Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 10h59
 

Malagasy

Fifidianana :Pasitera Andriamanjato Richard

Nitso-drano an’i Hery Rafalimanana

mercredi 21 novembre 2007 | Hery A.
Pasitera Andriamanjato Richard sy ny PDS Rafalimanana .

Omaly talata maraina no nihaona teny amin’ny tranon’ny pasitera Andriamanjato Richard ny PDS Rafalimanana Hery ka samy nanome lanjany ny« tso-drano zava-mahery » ny roa tonta. Mahakasika indrindra ny firotsahana kandida ben’ny tanàna no nahazoan’atoa Rafalimanana Hery tso-drano tamin’ity andrarezin’ny politika ity, izay efa nanana traikefa ihany koa tamin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fotoan’androny. Amin’ny ankapobeny dia nisy ny dinika manokana teo amin’izy mianaka ireto, narahana ny tso-drano.

Ny pasitera Andriamanjato Richard moa dia tsy zoviana amin’ny rehetra intsony. Manampahaizana mahakasika ny politika avo lenta ny tenany, Efa filohan’ny andrim-panjakana maro ankoatry ny naha ben’ny tanàna sy naha minisitra azy.

Ny PDS Rafalimanana Hery kosa dia efa nanaporofo ny fahaizany mitantana ny tanàna tao anatin’ny fotoana fohy, ary ny tso-drano avy amin’ny zokiolona toy itony no heverina hahaleo hahalasana azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS