Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h52
 

Malagasy

Taratasy

Ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra

jeudi 25 septembre 2008

"Ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra no antenaina fa mety hahafoana tanteraka tsikelikely ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara.

Enim-polo (60) taona no naha-zanatany frantsay antsika Malagasy. Nandritra izay enim-polo taona izay dia teny frantsay no teny nenti-nampianatra teto Madagasikara. Mba azontsika an-tsaina moa ny isan’ny Malagasy tsy nahay namaky teny sy nanoratra ? Angamba any amin’ny fitopolo isan-jatony (70%). Ekentsika ve izany ? Tsy rariny ary tsy mendrika izao taonjato faha-iraika amby roapolo izao.

Izaho dia zanaky ny fanjanahan-tany. Tamin’ny 1944 aho no niditra an-tsekoly. Teny frantsay rano fotsiny no nampianarana anay nanomboka tany amin’ny kilasy fahaefatra nantsoina hoe 1ère A, ka hatrany amin’ny kilasy voalohany na 1ère B. Zato mahery kely teo izahay no iray sekoly izay mizara kilasy efatra (kilasy fahaefatra, kilasy fahatelo, kilasy faharoa ary kilasy voalohany). Valo taona ny zaza no tsy maintsy miditra an-tsekoly ary feno efatra ambin’ny folo taona izy tsy maintsy miala fianarana. Tsara ny fomba fampianatra. Ho fanazarana ny ankizy miteny frantsay dia nisy ny natao hoe « exercice de langage » izay atao isan’andro isan’andro. Ho fanazarana azy mamaky teny frantsay nisy kosa ny « lecture, » isan’andro ihany koa. Ho fanazarana azy manoratra ny teny frantsay nisy ny « dictée française » intelo isan-kerinandro. Ho fampitomboana ny fitadidiany tao ny « récitation ». Ny fianarana ny kajy, ny « système métrique, ny jeografy samy natao tamin’ny teny frantsay avokoa. Raha mandeha tsara ny fianaran’ny zaza iray, ka tsy mamerina kilasy izy (tsy midobla hoy ny fiteny tamin’izany) dia roa na telo taona, eny, mety ho efatra aza eo amin’ny kilasy voalohany. Noho izany raha mbola ao am-pianarana izy dia azo lazaina fa mahavaky boky tsotsotra amin’ny teny frantsay. Saingy taona vitsivitsy monja aty aoriana (telo na efatra eo) dia adinony ny teny frantsay. Dia zary lasa tsy mahay mamaky teny sy manoratra indray izy. Eo amin’ny fiainany andavanandro mantsy dia tsy misy mihitsy ilany ilay teny frantsay. Ny tenin-drazany no ampiasainy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy, anefa tsy nampianarina azy io tenin-drazany io. Ireo manaraka ny finoana kristianina no misy mba mahita zorony satria voatery mamaky baiboly sy fihirana. Amin’izany aza dia mbola sahirana mafy tokoa. Asa raha fantatry ny maro fa ampahany kely dia kely ny zanaky ny tantsaha no mba manohy fianarana. Tsaroako tsara fa tamin’ireo ankizy zato mahery kely niray sekoly taminay dia enin-dahy izahay no nanohy fianarana taty Antananarivo ary iray tao Anjozorobe. Samy zanaka mpilaravinahitra izahay ireo. Raha manamanana ny tantsaha dia tsy mandefa ny zanany hianatra fa manjary lava volo, hono, ny taniny. Raha sahirankirana ara-pivelomana indray izy dia tsy mampianajanaka, fa tsy misy hanampy azy amin’ny fameloman-tena. Raha tiana ho resy ny tsy fahaizamamaky teny sy manoratra dia aoka ny teny ampiasaina andavanandro no ampianarana sy ampianarina ny olona. Tsy inona izany, fa ny tenin-drazany ».

Razafiarivony Wilson, Ampamoha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS