsy ho lasa vavany fotsiny ireny fanavaozana ireny dia adidintsika mianakavy ny miezaka hahalala ireny fandaminana ireny, na aiza na aiza misy antsika eo amin’ny fiainam-pirenena sy amin’ny maha olom-pirenena, ary indrindra indrindra ny mitaky ny hampiharana azy tsy misy fepetra. Tsy hiandrasana ny Fanjakana ny fanentanana ny mpifidy na dia izy aza no tena tompon’antoka voalohany amin’ny fampiharana an’ireny fanavaozana ireny. Tonga ny fotoana tsy maintsy hijoroan’ny haino aman-jery sy ny fiarahamonim-pirenena tsy ho mpanaparitaka fotsiny ho fanta-bahoaka ny fandaminana vaovao, fa ho mpampahafantatra koa ny fandikana lalàna rehetra, araka ny efa voalazan’ny Lalàm-pifidianana rahateo. Raha tsy izany, ny fifidianana amin’ny taona 2013 izay lazaina fa fivoahana amin’ny Tetezamita, nefa koa tokony ho anisan’ny fiantombohan’ny fanorenam-pirenena sy ny fanamafisana ny demokrasia, dia ho zava-tsoa very an-javony fotsiny.

Antananarivo, 13 septambra 2013

Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena
SeFaFi
Observatoire de la Vie Publique
Lot III R 45 tar Tsarafaritra, Tsimbazaza, Antananarivo 101
Tél.032 59 761 62 Email : sefafi@gmail.com Site Web : www.sefafi.mg

3 commentaires

Vos commentaires

  • 19 septembre 2013 à 12:32 | hrrys (#5836)

    ny CENIT dia miasa ho an’ny mpifidy fa tsy ho an’ny mpanao politika.Laviko marindrano io ,ny mpikambana ao izay solontenan’ny

    • 19 septembre 2013 à 12:34 | hrrys (#5836) répond à hrrys

      mpanao politika ,ny filohany mpanolon-tsaina ara-tekinika sy ara-polotikan’ny kandidà @ izao fotoana,.mila ahitsy ny fanambaana

  • 19 septembre 2013 à 17:32 | Ratsimilaho (#6905)

    Tiako tena tiako ilay gasikara taniko
    Tiako satria Ianao no tena ho aviko
    Raha marary ianao dia mifamahofaho
    Salama kosa ianao dia tsy marofy aho

    Ianao ry taniko ilay nanabe voalohany
    Nefa ianao indray no navela nalohany
    Miala tsiny miala fondro fa diso izahay
    Ny nenina tsy aloha fa aoriana hanafay

    Firifiry anefa ny fy sy matsiro nomenao
    Marobe ireo tantely sy ronono navelanao
    Misaotra be dia be fa andeha re hanarina
    Ny simba rehetra sy izay mila amboarina

    Manainga izahay an’ireo taizan’i Gasikara
    Ny voaloham-teny hoan’ireo dimby sy fara
    Kolokoloy sy tandrovy ilay nosy tokantsika
    Tiavo sy mba arovy ka tsy hisy handika

    Ho antsika rehetra izay mitondra am-po Azy
    Na teratany na vahiny dia raisina tsy mivazy
    Hiara-mamindra hanao soroka hiara-milanja
    Hampiroborobo hampandroso ilay nosy manja

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS