Olona an-jatony no nikomy teo anoloan’ny biraom-pokontanin’Ankadilalampotsy, kominina Ankaraobato, omaly tontolo andro.
Araka ny vaovao azo teny an-toerana, dia vokatry ny fanesorana ny filoham-pokontany no anton’izany fikomiana izany. Niezaka nandamina ny raharaha ny ben’ny tanàna Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime, ka ny tolakandro vao nilamina izany. Ny lehiben’ny distrikan’ Atsimondrano moa no nanasonia ny didy nanala ny filoham-pokontany teo amin’ny toerany. Anisan’ireo nofidiam-bahoaka moa ity filoham-pokontany ity ka izany no nahatonga ny olona nampiaka-peo.
Araka ny vaovao azonay teny an-toerana ihany, dia andro vitsy monja taorian’ny fifidianana ny mambran’ny biraom-pifidianana tao amin’ity fokontany ity no nanalana ilay sefom-pokontany. Toa hoe nisy olona roa voafidy ho mambran’ny biraom-pifidianana ao amin’ny biraom-pandatsaham-bato iray tsy ankasitrahan’ny manam-pahefana iray eny an-toerana, ka nasainy nesorin’ny filoham-pokontany. Toa hoe tsy nanaiky ny hanova azy ireo anefa ny filoham-pokontany satria izay lanin’ny besinimaro ihany no izy ka izay no antony nanesorana ity filoha ity.
Ity fokontany Ankadilalampotsy ity moa no be mponina indrindra (maherin’ny 8.000) ao anatin’ny kominina Ankaraobato.
Asa aloha izay ao ambadik’izao fanesorana mambran’ny biraom-pifididianana izao. Soa fa nitony ihany ny vahoaka rehefa nandresy lahatra azy ireo ny ben’ny tanàna hanaiky ny fandaminana nataon’ny lehiben’ny distrika.